Teny nampidirina farany

Fahy
[admin]
: a.: Fanatavezana ny biby ompiana : Tsy nataonao tsara fahy it? omby it? ka mahia. - t.i.f. : AfahY, voafahY f mamahy, famahy, mpamahy / amahazana, famahazana/mifahy, fifahy, mpifahy / ifahazana, fifahazana / mahafahy, Ahitsio
Fahetse
[admin]
: na Karija (Ski) a. : Marika atao amin' ny sofin' ny omby hahafantarana ny tompony na ny fianakaviana niaviany. Ahitsio
Faherezana
[admin]
: (hery) a. : Herimpo, havitrihana, harisihana. Ahitsio
Faheniny
[admin]
: a. : Famarana ampahenin'ny vary iray (20 1). Ahitsio
Fahenina
[admin]
: Enti-milaza ny laharana manarakaraka ny fahadimY. Ahitsio
Fahempohe
[admin]
: (Ski) a : Vala famandrihana voay, lambo. Ahitsio
Fahelana
[admin]
: (ela) a. : Toetran'ny zavatra ela : Sosotra tamin' ny fahelan'ny vola karamany izy ka naleony niala. Ahitsio
Fahefatra
[admin]
: (efatra) p.i. : Entimilaza izay mitana ny lahaxana aorian' ny fahatelo : Ny aurily no volana fahefatra amin'ny tanna. Ahitsio
Fahefany
[admin]
: (efatra) a. : Ampahefatry ny famarana antsoina hoe vata, izany hoe tokotokony ho dimy litatra eo ho e o amin' ny filazam-patra ankehitriny : Nividy vary eran' ny fahefany aho fa tsy nisy hatokona akory tao an-trano. Ahitsio
Fahefana
[admin]
: (efa) a. : Fahazoana manao zavatra: Tsy manampahefana hitsara ahy ianao. ? Hery ananana : Loza ny fahefan'ny vola. ? Fahazoana mandidy : Ny fahefan'ny ray. ? Fanjakana, fifehezana : Nisy fotoana nampaneken'ny firenena vitsivitsy ny antsasak'izao tontolo izao teo ambany fahefany. Ahitsio
Fahazokiana
[admin]
: na Fizokiana (zoky) a. : Tombin'ny maha-zoky. Ahitsio
Fahazarana
[admin]
: (zatra) a. : Fomba zary toetra noho ny fanao miverimberina; toetra azo amin'ny famerimberenana zavatra na asa matetika. - F.-p. : Entim-pahazarana : tsy ny saina na ny sitrapo no mitondra fa ny fahazarana f otsiny. Ahitsio
Fahavodivodiana
[admin]
: (vodivodiana) a. : Fampamahimahiana. Ahitsio
Fahavoazana
[admin]
: (voa) a. : Zavamihatra nampiditra fahasahiranana : Loza ny fahavoazako fa hadinoko ny nanisy lasantsy ny fiara talohan'ny hiaingàna. ? Faty antoka : Telo alina ariary no fahavoazan-dRabe tamin'ilaY haintrano iny, Ahitsio
Fahavirjiniana
[admin]
: (virjiny) a . Toetran' ny olona, fa indrindra ny vehivavy, mbola tsy nahalala ny firaisana ara-nof o. Ahitsio
Fahavelomana
[admin]
: (velona) a.: Fotoana iainana : Nanao soa ny mpiara-belona aminy izy nandritra ny fahavelomany. - F.-p. : Fotoana ahavelomana : fotoana iterahan'ny vehivavy (noho ny fahasarotan' ny fiterahana, dia noheverin' ny Ntaolo fa io fotoana io dia mety hahavelona na hahafaty ). Ahitsio
Fahavarianana
[admin]
: (variana)a.: Fahasondrianana, fifantohan' ny saina amin'ny zavatra anankiray ka hadino ny zavatra rehetra. Fahavarianampanahy: Fifantohan'ny saina amin'ny fivavahana ka hadino ny zavatra rehetra manodidina ny tena. Ahitsio
Fahavariana
[admin]
: (variana) a, : Toetran'ny zavatra mahavariana. Ahitsio
Fahavaratra
[admin]
: (varatra) a. : Fizaran-taona manarakaraka ny lohataona, manomboka a-min' ny novambra ka miaf ara amin'ny zanvie, izay ahitana ny orana avy tsikelikely aloha, dia mampireny miaraka amin'ny varatra izay mikotrokotroka izaitsizy. Ahitsio
Fahavarana
[admin]
: Piatra) a. : Fahakarakarana na fahakolokoloana fatratra mandrakariva; fahazotoana amin'ny fitandremana sy fanaovana izay hahasoa : Ny fahavarana no ananana zavatra madio sy mateza. Ahitsio