Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fivangongoana: (vangongo) a.: Fitangoronana, fitobiana miavoavo amin'ny toerana iray: Fivangongoam-bato eo amin'ny toerana fanaouana trano. Ahitsio
Fivanika: (vanika) a.: Toetran' ny olona mivanika, izany hoe mampiseho nify na ho fihomehezana izany na ho fahatezerana. Ahitsio
Fivanikana: (uanika) a,: Farnpisehoana ny nify, na ho fihomehezana tantra na ho mari-pahatezerana. ? Tsy fahakombonan'ny vava noho ny harerahana mafy. Ahitsio
Fivanivaniana: (uanivany) a.: Fihomehezana na fitsikiana somary maneso. Ahitsio
Fivanivany: (vanivany) a.: Fomba entina mivanivany, izany hoe mihomehy na mitsiky somary maneso. Ahitsio
Fivantana: (vantana) a,: Toetran'ny zavatra na olona mivantana, izany hoe mande-ha manitsy avy hatrany. Ahitsio
Fivantanana: (vantana) a.: Fandehanana manitsy avy hatrany: Nahazendana ahy ny fivantanan'ilay olona nankeo amiko, nefa tsy fantany velively aho. ~ Fandehanana tsy misy mitana: Ny fivantanan'ilay fiarakodia teo amin' ny fidinana no nahabe ny maty. 1 Fitenenana tsy misy fitsimbintsimbinana: Tsy azoazoko ny fivantonan'ny tenin-dRangahy iny. [t Toerana faleha avy hatrany: Ity' no trano fivantananay rehefa miakatra. Ahitsio
Fivaona: (vaona) a.: Toetran' ny zavatra mivaona, izany hoe mandeha any amin'ny tsy izy. Ahitsio
Fivaonana: (vanna) a.: TsY fahitsiana, fandehanana any amin'ny tsy izy. Ahitsio
Fivarahontsana: (varahontsana) a.: Fahalemilemena noho ny tahotra na ny hakiviana. Ahitsio
Fivarakahaka: (varakahaka) a,: Fiparitahana, fielezana. 1 Firediredena. Ahitsio
Fivarerahana: (vareraka) a.: Fiborotsahan'ny akanjo mirefarefa: Oadray ity fivorerahan'ny akanjon'Ikoto! • Fiboretahana kivy sy ketraka tsy mampiseho herin-tsaina: Akory ny fivarerahan-dRasoa nandre ny tsy fahafahan' ny zanany fanadinana. Ahitsio
Fivareraka: (vareraka) a.: Toetran'ny zavatra (akanjo) mivareraka, izany hoe miborotsaka, na ny olona miboretaka kivy sy ketraka. Ahitsio
Fivarina: (varina) a.: Toetran' ny olona mivarina na midina mikorisa na mianjera sy mikodiadia. Ahitsio
Fivarinana: (varina) a.: Fidinana mikorisa, fianierana arahim-pikodiadiavana: Fivarinana an-kady no nahazo andRabe raha tsy voatohan' ny vodihazo teo amoron-kady izy. ? Fietrena voninahitra: Tana fivarinana mihitsy ny an-dRakoto nanambady olona ambony toetra toa iny! Ahitsio
Fivarirotra: (uarirotra) a.: Toetran'ny zavatra mivarirotra, izany hoe mikainkona toa mifandrirotra, Ahitsio
Fivarizohana: (varizoka) a.:Fitariavana, fitsaontsaonambava tsisy farany: Tsy aritro ny fivarizohany teo ka aleoko nandeha. Ahitsio
Fivarizoka: (varizoka) a.: Toetran'ny olona mivarizoka, izany hoe mitaria, mitsaontsaom-bava. Ahitsio
Fivarorahana: (uaroraka) a,: Fiketrahana, fiborahana sy fivvpana, figedragedrana: Nihomehezan'ny ankizy ny fiuarorahan'ny pataloany, ~ H.o,: Fahakiviana, fahaverazan-kevitra: Tsy hay lozaina ny fivarorahan-dRakoto raha nandre io vaovao ratsy io. Ahitsio
Fivaroraka: (varoraka) a.: Toetran'ny zavatra mivaroraka, izany hoe miketraka, miboraka sy mivaha, na ny olona kivy, very hevitra. Ahitsio