Foibe | : | (foitra be) a.: Toerana afovoany ihaonan'ny tsipika rehetra amin'ny fanorona. 1 Toerana lehibe indrindra fikarakarana zavatra na raharaha iray: Foibem-pitaizana ny zaza marenina sy jamba.
Ahitsio |
Foibenkodiarana | : | a.: Ray faritra afovoany indrindra amin' ny kodiarana izay itsofohan' ny lahitangerina ary irantsandrantsanan'ny tanankodiarana.
Ahitsio |
Foibentaosarintany | : | a.: Foiben' ny antokon-draharaha misahana ny fanaovana sarintany.
Ahitsio |
Foijaza | : | a.: Akoran-dandim-bibikely izay ametrahany ny atodiny./ Kambo,
Ahitsio |
Foina | : | a,: Sakana, tsy famelana hihetsika na hipaika intsony (fanorona). - t.i.f.: Foinana / voafoina / mamoina, famoina, mpamoina / amoinana, famoinana / mahafoina.
Ahitsio |
Foinana | : | (foina) mt.ih. (foino): Tsy avala hihetsika na hipaika.
Ahitsio |
Foitra | : | a,: Holatra boribory eo afovoan'ny kibo, vokatry ny nanapahana ny tady nifandraisan'ny reny tamin-janany tamin'ny nitondrany azy tao am-bohoka, - F.-p.: Didy foitra: a) Fandidiana, eo am-pahaterahan' ny zaza, an'ilay tady nifandraisany tamin-dreniny nandritra ny mbola naha-tao ankibo azy, b) Famorana. /Foikazo: tonon'ny hazo izay miforona eo amin'ny toerana nisy rantsana tapaka. / Foitr'ampinga: ilay boribory mivohitra eo afovoan'ny ampinga. / Foi-jaza; foibe (jar. ireo teny ireo) / Foitra tao-ho: foitra any an-damosina, zavatra tsY mety hisy, tsY azo heverina: Foitra ivoho izany, Rangahy ity a! ¶ M.h.: Gisa mainty.
Ahitsio |
Foizina | : | (fo) p.t.: Mora tezitra aoka izany, kitokitoina.
Ahitsio |
Foizina | : | (foy) mt.ih. (foizo): Atao izay hahavakian'ny atody misy azy. 1 Potsirina, vonoina: Foizo io hao io.
Ahitsio |
Foka | : | a,: Ny sisa mijanona ao anaty tany amin'ny hazo nokapaina, tronga.
Ahitsio |
Foka | : | a.: Karazan-kala (Phrynaracne foka).
Ahitsio |
Foka | : | a.: Fitrohana ary fitelemana; fisintonana (setroka na rivotra) hiditra any anaty. i tif,: Fohina, voafoka / mifoka, fifoka, mpitoka / ifohana, fifohana 1 mahafoka.
Ahitsio |
Foka | : | na Fokafoka p.t.: Adala, tsy misy saina, ketrina. i t.i.f.: Afokaina f manafoka, fanafoka, mpanafoka / anafokana, fanafokana / mahafoka.
Ahitsio |
Fokarina | : | (fokatra) mt. ih. (fokaro): Alana, badina ao anaty tany: Be ny arintany azo fokarina any Soalary. / Fo-kapo ny lamba ao anaty vota. ? Velomina, fohazina indray: Nofokariny daholo ny fanao taloha. 1 Aseho mibaribary: Nofokarin'ny mpanozon-doha ny helony rehetra,
Ahitsio |
Fokatra | : | a.: Fampisehoana ankarihary ny tao anaty tany, ny lasa. ¶ M.h.: Fongatra, - t.i.f.: Fokarina, voafokatra / mamokatra, famokatra, mpamokatra 1 amokarana, famokarana / mifokatra, fifokatra, mpifokatra 1 ifokarana, fifokarana 1 mahafokatra.
Ahitsio |
Fokatra | : | a.: Fampisehoana ny tapotsi-maso amin'ny olona tiana hoharabina.
Ahitsio |
Foke | : | (Ski) a.: Ilay milohantapenaka aloha indrindra amin'ny sambolay,
Ahitsio |
Foko | : | a.: Fiaviana nisehoana, firazanana: Na foko inona ianao na foko inona dia Malagasy ihany. ? Ny fitambaran'ny olona iray fiaviana: Ny foko Antaimoro dia iaraha-mahalala fa taranaky ny Arabo. - t.i.f.: Mifoko I ifokoana, fifokoana. - F,-p.: Fokom-pirenena: firenena tafaray. / Hitam-poko, hitam-pirenena: hitan'ny olona rehetra izao.
Ahitsio |
Fokofoko | : | ft.: Niavian'ny hoe mifokofoko.
Ahitsio |
Fokonolona | : | a.: Firaisam-pileovana sy fitondran'ny mponina amin'ny tanàna iray na amin'ny vohitra madinika mifanakaiky ka manan-jo eo anatrehan'ny fan,jakana izany fileovana izany. (Nisy taloha olona vitsivitsy nikarakara ny fokonolona natao hoe loholona na ray amandreny ny fitambarany, ary iray kosa nofidina ho mpitondra, izay nomena ny anarana hoe mpiadidy na lehiben' ny tanna na ben'ny tanàna).
Ahitsio |