Tampodina | : | (tampody) mt. th. (tampodio): Zairinamandroso sy miverina.
Ahitsio |
Tampody | : | a.: Teny ilazana ny fiverenana amin'ny toerana nialana ny androtr'inY ihany. ? Fomba fanjairana mandroso sy miverina toy izao: atsofoka eo aorian'ny nivoahany ny fanjaitra, dia avoaka indray kosa eo alohan'ny nivoahany, ary dia toy izany hatrany. * t.i.f.: Tampodina, atampody, voatampody, tafatampody 1 manatampody, fanatampody, mpanatampody / anatampodiana, fanatampodiana / mitampody, fitampody, mpitampody 1 itampodiana, fitampodiana / mahatampody.
Ahitsio |
Tampohana | : | (tampoka) mt. pdr. (tampohy): Ampiana rano: Nahoana no notampohanao rano ity ronono ity?
Ahitsio |
Tampohina | : | (tampoka) mt. ih. (tampohy): Tratrarina tampoka, sovohina: Notampohin' ny fahaua?o ny tao an-tandna.
Ahitsio |
Tampoka | : | a.: Fanampiana rano mangatsiaka ny rano mafana mba hampangatsiatsiaka azy, na hanatsatsoana fisotro mahery amin'ny fanampiana rano azy. * t.i.f.: Tampohana, atampoka, voatampoka, tinampoka / manampoka, fanampoka, mpanampoka / anampohana, fanampohana / mitampoka, fitampoka, mpitampoka / itampohana, fitampohana.
Ahitsio |
Tampoka | : | p. mt.: Tsy nampoizina: Tonga tampoka Rakoto. ? Vetivety foana: Tampoka foana tao, avy ny orana, ka kotsa izahay rehetra. * t.i.f.: Tampohina, voatampoka, tinampoka / manampoka, fanampoka, mpanampoka / anampohana, fanampohana / mahatampoka.
Ahitsio |
Tampona | : | a.: Ny faritra avo indrindra amin'ny zavatra iray: Ny tampon'ny tendrombohitr'Ankaratra no atao hoe: Tsiafajavona h. o.: Ny fara tampony ambony, ny fanaperana: Tonga amin'ny tampon'ny voninahitra izy. - t.i.f.: Tamponana, atampona, voatampona, tinampona / manampona, fanampona, mpanampona 1 anamponana, fanamponana 1 mahatampona.
Ahitsio |
Tamponana | : | (tampona) mt. ih. (tampony): Asiana eny antampony; jerena avy eny antampony.
Ahitsio |
Tamy | : | mt. p.: Avy, manatona, mby efa ho tonga: Inty tamy i rainao.
Ahitsio |
Tamy | : | a.: Loaka, na hirika ataon'ny mpangalatra amin' ny rindrina, ? Fananihana, fandrobana fananana amin' ny tsy ampoizina. 6 Tamina, voatamy 1 manamy, fanamy, mpanamy 1 anamiana, fanamiana / mahatamy.
Ahitsio |
Tamy | : | ppk.: Filazana ny lasa amin'ny hoe: Amy: Tonga tamin'ny Alatsinainy izy.
Ahitsio |
Tana | : | a. sady mt. ih.: Tazona, fihina, geja amin'ny tanana. • t.i.f.: Tanana, atana, voatana / mitana, fitana, mpitana/ itanana, fitanana/ mahatàna 1 tantàna 1 tantanana, atanana, voatanana / mitantana, fitantana, mpitantana.
Ahitsio |
Tana | : | a.: Biby mandady, irainjehy na 20 sm eo ho eo ny halavany, manan-toetra manokana fa afaka miovaova volo arakaraka ny toerana misy azy ka sarotra avahana amin'ny manodidina — Ny lahy aminy dia atao hoe tanalahy ary ny vavy tanavavy, izay mbola manana anarana maso arakaraka ny maha-tanora na zokinjokiny azy: Soamarandrana, Kamora, Kamaitso, Kam arabe. * Ohab.: Manao dian-tana: jerena ny aloha, todihina ny aoriana: entina hilazana ny olona malina, fatra-pitandrina amin'izay rehetra ataony.
Ahitsio |
Tana | : | a.: Ilazana ny olona raha miteny momba azy ihany na manao asa ho azy ihany izy: Miheui-tena ho tapi-pahaizana Rangahy io. / Namono tena, hono, Rabe. / Tsy naniraka olona izy fa ny tenany mihitsy no tonga. • Ny vatana: Mararirary be ihany ny tenako rehetra. • Ny maha-izy ny zavatra iray; ny votoatin-javatra iray: Azo sarahina roa ny tenon' ny rano. ? p. mt.: Tokoa, marina, mihitsy: Tana volamena ity fa tsy ankosotra akor?.
Ahitsio |
Tanahina | : | na Tananahina na Tanarahina (tanaka: tsy fampiasa) mt. ih. (tanaho, tananaho, tanaraho): Zohina sy enjehina tsy an-kijanona: Tanarahin 'n y tompon-trosa foana Rangahy io ka mita ho uoa ny lohany.
Ahitsio |
Tanàka | : | p. t.: Gaga, zendana, ilazana olona mahita zavatra mahavariana ka mivanaka, mitanatana ny vava. - t.i.f.: Atanaka, voatanaka, tafatanaka / mitanaka, fitanaka, mpitanaka / mitananaka.
Ahitsio |
Tanala | : | a.: Foko lehibebe, mitoetra amin'ny tany misy ny havoanan'Ikongo rakotr'ala izay manapaka azy hatrany avaratra ka hatrany atsimo, ary voafaritry ny tanin'ny Betsileo, andrefana; ny Betsimisaraka sy ny Antambahoaka, sy ny Antaimoro ary ny Antaifasy, atsinanana, ary ny ony Manampatrana, atsimo; mivelona amin'ny vokatry ny ala ny Tanala; tanàn-dehibe: Ambohimanga atsimo, Ivohibe, Ifanadiana.
Ahitsio |
Tanalahinala | : | a.: Karazana ta-na lehibe rakotra votsy ary misy sanga toa mandondona ny lohany.
Ahitsio |
Tanan'akanjo | : | faritry ny akanjo manarona ny sandry. / Tanan-daua: zavatra ifanoloran'ny olona mitandahatra maromaro an-kamindrafïndra. / Tanan-kodia na tanankodiarana: ireo hazo misandrahaka avy eo amin'ny foiben-kodiarana. / Tanan'iuoho: taovolom-liehivavy izay ataony toy izao: bangoiny misaraka roa ny volony dia alaminy any an-katoka. / Tanan-tohatra: ny zana-tohatra. / Tanan-tsotro: fitoerantsotro mihantona. * Ohab.: Maro foana toa tanam-poza: betsaka nefa tsy i-laina satria tsy hita izay asa ataony avy.
Ahitsio |
Tanàna | : | a.: Vohitra lehibe misy arabe migodana sy trano lehibe voalahadahatra arapomba mahafinaritra ny maso ary kianja malalaka isankarazany: Mipetraka any antanàna izy fa tsy et? ambanivohitra. ? F.-p.: Tanàna masina: toerana nonenan'ny razan'Andriana fahiny ka nohajain' ny Ntaolo fatratra, manana ny fadiny, nangalana rano amin'ny Fandroana nihasinan'ny mpanjaka.
Ahitsio |