Efadafy [admin] | : | a. : Teny enti-milaza ankapobeny ny sary rehetra misy lafy efatra, toy ny efamira... Ahitsio |
Efa [admin] | : | mt. s. : Vita, voafarana, tapitra : Efa ny asa vao tonga ianao. 1 Tontosa, lavorary : Efako ny asa nampanaouina ahy ka miadan-tsaina aho. 1 Voaloa : Efa ny trosako izao ka faly aho. ? Mety ho vita : Efako io fa aza manahy ianao. 1 Voaonitra, voaverina : Efany ny halatra nataony ha nolefahan'ny fanjakana ny saziny. 1 p.mt. : Fampiasa eo alohan'ny matoanteny milaza ny ankehitriny na ny lasa na ny ho avy, saingy samy hafa ny heviny amin'izany : Eo alohan'ny milaza ny ankehitriny, ny efa dia milaza fa eo am-panaovana ilay asa : Efa mihinana izahay. / Eo alohan'ny milaza ny lasa, milaza fa efa vita tanteraka ilay asa : Efa nihinana izahay. / Eo alohan'ny milaza ny ho avy, milaza fa antomotry ny hanao ilay asa ny olona miteny : Efa hihinana izahay. i Lit : Efaina, voaefa f manefa fanefa, mpanefa / ana-fana, fanefana / miefa, fiefa / iefana, fiefana / mahefa / fahefana. Ahitsio |
Edrey [admin] | : | t.p. : Enti-milaza alahelo na tahotra : Edrey! mampalahelo izany nahavoa azy izany ! Ahitsio |
Edre [admin] | : | t.p. : Tenenina raha mahita zava-manaitra tsy nampoizina : Edre! inona re ito nataonao, anaka! Ahitsio |
Editay [admin] | : | t.p. : Eisy,isy! : Editay ! mandehana any ! Ahitsio |
Edinedina [admin] | : | a. : Mitovy amin'ny Edikedika. - t.i.f. : Miedinedina, fiedinedina, mpiedinedina / fiedinedenana, iedinedenana. Ahitsio |
Edikedika [admin] | : | a. : Famindra na fihetsika mampiseho fiheveran-tena ho zavatra; fandeha mampiseho fireharehana. i t.i.f. : Miedikedika, fiedikedika, mpiedikedika / iedikedehana, fiedikedehana. Ahitsio |
Edena [admin] | : | (fr. eden) a. : Toerana mahafinaritra izaitsizy honenana; paradisa na paradizy. Ahitsio |
Ededena [admin] | : | (edede) mt.ih. (ededeo) : Akoraina, tebahina : Ededena ny olona tsy valahara. Ahitsio |
Ede [admin] | : | Edede ft. : Entina manakora ny olona mampiseho toetra na fihetsika tsy fanao ampahibemaso : Edede! olona tsisy oarany izany marina! - t.i.f. : Ededena, voaedede / manadede, fanadede, mpanadede / anededena, fanededena. Ahitsio |
Ebo [admin] | : | Eboebo a. sady p.t. : Re-, hareha, rehaka, hakevohana, fisehoana ho mahay na ambony na manankarena noho ny hafa ka manambony tena noho izany; be rehaka, kevoka : Be ebo koa izany raha dlona! / Tsy tiako iny tovolahy iny fa ebo lahy loatra. - t.i.f. : Mieboebo, fieboebo, mpieboebo i ieboeboana, fieboeboana. ΒΆ M.h, : Eboebo, rehareha, edinedina, edikedika, ajokajoka, sehaseha, hakevohana. Be ebo, be beso, be vava, be rehaka, kasikasy, tia dera, tehoderaina, mampilahendrena, tia doka, doradora, lasanko vavany, tsy maty am-bavany, matavy an-delany, akoholahy fahavaratra, miajokajoka, mianjonanjona, mihambohambo, miehakehaka, mibohaka, miangiangy, midohaka, midohadoha, midokadoka, midihindihina, miadonadona, miadokadoka, mihadrahadra, miedinedina, miedikedika, mie taketaka, mideronderona, mirehaka, mirehareha, mibohy, miaingitraingitra, midehadeha, misehaseha, mitehateha, miaingiaingy, misandratsandratra, misavoamboana, mievotrevotra, mitehintehina, miiaiiay. Ahitsio |
Ebanebanina [admin] | : | (ebanebana) mt. ih. (ebanebano) : Arefarefa, ahofahofa. Ahitsio |
Ebana [admin] | : | Ebanebana ft. : Entimilaza fitondrana lamba mirefarefa, na mihofahofa toy ny lamba fihaingoana. - t.i.f.: Ebanebanina / miebana, fiebana, mpiebana / iebanana, fiebanana. Ahitsio |
Ebakebaka [admin] | : | :Jer. Hebakebaka. Ahitsio |
E [admin] | : | t.-p. : Entina miantso, ka atao : Eo alohan'ny anaran' ny olona itenenana : E! ry razana ato ambany rangolahy! / Eo aorian'ny anaran' olona antsoina tsy dia hajaina loatra : Ketaka e!. ~ t.-p, : Entina manamafy fa manaiky : Azonao ue izany? Azoko e!. / Eny e! tsy hataoko tsinontsinona ny toroheuitrao! Ahitsio |
E [admin] | : | Tarehintsoratra fahefatra ary zanatsoratra na zanapeo faharoa amin'ny abidy malagasy. Ahitsio |
Drondro [admin] | : | (Ski) a. : Habokana amin'ny biby. Ahitsio |
Dronadronaina [admin] | : | (dronadrona) mt.ih. (dronadronao) : Akifakifaka, atositosika, kizakizaina, ampijalina toy ny olomeloka. Ahitsio |
Dronadrona [admin] | : | ft. : Enti-milaza fanifakifahana feno fampahoriana. Ahitsio |
Drokidrokina [admin] | : | (drokidroky) mt.ih. (drokidrokio) : Tambatambazana, kolikolena : Nodrokidrokiny ny mpiambina dia namela azy hivoaka. Ahitsio |