Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fotafota: a.: Fandraisana zavatra (indrindra ny sakafo) amin'ny tanana tsy madio ka manafotetaka izany amin'ny tena na amin'ny manodidina ny tena. - t.i.f.: Fotafotaina, afotafota, voafotafota / mamotafota, famotafota, mpamotafota / amotafotana, famotafotana / mifotafota, fifotafota, mpifotafota / ifotafotana, fifotafotana / mahafotafota, Ahitsio
Fotafotaina: (fotafota) mt. ih. (fotafotao): Lotoina, fotetahana. Ahitsio
Fotahina: (fotaka) mt. ih. (fotahy): Be fotaka, fetahana fotaka. Ahitsio
Fotaka: a.: Tany len-drano ka manjary marihitra maditidity ary malama. ¶ M.h.: Dilatra: tsara homarihina anefa fa ny dilatra dia irony fotaka maintimainty mandry tsikelikely any amin' ny fanambanin'ny rano. 1 t.i.?.: Fotahina / mamotaka / mifamotaka, fifamotaka / ifamotahana, fifamotahana / mahafotaka / mamotafotaka. Ahitsio
Fotetahana: na Fotetahina (fotetaka) mt. ih. (fotetaho): Takosenana fotaka na zavatra malemy tahaka ny fotaka. Ahitsio
Fotetaka: a.: Loto mitakovana toy ny fotaka malemy mipetaka amin'ny tena. 1 Zavatra mitsiranorano raraka amin'ny taratasy na amin'ny tany ka mandoto. 1 Fahapotrahana ka tsy tafarina teo amin'izay nahalavoana intsony. - t.i.f.: Fotetahana, fotetahina, voafotetaka, afotetaka / mamotetaka, famotetaka, mpamotetaka / amotetahana, famotetahana / mifotetaka, fifotetaka, mpifotetaka / ifotetahana, fifotetahana / mahafotetaka. Ahitsio
Fotitra: a.: Fifamadihan-javatra ka ny tokony ho ambony lasa ambany. - t.i.f.: Afotitra, mamotitra, famotitra, mpamotitra / amoterana, famoterana / mifotitra / ifoterana, fifoterana / mahafotitra, mifamotitra. Ahitsio
Fotoana: a.: Faharetana voamarlky ny fifandimbiasan' ny andro sy ny alina, ny tao-na, ny zava-dehibe nitranga: Tamin'ny fotoana nanjakan' Andrianampoinimerina no nandroso fatratra ny teto 1-marina. 1 Andro: Be loatra ny asa ka mila tsy hanampotoana hisakafoana akory aho. 1 Paik'andro, fetr'andro: Tonga ny fotoana handoauanao ny uolako ka omeo aza fady. 1 Tapak'andro, ors nifanaovana, nifanarahana hihaonana: Tamin'ny telo no fotoananay nefa mbola tsi tonga ihany izy. ? Fizarantaona fanaovana asa, taozavatra: Fotoana fanetsana izao. - t.i.f.: Fotoanina / mamotoana, famotoana, mpamotoana / ifamotoanana, fifamotoanana / mifamotoana. - F.-p.: Mifanao fotoana: mifanaraka fa hihaona amin'ny fotoana iray, / Fotoan'Itsieuina: fotoana diso noho ny tsy fahazoan-teny. / Fotoam-borozano (manao): tsy tonga amin'ny fotoana marina fa amin'izay fotoana tiana hahatongavana. / Diso fotoana: tsy tonga amin'ny fotoana marina. / Fo toan- tsarotra: fotoana be fahasahiranana diavina. / Fotoa-maty: fotoana efa raikitra tsy azo ovana intsony (toy ny fahafatesana). ( Fotoan'andro: andro voatendry (hanaovanjavatra). f Fe-potoana (fetra fotoana): faharetam-potoana. / Vanim-potoana: fepotoana lehibe, malaza. * Ohab.: Fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona: na dia fotoana efa raikitra izao aza dia mety tsy ho tanteraka rehefa tonga ny sampona. Ahitsio
Fotoanina: (fotoana) mt. ih. (fotoany): Omena fotoana: Nofotoaniny tamin'ny foio aho. Ahitsio
Fotofoto: a.: Fisavoritahana, fikorontanana be ihany, fiparitahan-javatra tsy araks ny tokony ho izy. - t.i.f.: Fotofotoina, afotofoto, voafotofoto / mamotofoto na manafotofoto, famotofoto, mpamotofoto / amotofotoana, famotofotoana / mifotofoto, fifotofoto, mpifotofoto Jifotofotoana,fifotofotoana / mahafotofoto. Ahitsio
Fotofotoina: (fotofoto) mt. ih, (fotofotoy): Korontanina atao misafotofoto: Fotofotoy ange io kofehy Io e. Ahitsio
Fotografia: (fr. photographie) a.: Fakana sary amin'ny alalan'ny hazavana avy amin'ny zavatra alain-tsary izay miraikitra amin'ny plaky natao manokana ho amin'izany ka apetaka amin'ny taratasy ary mamoaka ilay sary ny sary azo amin'izany, ka amin'izay izy dia matetika atao hoe "sary foto": Ny fotografian' ny fianakauiana. Ahitsio
Fotona: a.: Karazan-kazo vaventy fanaovan-trano. Ahitsio
Fotony: a.: Antony, vidiny: A-rio any io boky io fa tsy misy fotony. Ahitsio
Fotorana: na Fotorina (fototra) mt. ih, (fotory): Raisina eo akaikin'ny fototra: Fotorina ny zanakazo vao ongotana. • Anontaniana tsara, adinina fatratra: Fotory tsara ny voampanga. • Dinihina, fakafakaina, hadihadina:Fotorana ny raharaha alohan' ny hirosoana. Ahitsio
Fototra: a.: Antony voalohany nahatonga, niaviana: Andriamanitra no fototry ny soa rehetra. / Tsy fahampian-tsakafo no fototry ny aretiny. • Loharano niaviana, niandohana: Ratsizehena sy Ramianoka no fototry ny fianakavianay. ? Faka, fanorenana: Manapa-kazo amin'ny fotony. / Mianjera ny trano raha tsy mafy orina ny fotony. • Antony:Inona no fototra tsy itiavana azy? •Ny lafy ijadonan'ny haavo amin' ny sary maxolafy. - t.i.f.: Fotorana na fotorina, voafototra / mamototra, famototra, mpamototra / amotorana, famotorana / mifototra, fifototra, mpifototra / ifotorana, fifotorana / mahafototra. - Any am-potony: any amin'ny niandohany, niaviany. /Am-poto-moty: akaiky dia akaiky efa mila hitehika mihitsy. / Iray fototra, roa fototra: entl-milazafomba fanisana atody izay mandeha tsitelotelo, iray fototra: atody telo; roa fototra: atody enina... / Masaka ifotony: enti-milaza voankazo masaka hatreny am-potony fa tsy mba naotrika. / Foto-bolo: fakan'ny volo, volo iray fehezana rehefa randranina. / Foto-kavana: havana akaiky dia akaiky. J Foto-pe: ny faritra ambony amin'ny fe. / Fototeny: teny niavian'ny teny hafa (oh.: tolotra no fototeny niavian'ny hoe: manolotra). /Fototr'aretina: antony nahatonga ny aretina iray. / Fototr'elany: tonontaolana voalohany amin'ny elatry ny vorona. / Fototr' olona: enti-milaza: 1) ny razam-be niaviana; 2) olona tsara mendrika faka taranaka, / Foto-tsarika: ny tsiratsirak'akondao izay anaovana ny lampa atao hoe lamba sarika. 1 H,o.: Asa fanamboarana ireo tsiratsiraka ireo ho lamba izay tsy dia nana fahaizana firy. * Fiten.: Tsy mahay foto-tsarika: olona tsy mahay na inona na inona. / Fo to- tsofina: faritra ipetahan'ny sofina amin'ny loba. / Foto-tsoroka na fototsandry: faritra mampitohy ny sandry amin'ny vatana. / Ranom-pototra: ny faikafaikany sisa avy amin'ny fanasitiliana ny ranom-pary voalohany izay mbola afangaro indray amin'ny ranom-pary hositiliana fanindroany. * Ohâb.: Foto-kazo sy vorona ka izay manina no manatona: enti-milaza fa raha misy fiangaviana olona dia ilay mila fanampiana no tokony hanatona fa tsy ilay mpanampy iangaviana akory. Ahitsio
Fotrafotra: PDongadonga, vaventy. ¶ M.h.: Botrabotra. Ahitsio
Fotràka: a.: Feo na erotra maneno any an-tenda any. - t.i.f.: Mifotraka, mpifotraka. otroaka a.: Rano na zavatra hafa mibosesika miaraka amin'ny fofon'aina mitady hivoaka ao am-bava na amin' ny orona. ? Fitronan'ny olona na biby voakenda ka tsy afaka mivoaka ny fofon'ainy noho ilay zavatra misakana ao am-bavany na any an'orony. é t.f.f.: Mifotroaka, fifotroaka, mpifotroaka / ifotroahana, fifotroahana. Ahitsio
Fotsiangavo: a.: Ny lohan'ny lahinjiro mirehitra. Ahitsio
Fotsiangola: a.: Bay tendrony fotsy avy nirehitra amin'ny lahinjiro na sigara ka lasa lavenom-potsy. Ahitsio