Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitoky: (toky) a,: Fomba entina mitoky, miantehitra, ma-nana fitokiana. Ahitsio
Fitoky: (toky) a,: Fomba entina mitoky na mamosavy, manrorika. Ahitsio
Fitola: (tola) a.: Toetran'ny zavatra mitola, mirona, mitongilana. Ahitsio
Fitolahana: (tolaka) a.: Fivohan'ny varavarana. Ahitsio
Fitolaka: (tolaka) a.: Toetran' ny varavarana mitolaka, mivoha. Ahitsio
Fitolana: (tola) a.: Fahatofohana; firaikana, fitongilanana. Ahitsio
Fitolantsihana: (tolantsika) a.: Fihantsihana, filantsihana. Ahitsio
Fitolantsika: (tolantsika) a.: Toetran'ny olona na zavatra mitolantsika, milantsika, mihantsika, miforitra miaoriana ny ambony ary mandroso ny anoloana. Ahitsio
Fitolatola: (tolatola) a.: Toetran'ny olona na zavatra mitolatola, midoladola, mihevingevina. Ahitsio
Fitolatolana: (tolatola) a.: Fihevingevenana, fidoladolàna. Ahitsio
Fitolefika: (tolefika) a.: Toetran'ny zavatra mitolefika, mirona na mihilana kely. Ahitsio
Fitolila: (tolila) a.: Toetran'ny zavatra na olona mitolila, na mandringa, mitoletsika. Ahitsio
Fitolilana: (tolila) a.: Fandringàna. Ahitsio
Fitolitsika: (tolitsika) a,: Toetran'ny olona na zavatra mitolitsika, mandringa. Ahitsio
Fitoloko: (toloko) a.: Fomba entina mitoloko, mitaraindraina. Ahitsio
Fitolokoana: (toloko) a.: Fitaraindrainana. Ahitsio
Fitoloky: (toloky) a.: Fomba entina mitoloky, mihomehy somary tanana. Ahitsio
Fitolomana: (tolona) a.: Fibedana, fanodidinana amin'ny san dry. Ahitsio
Fitolona: (tolona) a.: Fomba entina mitolona, mibeda, manodidina amin'ny tanana. Ahitsio
Fitomamotamo: (tomamotamo) a.: Toetran'ny zavatra vonivony tanora mahafinaritra. Ahitsio