Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitobaka: (tobaka) a.: Toetran' ny rano mitobaka, na mitipy ka tafahoatra. Ahitsio
Fitobatoba: (tobatoba) a.: Toetran'ny zavatra mitobatoba, izany hoe mikobana na mihetsiketsika; toetran'ny olona mitobatoba na mandanilany foana: Tsy mahagaga raha lany sahady ny harenany, fa aiza moa ity fitobatobany! Ahitsio
Fitobatobana: na Fitobatoba (tobatoba) a.: Fihetsiketsehana, fikobankobanana: Tsy hay lazaina ny fitobato ban' ny rano anaty siny raha mihazakazaka ny mpantsaka. ? Fandanilaniam-poana, fandaniana ny haxena hanaranana fo: Ny fitobatobany no nampahantra azy haingana. Ahitsio
Fitobebaka: (tobebaka) a.:Toetran'ny zavatra be vava nefa tsy lalina aty. Ahitsio
Fitobiana: (toby) a.: Fiangonana, fitangoronana: Eto no fitobian'ny mpianatra kilasimandry alohan'ny handeha hitsangantsangana. ? Filasiana: Mampitebiteby ny vahoaka ny fitobian'ny fahavalo tsy lavitra ny tanàna, ? Fiavosana, fiavovonana: Maharikoriko ny fitobian'ny fako eto akaikin'ny trano eto. Ahitsio
Fitoby: (toby) a.: Toetran'ny zavatra na olona mitoby na miangona, mllasy, miavosa. Ahitsio
Fitodian-tsambo: a.: Toerana eo amoron-dranomasina voavoatra hiantsonan'ny sambo. Ahitsio
Fitodiana: (tody) a.: Fahatongavana an-tseranana: Amin' ny dimy maraina ny fitodian'ny sambo. Ahitsio
Fitodihana: (todika) a.: Fihodinan'ny tena mihitsy: Nisy nanohina azy no nahatonga ny fitodihany tany amiko. ~ Fiherehana any ivoho: Ny fitodihany no nahapotraka azy. Ahitsio
Fitodika: (todika) a.: Fomba entina mitodika, izany hoe mihodina, na miherika. Ahitsio
Fitody: (tody) a.: Fomban'ny sambo mitody, izany hoe tonga eo an-tseranana. Ahitsio
Fitoerana: (toetra) a.: Fipetrahan'ny zavatra iray, ny misy (ny zavatra iray voalaza) andavanandro: Eto no fitoeran' ilay bokiko, ka mahagaga fa tsy hitako eto ilay izy, ? H. o.: Ao amin'ny vatana sala-ma no fitoeran'ny saina sala-ma. 1 Toerana: Ataovy amin'ny fitoerana maina ireo voankazo ireo. 1 Toerana omby hipetrahana: Omeo fitoerana kely eo aminareo eo izy. ? Zavatra ametrahan-javatra hafa: Fitoeran-dranomainty. Ahitsio
Fitoetra: (toetra) a.: Fipetraka: Sarotra asiana ny fitoetran' it? tanàna it?, ka azo inoana fa ho kivy ambony ihany ny fahavalo. Ahitsio
Fitofantsihana: (tofantsika) a.: Fivokohana, filantsihana. Ahitsio
Fitofantsika: (tofantsika) a.: Toetran'ny zavatra mitofantsika, izany hoe mivokoka, milantsika. Ahitsio
Fitofatofa: (tofatofa) a.: Toetran'ny zavatra lava misavilivily. Ahitsio
Fitofatofana: na Fitofatofa (tofatofa) a.: Fihetsiketsehana, fihofahofan-javatra lava misavilivily: Jereo ny fitofatofan'ny volondohan'i Soa kely rehefa mihazakazaka izy. Ahitsio
Fitofefehana: (tofefika) a.: Fihilanana, firondronana, fixaikana na firaihana, Ahitsio
Fitofefika: (tofefika) a.: Toetran'ny zavatra mitofefika, mihilana, mirondrona. Ahitsio
Fitofezahana: (tofezaka) a.: Faharerahana, fahatrotrahana. Ahitsio