Taritarika | : | (fr. tartrique) a.: A-sidra mahery.
Ahitsio |
Taritina | : | (tarika) mt. ih. (tarito): Sintonina: Taritin'ny soavaly ny kalesy.
Ahitsio |
Taroka | : | sy Tarotaroka a.: Tai-moka na tsirin-javamaniry mbola tanora vao nitrebona, na ny ravina maitso vao namelana. - t.i.f.: Manaroka / anarohana, fanarohana / mitaroka, fitaroka. ¶ M.h.: Tsimoka, laingo.
Ahitsio |
Taroma | : | (Ski) a.: Hazo meloka mivolantsinana atohitohy hametahana ny hazofisaka amin'ny fanaovana botry.
Ahitsio |
Tarozaka | : | a.: Toetran'ny zavatra lava miraviravy, misy miramborambo eo am-pihantonany. - t.i.f.: Mitarozaka, fitarozaka.
Ahitsio |
Tarozaroza | : | a.: Jar. Tarozaka.
Ahitsio |
Tary | : | (fit.-p.) a.: Amponga lehibe indrindra sady lava eto Madagasikara: mitovitovy amin'ny n'lapa izy (hoditra tokana eo amin'ny tendrony ambony), saingy avo be: 1,50 metatra. Izy no midoboka voalohany indrindra vao maneno daholo ny amponga rehetra miaraka aminy sy ny zavamaneno ka izany no iantsoana azy hoe "tary" (mitarika lanonana); misy koa milaza hoe Ampongatary,
Ahitsio |
Tary | : | (Mer.) a.: Ny kely indrindra amin'ireo amponga efatra nampiasaina tamin'ny famorana ka natao hipetrahan'ny zaza hodidiana.
Ahitsio |
Tary' | : | p. mt.: Endriky ny mpamaritra matoanteny milaza toerana "aryr" raha enti-milaza ny lasa: Tari, Ankadindambo izahay afakomaly. Avy ar?: Efa tari, ue ianao?
Ahitsio |
Tasiaka | : | p. t.: Fisaka marivo aty, saliaka, talesaka.
Ahitsio |
Tasy | : | (fr. tasse) a.: Villa kely atao tsikalan'ny kaopy: Tasin-kafe.
Ahitsio |
Tasy | : | (fr. tache) a.: Pentina mandoto: Tsy sahiko entina io lambako io fa misy tasy.
Ahitsio |
Tatafoka | : | a.: Fahapotrahana mitsotra mivalandotra amin' ny tany (jer. Tatavoka). - t.i.f.: Miantatafoka.
Ahitsio |
Tatahana | : | (tataka) mt. ih. (tataho): Didiana na rovitina manaraka ny lavany: Notatahan'ny ankizy ny kibon' ny tanalahy, / Asiana loaka na banga na tatatra: Notatahan'ny fokonolona haingana tao Ananona ny rano fa efa saiky uaky ny fefiloha.
Ahitsio |
Tatàka | : | a.: Paipaika kely mitohitohy; pipika heno rehefa manantsody landy. - t.i.f.: Atatàka / manatatàka / mitatàka.
Ahitsio |
Tataka | : | p.t.: Rovitra somary lavalava, mitsifaka: Tataka ny zipony. 1 Misy banga na tatatra na loaka somary lava-lava: Tataka ny fefiloha ka lasa namonjy daholo ny uatan-dehilahy, 1 Nahafahana betsaka (harena), foan-tanana, lany harena: Tataka ny haren-dRakoto. / Tataka Ra-koto. - t.i.f.: Tatahana, atataka, voatataka / manataka, fanataka, mpanataka / anatahana, fanatahana / mitataka, fitataka, mpitataka / itatahana, fitatahana / mahatataka.
Ahitsio |
Tatamo | : | a.: Voninkazo volomparasy, vonin'ny voahirana, izay misandrahaka mahafinaritra eny ambony rano: Tatamo anie aho ka tatamo, tatamo am-parihin-dRasahala: raha tezitra, miara-mihodina; raha faly, miara-mirona (haintenin'ny Ntaolo).
Ahitsio |
Tatao | : | (Atm) a.: Harona hasiana ny vary voajinja.
Ahitsio |
Tatao | : | o.: Izay rehetra toa mandondona eo ambony Ioha, toy ilay hazo eo ambonin'ny tolana atao hoe: "tataombaravarana", 1 Vola ambonin'izay efa raikitra: Mbola nasiana tataony indray ny hetra, ka nimenomenona ny uahoaka. 1 Vary amin-dronono tondrahan-tantely izay nololohavina kely aloha vao nohanina tamin'ny firariana amin'ny andro fandroana. - t.i.f.: Tataovina, atatao, voatatao, tafatatao / manatatao, fanatatao, mpanatatao f anatataovana, fanatataovana f mitatao, fitatao, mpitatao / itataovana, fitataovana f mahatatao. * Tataon-karama: fanampin-karama raisina.
Ahitsio |
Tataovina | : | (tatao) mt. ih. (tataovy): Asiana na ametrahana zavatra eo amboniny.
Ahitsio |