Teny nampidirina farany

Elezina
[admin]
: (ely) mt.ih. (elezo) : Ahahaka, aparitaka amin'ny toerana manodidina : Elezin' ny riuotra ny uouoka. / Aparitaka, atao manerana ny toerana iray : Elezo amin'it? tsihy id ny vary. Ahitsio
Elektrisite
[admin]
: (fr. électricité) a. : Anarana nomena ny hery anankiray izay tsy fantatra ny momba azy afa-tsy amin'ny asany sy ny toetranY sasantsasany, toy ny fisintonanY zavatra, fiterahany hazavana na hafanana, na fanovana zavatra ara-pomba simika; no-ho ny fahatsapana ny fitovian' ny hery aman-toetoetran' ny elektrisite amin'nY an'ny varatra dia nomena anarana hoe herimbaratra koa izy. Ahitsio
Elefanta
[admin]
: (fr. éléphant) a. : Biby makadiry indrindra amin' ny biby an-tanetY, milanja hatramin'ny 5 taonina. (Ny elefanta izay tsy fahita afatsy any Afrika sy any Azia dia manan-koditra matevina; ny nifiny anoloana ambony dia miranirany lava lehibe ataony fiarovan-tena arY no-mena anarana hoe uangin'elefanta; ny molony ambony kosa lava mitarozaka ka ampiasainY ho organa fandraisan-javatra; mety ho velona mandritra ny 100 taona ny elefanta). Ahitsio
Elatra
[admin]
: a. : Solon-tsandrY ahafahan'ny vorona manidina rehefa akopakopanY ka mikapoka ny rivotra : Vorona fohy elatra ny akoho. • H. i. : Enti-milaza ny fisokatry ny lamba sy ny fikombony indray. Anarana omena ny karazan-karatra lalitra, na mate tika koa karazan-karatra tsy nananana raha milalao karatra. - t.i.f. : Elarina na elatina, tafaelatra, voaelatra, aelatra 1 mielatra, fielatra 1 ielarana, fielarana I mahelatra. - F.-p.: Elatr'angidina: lamba manify karaxavina. / Foy elatra: manomboka haniry ~ elatra. / Tapaka elatra: tsY afaka mandeha, tsy afaka manao na inona na inona intsony fa tsy manam-Pitaovana. / Manintsana elatra: enti-milaza ny voronkely miofo, izay mihintsana ny elatra manify nentinY hatramin' nY nahafoizanY ka mi-solo elatra mafy sy matevina. Ahitsio
Elarina
[admin]
: na Elatina (elatra) mt. ih. (elaro) : Sokafana, velarina (elatra, lamba...). Ahitsio
Elanelanina
[admin]
: (elanelana) mt.ih. (elanelano) : Misy...eny anelanelany : Elanelanin'ny paiso ny pibasy any amin'ny tanim-boankazonay. 1 Akana mpanelanelana, mpitsara : Noelanelanin-dRakoto ny adin-dRauao sy Ramavo. Ahitsio
Elanelana
[admin]
: a, : Ny afovoany : Ny fanondroadala dia eo anelanelan' ny fanondro sy ny monarapoana. 1 Ny tsy itoviana : Ny elanelan'ny 9 sy ny 4 dia 5. 1 Halaviran-toerana mampisaraka zavatra na tanàna anankiroa Be elanelana loatra ireto andry ireto. /Ohatrinona ny elanelan'Antananarivo sy Ambohimanga?. 1 Ny eo afovoan'ny roa tonta ka tsy momba ny atsy na iroa : Aoka fa ianao no ho elanelan'ny adinay. - t.i.f. : Elanelanina 1 manelanelana, fanelanelana. mpanelanelana I anelanelanana, fanelanelanana I mielanelana, fielanelana, mpielanelana 1 ielanelanana, fielanelanana. ¶ M.h. : Elanelana, alanalana, ebanebana, evanevana, tsy an' nY acsY tsY an' nY aroa, tsy momba ny atsY tsY momba ny aroa, aloalo, tamotamo elanelan-tsoratra. Ahitsio
Elakelaka
[admin]
: a, : Ny elanelan'ny zavatra anankjroa : Elakelatrano. Ahitsio
Elakelahana
[admin]
: na Elakelahina (elakelaka) mt.ih. (eiakelaho): Endahana tsirairay isan'elakelaka. Ahitsio
Elaka
[admin]
: Elakelaka a. : Silaka, elatrelany mihofakofaka na miendaka amin'ny zavatra iray, - t.i.f. : Elakelahana na eiakelahina, aelakelaka, voaelakelaka, tafaelakelaka 1 manelakelaka, fanelakelaka, mpanelakelaka / anelakelahana, fanelakelahana /mielakelaka, fielakelaka, mpielakelaka J ielakelahana, fielakelahana / mahelakelaka. Ahitsio
Elaina
[admin]
: (ela) mt.ih. (elao) : A-hemotra : Noelaina ny raharaha Ahitsio
Eladrano
[admin]
: a. : Zavatra mielakelaka mamirapiratra hita any anaty tany ka anaovana karazan-javatra maro sarobidy. Ahitsio
Elabakaka
[admin]
: a. : Anarana orne-na ny fonon'ny tsinay. Ahitsio
Ela
[admin]
: p.t. : Be taon, zoky : Ela kokoa ianao noho i dada. / E-fa ela dia ela it? hazo ity izany. 1 Mijanona maharitra : Nahoana no ela tany an-tsena ianao? /p,mt. : Tsy haingana : Ela uao vita ny sakafonareo izany. / Maharitra fotoana lava : Velona ela, hono, ny uoay. - t.i.f. : Elaina / manela, fanela, mpanela J anelana, fanelana J mahela, fahelana. - F.-p. : Ela ny ela : enti-milaza zavatra tonga na niseho rehefa nandrasana naharitra : Ela ny ela ka tonga ny fahaleovan-tena. / Ny ela mahareroy (na maharay roa) : ny fitoerana amin'ny toerana iray ela be na ny fiasana amin'ny zavatra iray maharitra dia mahatonga tsy hahomby intsony. /Izay ela be tsy faingana izay : enti-milaza fotoana maharitra aoka izany, l Ela fanao zauatra : votsa fanao zavatra, j Tay tontan'ny ela : enti-milaza zavatra mafy tsy simban'ny andro sy ny tanna. / Ho ela velona anie : enti-mirary fahavelomana, faharetan-javatra lava dia lava. Ahitsio
Ekose
[admin]
: (fr. Ecossais) a.: Ny firenena monina amin'ny tanin'i Ekosy, avaratra andrefan'i Angletera: Malaza ho fatra-pitaitsy lozantany ny E-kose, 1 p.t.: Mikasika an'i Ekosy, an'i Ekosy na avy any Ekosy: Hafa kely ny akanjon'ny lehilahy ekose. Ahitsio
Ekoatorianina
[admin]
: (fr. Equator(en) a.: Ny firenena tompon-tany any amin'i Ekoatera (A-merika atsimo): Ny fambofena kakao no voaloham-bokatry ny Ekoatorianina 1 p.t.: Momba an'i Ekoatera, an'i Ekoatera na avy any Ekoatera: Ny mponina ekoatorianina. Ahitsio
Ekoatera
[admin]
: (fr. équateur) a.: Ts'rpika iray heverina ho manodidina ny bolan-tany eo afovoanY ka manasaka azy tsara, mitovy elanelana amin'ny tendrony atsirno sy avaratra. Ahitsio
Eky
[admin]
: na Aiky ft. : Enti-milaza tsy fandavana na fanarahana izay lazaina amin'ny tena; fanoavana na fankatoavana didin'ny lehibe; fiaikena na fibabohana. - t.i.f. : Ekena, voaeky / maneky (maneke) na manaiky (maneke), fanaiky, mpanalky 1 anekena, fanekena / miaiky na mieky (mieke), fiaiky, mplaiky / iekena, fiekena. Ahitsio
Ekena
[admin]
: (eky) mt.fh, (ekeo) : Tsy lavina, ankatoavina : Nekena ny fangatahanao ka mifalia. Ahitsio
Ekany
[admin]
: p.mt. : Asolon'ny olona ny Eny raha mamaly sady mitovy hevitra aminy rahajteo : Hiainga rahampitso ihany ue ianao Ekany! Ahitsio