Teny nampidirina farany

Erana
[admin]
: (era) mt.ih. (erao) : Angatahan-dalana : Erao kely a-ho fa tsY afaka hia+a anio. Ahitsio
Eraina
[admin]
: (era) mt.ih. (erao) : Enti-milaza vehivavy izay entin' ny mpanelanelana ho an'ny lehilahy iray. Ahitsio
Erà
[admin]
: a. : Ambony; toerana iavian'ny rano mikoriana, mifanohitra amin'ny titra : Avy any erà no nidina ity lakana ital. Ahitsio
Era
[admin]
: a. : Fangatahana na fiangaviana lalana alohan' ny hanao zavatra : Efa vita era tsara tamin'ny rainao ve ny handehananao? - t.i.f. : Erana / miera, fiera, mpiera / fierana, ierana. - F.-p, : Alaina era : erana, angatahan-dalana. / Eran'ny be sy ny maro : ankasitrahana, eken'ny be sy ny maro. / Lany era : efa nifanarahana tsara. Ahitsio
Era
[admin]
: a. : Enti-milaza fifampiraharahana na fanalalanana. 1 t.i.f. : Eraina, voaera / manera, fanera, mpanera / anerana, fanerana. Ahitsio
Epo
[admin]
: a. : Teny entin'ny mpitaingina bisikilety hampitandrina ny mpandeha an-tongotra sao voadona. Ahitsio
Epistola
[admin]
: a. : Ireo soratra nalefan' ny Apostoly tain in' ny andro voalohany ho an'ny mpitondra fiangonana sy ireo mpiangona kristianina : Efa uoauakinao ve ny Epistolàn'i Md. Paoly ho an'ny Romanina f Ahitsio
Epistily
[admin]
: a. : Taratasy ampitondraina. Ahitsio
Episkopaly
[admin]
: (fr. épiscopal) p. t.: (Fiv. kat.) Momba ny eveka, an'ny eveka: Kaonferansy episkopaly. Ahitsio
Eoropeanina
[admin]
: (fr. Européen) a-: Ny fitambaran'ny firenena 33 eo ho eo monina any amin'ny tanin'i Eoropa, izay anisan'ny fizaran-tany lehibe dimy eto amin'izao tontolo izao. ? p, t.: Mikasika an'i Eoropa, an'i Eoropa na avy any Eoropa: Maro karazana ny teny eoropeanina. Ahitsio
Eokiomenika
[admin]
: (fr. oecuménique) p. t. : Momba ny firaisam-pinoana: Fanopoam pivauahana eokiomenika - F.-p.: Kaonsily eokiomenika: fivorian'ny eveka rehetra eran-tany (Fiv. kat.). Ahitsio
Eokaristia
[admin]
: a. : (Fiv, kat.) Sakramenta misy ny tenan'i Jesoa-Kristy, mbamin'ny fomban' Andriamanitra ao aminy, takon'ny endriky ny mofo sy ny divay. (Fia. pro t.) Araka ny fampianarana protestanta kosa, ny Eokaristia dia fahatsiarovana ny fanasan'ny Tompo fotsiny ka antsoina hoe mofom-pandraisana. Ahitsio
Eo
[admin]
: p,mt. : Milaza toerana akaiky taza-maso ka tondroina, mifamaly amin' ny ao raha tsy taza-maso fa takona : A-petraho eo ambony latabatra ny bokinao. (Apetraho ao an'efitra avaratra ny bokinao). Matetika no azo averina indroa, aloha sy aorian' ny anarana tondroiny, ny eo : Mipetraha eo ambony seza eo, ary raha milaza ny lasa ny fehezan-teny dia tovonana t izy : Niresaka teo izahay anikeheo, 1 ai. f. : Mankeo, mpankeo. Ahitsio
Entina
[admin]
: mt. ih, (ento): Ilazana zavatra vimbinina na sakelehina na babena na lolohavina... ka afindra toerana miaraka amin'ny tena: Enta a-t? ny solomasoko, / Efa nentiny am-babena nankany amin'ny hopitaly ny zanany, ? Lasa, paohina: Nentin'ilay kary iny ny satroko, / Nentin'ny rivotra ny tafontrano, • Fehezina: Entin'ny fanjakana ny vahoaka. ? Anaovana: Akanjo madio no entin' ny olona amin'ny andro fety. ? Ampiasaina: Famaky no entiny mikapa taolana. * Fiten.: Entim-bavy: ilazana ny lehilahy baikoin'ny vavy ao an-tokantrano. / Entim-pahazarana: tsy mandeha ara-tsitrapo fa manaraka ny efa mahazatra fotsiny. / Fanjakana entim-bahoaka: fanjakana mijoro izay ny vahoaka no mitondra azy amin'ny aalalan'ny fifidianana an'izay hitarika sy hifehy. / Faty entin'alina: olona tsy mahalala izay itondrana azy akory. / Ganagana entina amin'ny tendany: ilazana ny olona tsy manan-tsitrapo fa izay itondrana azy dia alehany. / Nentim-paharazana: narahina hatramin'ny andron'ny razana. * Ohab.: Izay entim-belona enti-maty: ny toetra nananana tamin'ny andro niainana ihany no mbola tanana rehefa ho faty. Ahitsio
Entanina
[admin]
: (entana) mt. ih. (entano): Aingaina, bataina: Noentaniny mbola tsy ritra ny vary. ? h.o,: Hetsehina tampotampoka: Entanin-kafaliana ny foko. / Noentanin'ny hambompo izy ka nahauita zavatra tsy nampoizina. Ahitsio
Entana
[admin]
: a. : Zavatra entina amin'ny tanna : Mitondra entana mavesatra izy fa ampio. ? Ireo zavatra tsy misaraka amin' ny tena raha mivahiny na mifindra transi (akanjo, firakofana, fanaka...) : Aza hadinoina ny entanareo rehefa mivoaka ny fiaran-dalamby. ? Izay amidy ao ampivarotana (matetika anefa amin'ity hevitra ity, ampiana ny teny hoe Varotra): Aza kasikasihina na entako, ny entam-barotro, raha tsy hividy ianao. ? H. o. : Ohana miankina amin' ny tena ka velomina sy iadidiana : Entana ho azy tokoa ireo iray tam-po amin'ny vadiny mipetraka ao aminy. ¶ M.h. : Loloha. ? Ny faty entina halevina lavitra : Napetraka tao an'efitra madio ny entana raha vao tonga. ? Fehezan-javatra atao indray mi-tondra : Kitay tala entana (atao koa hoe anentana). - t.i.f. : Entanina, voaentana / manentana, fanentana, mpanentana / anentanana, fanentanana / mientana, fientana, mpientana / ientanana, fientanana. - F,-p.: Anentana: am-pehezana: Ataovy anentany dimy ireo mololo ireo, / Manao entan'olo-malaina (na entan'ny malaina) • enti-milaza olona mitondra entana maro indray mandeha mba tsy hiverimberenany, ka misy simba na vaky ireo entana ireo. / Manentan-tay ritra : (a.b.t. : mibdta vary na laoka ao am-bilany mbola tsy masaka na ritra) : manao zavatra maimaika. / Mitondra entana My voafehy : manao zavatra am-pirotorotoana, tsy ampitandremana. Ahitsio
Enjinenjina
[admin]
: a. : Fiandranandran'ny olona marna, misavoamboana na entanim-piavonavonana. Ahitsio
Enjina
[admin]
: ft. : Enti-milaza fihetsik' olona mamomamo na varivarin' ny toaka. - t.i.f. : Mienjina, fienjina / enjinenjina / mienjinenjina. Ahitsio
Enjika
[admin]
: a. : Fanarahana avy aoriana mba hanatratrarana : Enjika papelika. - t.i.f. : Enjehina, voaenjika / manenjika, fanenjika, mpanenjika / anenjehana, fanenjehana / mienjika, fienjika, mpienjika 1 ienjehana, fienjehana. Ahitsio
Enjehina
[admin]
: (enjika) mt.ih. (enjeho) : Arahina : Nenjehiko moramora avy aoriana ry zalahy. ? Tratrarina an-kazakazaka avy aoriana : Nenjehin' ny polisy ilay mpangalatra ka azony ihany nony afaka folo minitra. ? Asiana an-kolaka na mivantana : Tay fantatro izay ratsy nataoko fa enjehin'ny namako aho. ? Ampijalijalina, trandrahina hatraiza hatraiza Nenjehina aoka izany ny mpikambana anisan' ny VVS. Ahitsio