Teny nampidirina farany

Fahasivy
[admin]
: (sivy) P.I. : Enti-milaza ny filaharana manaraka ny fahavalo. Ahitsio
Fahasitranana
[admin]
: (sitrana) a. : Fanaretana, fialan' ny aretina. Ahitsio
Fahasanganehana
[admin]
: (sanganehana) a. : Firoahana, fisalasalana tsy mahita izay hofidina. Ahitsio
Fahasalamana
[admin]
: (salama) a : Toetran'ny vatana salama, izany hoe tsy manana aretina ka miasa tsara ny organina amin'ny tena. Ahitsio
Faharokoroko
[admin]
: (rokoroko) a. : Toetran'ny zavatra marokoroko, maraorao. Ahitsio
Faharoa
[admin]
: (roa) p. l.: Mitana ny laharana manarakaraka ny voalohany: Ny fevrier no vo-(ana faharoa amin'ny taona, Ahitsio
Faharenesana
[admin]
: (re) a. : Ireo fandrenesana dimy (jar. Fandrenesana). Ahitsio
Faharazodrazoka
[admin]
: (razodrazoka) a. : Fahosaosana, hareradrerahana. Ahitsio
Faharazana
[admin]
: (razana) p.mt Hatram?n' ny andro niainan' ny razana Fomba nentimpaharazana. Ahitsio
Faharatsiana
[admin]
: (ratsy) a. : Toetran'ny zavatra na olona ratsy; zava-dratsy, heloka : Diso indray mandeha ue izy dia tsy maintsy houesarana ny faharatsiana rehetra eto ambonin' ny tany ? Ahitsio
Fahangirina
[admin]
: Hangirina a. : Toetran' ny maso mikimpy manao mason' akoho, izany hoe tsy mikimpy tanteraka fa toa mihiratra kely ihany. Ahitsio
Fahanginana
[admin]
: (gina) a. : Tsy fisiana tabataba, toetran'ny zavatra tsy andrenesana tabataba : Ny fahanginana no itiauako monina et? ambanivohitra. Ahitsio
Fahandroana
[admin]
: na Fandrahoana (handro) a. : Fanamasahana amin'ny afo; ny asa atao rehefa mahandro. Ahitsio
Fahandro
[admin]
: (handro) a. : Fomba entina mahandro : Hainao ue ny fahandro sokatra? Zavatra andrahoina : Aza dia manao be fahandro fa mandala) fotoan-tsarotra isika izao, ? P. t. : Azo handroina na andrahoina : Asa na fahandro Io biby io na tsia. Ahitsio
Fahanana
[admin]
: (fahana) mtih. (fahano) : Omena na asiana fahana (azo ampiasaina amin' ny hevitra rehetra voalaza ao amin'ny teny Fahana : Fahano ny vahiny fa efa an-' toandro. / Etsy hofahanako ny zanako. / Tamin'ny firy no nofahananao it? famantaranandro ity?) Ahitsio
Fahana
[admin]
: a. : Tohana eo ivelan' ny zavatra ixay mba hananany hery bebe kokoa. ? Fifikirana amin'ny zavatra, fanankinana mafy ny tongotra mba tsy hianjera. - t.i.f. : Afahana, voafahana tafafahana / mamahana, famahana, mpamahana / amahanana, famahanana / mifahana, fifahana, mpifahana / lfahanana, fifahanana. Ahitsio
Fahana
[admin]
: a. • Sakafo omem-bahiny. ? Hanina, sakafo : A-taouy tsara fahana ny zazakely. ? Anjara hanina : Ento ny fahan-kisoa homena azy. ? Ilay zavatra mampipoaka ny basy, ny tafondro : Fahan-tafondro. / Saika loza fa, hay, mbola nisy fahany ilay basy. ? Ny hery ananan' ny vimiaina mampandeha ny famantaranandro : Tsy ampy fahana ny famantaranandronao matoa nijanona sahady. ? Ilay kofehy mifampiditra amin'ny tenan'ny tenona mba haha-lamba azy, (ka ny fahana mitsivalana fa ny tenany mitsangana) : Ny jabo dia lamba rofia, izay ny fahany landihazo! - t.i.f. : Fahanana, afahana, voafahana / mamahana, famahana, mpamahana / amahanana, famahanana / mifahana, fifahana, mpifahana / ifahanana, fifahanana / mahafahana. - F.-p, : Alim-pahana : fotoana isian'ny fahana ao anaty basy, tafondro; fotoana iandrasan'ny vahiny ny sakafo aroso azy. / Mialim-pahana: miandry handrosoana sakafo. / Faham-bainga: tamboho na rindrina vita amin'ny bainga mafy sy makadiry, / Fahan-tenany : enti-milaza ny lamba izay karazana iraY ihany ny tenany sy ny fahany. / Lany fahana : tapitra ny herin'ny fahana nomena azy, toy ny famantaranandro mijanona izany. / Maty fahana : fiteny amin'ny basy na tafondro tsy mipoaka, na amin'ny fanambadiana izay tapaka ny fatorana naxnpikambana ny mpivady. Ahitsio
Fahamborodamba
[admin]
: a. : Lamba, izay ny tenany rofia ary ny fahany vorodamba. Ahitsio
Fahamasinana
[admin]
: (masina) a. : Fahamboniana noho ny toetra na hery masina ananana. Ahitsio
Fahamarinana
[admin]
: (marina) a. : Ny rariny, ny hitsiny, ny mari-na : Manaoua ny fahamarinana mandrakariva. ? Toetran' ny olona antsoina hoe mari-na, izany hoe : tsY mandainga, tsy mamitaka : Nitsotra tamim-Pahamarinana izy fa naka iiay omby; / tsY manambaka fa manao ny rariny, ny hitsinY : Oiona mahalala ny fahamarinana ny mPamPiasa anaY. Ahitsio