Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kiatsody: a.: Jer. Sodina. Ahitsio
Kibabibaby: a.: Tsilalaon'ny ankizy mifandimby mifampibaby mihazakazaka. Ahitsio
Kibala: (Ski) a.: Haronkely. Ahitsio
Kibango: (Ski) a: Kitapo fasiana firavaka sarobidy fitondra mandeha. Ahitsio
Kibango: a.: Tehina hazo be.1 Hazo misy kofehy atao a min'ny vozon'ny biby sasantsasany mba hanelingelina azy, toy ny alika izany, na ny akoho tsy tiana hikotrika, na ny omby maditra. Ahitsio
Kibasibasy: a.: Kilalao misarimbasy. Ahitsio
Kibay: a: Vay ratsy mahavoa ny ankasarotana vokatry ny te ty. Ahitsio
Kibay: a: Langilangy fohy. * Ohab.: Tsy miady tsy mia dy, nefa ny kibay an-kelika ihany: Enti-milaza ny olona mpihatsaravelatsihy izay tsy mifanaraka amin'ny teny lazainy ny asa ataony. Ahitsio
Kibentsiny: (Ski) a.: Fomba fisikina mirebarebamisy lefitra tandrifin'ny foitra, fanaon'ny lehilahy vezo. Ahitsio
Kibo: a.: Ny faritramalemy eo ambanin'ny tratra misy ny vavony, ny aty, ny tsinay... I tif: Kiboina, akibo, voakibo, kinibo 1 manibo 1 manakibo, fanakibo, mpanakibo / anakiboana, fanakiboana, faniboana 1 mahakibo 1 ]dbokibo 1 kibokiboina. - F-p.: Kibo afafy: enti-milaza olona manao parasy ho-mana, mpitakarina mivelona amin'ny havana atsy amin' ny havana aroa. / Kibomalemy: ny faritra ambany amin'ny kibo. / Kibon-dranjo: ny ivohon'ny ranjo izay malemilemy ary mivohitra botabota, atao koa hoe voavitsy. J Kibon-dranonanana: ilazana ny olona be kibo na kibotaina. / Kibon-tsahona: kibo mivelatra sy malalaka toy ny an'ny sahona. / Kibo tsy omby: ilazana ny zanaky ny mpirahavavy iray tam-po. / Kibo saokan'ny nahiny: enti-milaza fanaovan-javatra tsy noteriterena fa tena ara-tsitra-po marina. / Kibo tsy manary havana: fiteny ilazana fa raha sendra mandalo an-1r an on-kav ana, na dia efa voky aza, dia manandrana kely ihany ny sakafo atolotry ny tompon-trano. J Saro-kibo: saro-kitikitika ka taitra raira vao voakitika kely fotsiny. * Fiten.: Manao kibo antsena: mihinana any ivelany tsy mitondra mody. * Ohab.: Kibo mikoraraika: ny tompony no mahalala: enti-milaza fa raha misy zavatra mahazo ny tena, dia ny tena ihany no mahalala azy; ianao tompony ihany no af a-ka handinika ny aminy. J Ny kibo tsy mba lamosina: enti-milaza fa tsy maintsy misakafo mba hahavelona azy ny kibo, ka araka izany, raha misy atao na ampanaovin'olona na ataon'ny tena samy irery, izay tokony hivelomana tsy azo hadinoina. Ahitsio
Kibobo: a.: Karazam-borona madinidinika; ohatra ny akohokely mavomavo ny habe amam-bikany, matetika hita mitsoriaka any anaty bozaka; fihinana tsara ny nofony ary tsy mba hazaina izy fa fandrihana (Turnix nigricollis). Ahitsio
Kibode: (Ski) a: Zana-borona sarahina amin-dreniny ka velomina mitokana. Ahitsio
Kibohitra: Mitovy amin'ny hoe Bohitra. Ahitsio
Kiboina: (kibo) mt.ih. (kiboy): Kitikitihina: Axa kiboinao ny xazakely. * Ohab.: Kibokiboin'ny rariny ka milaza tsy anontaniana: tsy avelan'ny rariny ka milaza ny marina, nefa tsy misy manontany akory. Ahitsio
Kiboka: Jer. Hiboka. Ahitsio
Kibontana: a: Fivontosana, fibibahana. 1 t.if: Mikibontana. Ahitsio
Kiboriborina: (kiboribory) mt ih.: Atao kiboribory. Ahitsio
Kiboribory: (kibory) p. t: Ma-nana endrika vorivory tahaka ny baolina na ny voasary. Ahitsio
Kibory: a.: Ilazana izay zavatra boribory na mivongovongo. ? F,-p.: Kiborim-boatauo: ny voam-boatavo vao mandatsaka ka mbola eo ny voniny. / Kiborim-barahina: fonjambarahina boribory. J Kiborindakolosy: ilay metaly lavalava misy boriborfny mipaika amin'ny vatan-dakolosy ka mampaneno azy. / Kiborintany: tany avoavo mivohitra ampovoan'ny lemaka. / Kiborin-taretra: tantra iray vorenana. Ahitsio
Kibory: a: Anaran'ny fasan'ny Antesaka, izay misy toa karazan-trano efa-joro lehibe ka hita mifanongoa eo ny razana. (Ny lehilahy dia mitandahatra amin'ny lafiny avaratra, ny vehivavy amin'ny la• fmy atsimo, ka miantsinanan-doha avokoa izy rehetra; tsy mahazo miditra ny kibory ny olona rehetra tsy Antesaka, ny zaza tsy Antesaka na ny rainy na ny reniny, ny Antesaka nanan hadisoana lehibe ka efa nahataky ny foko fahavelony, ary ny lehilahy Antesaka tsy mifora). Ahitsio