Teny nampidirina farany

Famahoahana
[admin]
: (vahoaka) a Famoriana olona vitsivitsy mba hiasa sy famahanana azy avy eo. ? Fametrahana ho takatry ny vahoaka, fampielezana amin'ny vahoaka : A-nisan'ny zaua-dehibe eo amin'ny fampandrosoana ny famahoahana ny fampianarana. Ahitsio
Famaho
[admin]
: a. : Karazan-javamaniry fanao ody nify ny fakany. Ahitsio
Famahazana
[admin]
: (fahy) a. : Fanatavezana. Ahitsio
Famaharana
[admin]
: (fahatra) a. : Famikirana, fitokonana tsY mety mandeha. Ahitsio
Famahanan-tenona
[admin]
: a. : Zavatra horonan'ny kofehy atao fahan' ny tenona ka atsofoka ntifandimbindimby avy ankavanana sy avy an-kavia rehefa manenona. Ahitsio
Famahanana
[admin]
: (fahana) a : Famikirana, fisarangotana amin'ny zavatra iray mba tsy hianjera. Ahitsio
Famahana
[admin]
: (uaha) a : Fanaborahana; fanalana fatorana; fanatsoahana, fanapahana (fanekena) . Ahitsio
Famaha
[admin]
: (vaha) a : Fomba entina mamaha, manala fatotra : Atao ahoana no famaha it9 tady kely ity 0 Ahitsio
Famafazana
[admin]
: (fafy) a. : Fanapariahana voa amin'ny tany mba haniry, na fanapariahana rano amin'ny tanana mba hoenti-manamasina. Ahitsio
Famafanana
[admin]
: (fafana) a : Fandraraham-pofona manitra. Ahitsio
Famafana
[admin]
: (fafa) a : Fanesorana ny loto, ny fako ; na zavatra entina hanesorana ny loto, ny fako : Ilay kifafa bory no famaf ana ny lalantsara Ahitsio
Famadika
[admin]
: (vadika) a : Fomba entina mamadika. • p.t. : A-' zo avadika : Ny sakaiza tiana tsy mba famadika. Ahitsio
Famadihana
[admin]
: (vadika) a : Fomba arahin'ny foko malagasy sasantsasany ho mari-panajana ny Razana sy fangatahampitahiana aminy. Misy karazany roa ny famadihana: fitondrana ho ao am-pasandrazana ny taolambalon'ny olona maty tany an-tany la-vitra nalevina tamin'ny fasana aniritra fotsiny; / famonosan-dambamena isaky ny dimy, fito na foin tanna, ireo maty milevina ao amin' ny fasan-clrazana. Ahitsio
Famadihana
[admin]
: (vadika) a. : Fanaovana zavatra hiamboho, na hivadika ka ny ambony lasa ambany. • Fampisehoana ny ila na lafiny tsy mbola niseho : Ianao no hampiandraiketina ny famadihana ny boky. ~ Fiovan'ny olona nitokisana nanjary mpamely na fahavalo : Ny famadihana tanindrazana no isan'ny heloka bevaua indrindra. Ahitsio
Famadiditra
[admin]
: (vadiditra) a. : Fomba entina mamadiditra, Ahitsio
Famadidirana
[admin]
: (vadiditra) a. : Fandadinana. Ahitsio
Famadidirana
[admin]
: (fadiditra) a : Fanorongoronana. Ahitsio
Famaboana
[admin]
: (babo) a : Fakana ho babo; fandrobana; fakana ho onitra. Ahitsio
Famaboaboana
[admin]
: (abo) a. : Fanavoavoana, fanaingaingana, fanamboniana, fiderana fatratra, fankalazana izaitsizy; fanondrotana, fampakarana. Ahitsio
Famaboabo
[admin]
: a.: Fanavoavo, fanaingainga, fanambony; fidera fatratra; fanondrotra. Ahitsio