Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kalaza: a: Antsy lehibe, karazana famaky, izay entin'ny olona amin'ny ady. 1 h.o.: 1) Teny entina hilazana olona mahery miady hevitra na olona mafy hatoka. 2) Entina hilazana mpiady malaza noho ny herimpony na ny fahaizany amam-pahakingany: Kalazalahy. Ahitsio
Kalesy: (fr. calèche) a: Fiara misy kodiarana taritin-tsoavaly, ? Kilalaon'ny ankizy, miendrika fiara kely misy kodiarana roa, izay ifandimbiasany taingenana sy atosika. Ahitsio
Kaleva: a: Karazan-kazo madinidinika izay fanaovana tahona famaky na antsy na lefona ny hazony (Croton Lp). Ahitsio
Kaleva: a: Fomba fihinanan' ny vatom-panorona ka midona vao misarika ary mijanona ao am-poina. - t.i.f• : Kalevaina, mikaleva. Ahitsio
Kalevaina: (kaieaa) mt. ih. (kalevao): Hanina (enti-milaza ny fihinanan'ny vatom-panorona, izay midona vao misarika ary mijanona ao am-poina). Ahitsio
Kalina: (kaly) mt ih. (k¢lio): Atao am-pitandremana fatratra mba ho vita tsara tanteraka: Kalio ny soratrao fa aza atao zara fa oita Ahitsio
Kalisaonina: (fr. caleçon) a: Fanaoanatin-dehilahy miendrika pataloa na kilaoty. Ahitsio
Kalisy: (fr. calice) a: Kapoaka ampiasain'ny Pretra hasiana divay amin'ny sorona masin' ny lamesa (katolika). Kapoaka misy ny divay sotroina amin'ny fanasan'ny Tompo (protestanta). Ahitsio
Kalita: a: Entina milaza ny mpandaingalainga sy fetsifetay. ¶ M.h.: Kapotsaka, fetsy, be gararo. - t.i.f.: Kalitaina I mikalita, fikalita, mpikalita I ikalitana, fikalitana 1 mahakalita / kalitalita. Ahitsio
Kalitaina: (kalita) mt.ih. (kali-tao): Andaingana, anaovana hafetsifetsena: Tsy azonao kalitaina aho! Ahitsio
Kalitao:Hatsara, hatsaràna. Fenitra tratrarina: mifanaraka amin'ny kalitao. Ahitsio
Kalo: a: Hira madinika fanao raha malahelohelo, mahatsiaro ny ela sy mitantara ny lasa. - t.i.f,: Kaloina, voakalo, kinalo J mikalo, fikalo, mpikalo I ikaloana, fikaloana / mahakalo J kalokalo. - F-p.: Kalo madinika: hira fohifohy fanaon'ny olona manimanina. J Kaki sisika: ilazana ny angesongeson'ny mpihira manampy angolangola eny anelanelan'ny fitohizan'ny hira eny na eny afovoan'ny feon-kira * Fiten.: Kalon'antitra ka tany no farany: ilazana ny hira fanaon'ny antitra mitanisanisa ny fotoan-dasa ka mahatonga azy hanembonembona ary mazàna miafara amin'ny tomany. * Ohab.: Rafotsibe mampiady kalo, ka ny antitra antitra ihany: enti-milaza ny fahaizana ananan'ireo efa ela nanaovan-javatra miolotra indrindra amin'ireo vao zazavao. Ahitsio
Kaloina: (halo) mt. ih. (kaloy): Hiraina amim-po mametsovetso. Ahitsio
Kalokalo: (Ski) a.: Karazandro fia fihinam-boa. Ahitsio
Kaly: a.: Tandrina, kajy. i t.if: Kalina, voakalY, kinaly I mikaly, fikaly, mplkaly 1 ikaliana, fikaliana J mahakalY / kalikalyKalila (Ski) a.: Karazana vary izay lava ny voany, manify ary mova tsy ny azo itarafana (Oryza satina). Ahitsio
Kama: na Kemaka p.t.: Entimilaza ny olona izay miditra ny molony; gema, demba na dembana. - t.i.f.: Kemahra, voakema / manakema, fanakema / anakemana, fanakemana / kemakema / akemakema 1 mikemakema, fikemakema, mpikemakema / ikemakemana, fikemakemana. Ahitsio
Kamadaoro: (fr, commandeur) a: Mpitandrina asa, indrindra amin'ny asa fanaovan-dalana, fananganan-javatra. Ahitsio
Kamahana: a: Hanina eran'ny vavany entin'ny vorona ho an'ny zanany. Ahitsio
Kamaitso: a: Anarana ilazana ny tanavavy raha mbola kely sy maitso volo izy. Ahitsio
Kamaosy: p.t.: Reraka, toro, mongo, kotra ary tsy azo ho zavatra intsony. i tif: Mikamaosy, fikamaosy, mpikamaosy / ikamaosiana, fikamaosiana. Ahitsio