Teny nampidirina farany

Falina
[admin]
: Falifalina (faly) mt.ih. (folio, falifalio) : Atao tonga falifaly : Falifalina amin'ny fanomezana kilalao betsaka ny zaza vao avy natao hasoaoana. Ahitsio
Falimpo
[admin]
: a. : Vola na zavatra omena olona nanao asa ho an'ny tena, ambonin'ny karamany, mba ho mari-pankasitrahana noho ny soa nataony na kely na be. Ahitsio
Falihavanja
[admin]
: a,: Fibitahana sy fandihizana. - t.i.f. : Mifalihavanja. Ahitsio
Falia
[admin]
: na Vatofalia a. : Karazam-bato tena mafy izay ampifampipehina mba hahazoana pitik' af o. Ahitsio
Faly
[admin]
: Mahatsiaro fiadanam-po sy saina noho ny fahatanteraham-paniriana na fahazoam-pahasoavana ka mampiseho izany etp ivelany , amin'ny tsikitsiky na hira na dihy. 1 t.t.f. : Falina, falifalina, afalY I mifaly, fifaly, mpifalY 1 ifaliana, fifalfana ) mahafalY 1 mamalifalY. ¶ M.h, : Faly, ravo, mirana, mariaka, sariaka, somariaka, mintsimintsy, feno haravoana, dibo-kafaliana, sija, finaritra, diavolana ny fo, diavolana ny kibo, andihizam-papelika ny fo, afa-po, foladrairay. Mifaly, mibitaka, mipi-kelika, mihoby, miarahaba tena, mitaba, mitavana, mientan-kafaliana, mifalihavanja, miriaria, miriadriaka, mihavatravatra, mampandihy ampinga, mitsipy sandry. - F,-p, : Faly ambonin-doza: faly alohan'ny fotoana ka tsy mbola azo antoka akory ny antony nifaliana dia nivadika ho alahelo sahady, / Faly malahelo : sady faly no malahelo. / Falim-po (fer, io teny io) faly ravina, faly volony : faly ambony ihany : faly mahita ny raviny noho ny fanantenana fa tsy maintsy misy voany ao ambadika, na mahita ny volony fa hoe arakara-tarehy voa-javatra. / Faly sahirana : faly mahazo zava-tsoa nefa sahirana amin'ny fampiasana na fikarakarana azy. Ahitsio
Faleha
[admin]
: (leha) a. : Enti-milaza ny lalana na ny toerana andehanana mandrakariva, na ny olona avenfnamandrakariva : Any Ankadindambo no falehanay rehefa andro fitsangantsanganana. / Ry dadabe no falehanay any Antsahafiraisana. Ahitsio
Falaohy
[admin]
: (Ski) a. : Foto-drambon' ny hazandrano toy ny antsantsa, trozona. Ahitsio
Falano
[admin]
: a. : Karazan-tsaka avy any Kafra (Afrika). Ahitsio
Falana
[admin]
: Fala, Fela a, : Ny atiny amin'ny tongotra sy ny tanana, nahatonga ny hoe faladia sy felatanana. Ahitsio
Falafa
[admin]
: a. : Tahon-dravin'ny ravinala maina fampiasan' ny olona hatao rindrin-trano any amoron-tsfraka. Trano falafa : Trano vita amin'ny falafa. Ahitsio
Faladia
[admin]
: a. : Ny fanambanin'ny tongotra izay mandia tany. - F.-p, : Any ambany faladia : enti-milaza olona heverina ho tsinontsinona, ho ambany dia ambany miolotra amin'ny tena. Ahitsio
Falà
[admin]
: (Ski) a : Ilay hazo anantonana sy amatorana ny tadivavarana amin'ny fandri-borona. Ahitsio
Faktiora
[admin]
: (fr. facture) a.: Taratasy milaza ny vidin-iavatra vidina, izay enti-manamarina koa, raha ilaina, ny toerana sy ny vidiny nividianana azy. Ahitsio
Fakoina
[admin]
: (fako) mt.ih, (fakoy): Angonina, raofina (toy ny fako raofina rehefa avy mifafa trano). Ahitsio
Fako
[admin]
: a. : Tapatapak'ahitra sy bozaka na potipoti-javatra avy amin'ny fafa trano : Raofy, rankizy, ny fako fa aza avala hipetrapetraka eny a! • H.o. : Ambany, tsinontsinona : Fakon' olona : Olona tsfnontsinona, tsisy antony, indrindra ara-panahY sy ara toe-tsaina. ¶ M.h. : Faikan' olona, tsaikan' olona. - t.i.f. : Fakoina, finako, voafako 1 mifako, fifako, mpifako ) ifakoana, fifakoana 1 mahafako 1 fakofako. Ahitsio
Fakantsary
[admin]
: a.: Fitaovana ampiasaina hakana sary fôtôgrafia. Ahitsio
Fakana
[admin]
: (aka) a. : Fangalana : Fakana trondro. / Fakana kitay. 1 Fiantsoana : Fakana miaramila Ahitsio
Fakamitanahy
[admin]
: a. : Teny ilazana ny fitaomana ataon'ny fanahy ratsy mba hampahalatsaka ny olombelona amin' ny ratsy : Tsy nahatohitra ny fakam-panahy izy ka namiliuily ny uolam-bahoaka, ¶ MM. : Fitaoman-dratay. • Zavatra mitarika na mitaona mafy ny tena : Fakam-panahy lehibe ho azy io zaua-pisotro eo ambony latabatra io. Ahitsio
Dinihina
[admin]
: fotorana tsara: Tokony hofakafakaina tsara itS' raharaha ityf. Ahitsio
Fakaina
[admin]
: Fakafakaina (faka) mt.ih, (fakao, fakafakao) : Ahitsio