Teny nampidirina farany

Fahoviana
[admin]
: P.mt. : Hatry ny e-la, efa hatry ny ela be. Ahitsio
Fahotana
[admin]
: (ota) a. : Fandikana ny didin' Andriamanitra, ota, heloka, • F.-p, : (fiv. kat.) Fahotana madinika : ota madinika, tsy mahasimba ny fihavanana a-min' Andriamanitra. / Fahotana mahafaty : ota lehibe, makadiry, mahavery ny fahasoavana mahamasina. Ahitsio
Fahosana
[admin]
: (osa) a. : Halemena, tsy fahatanjahana : Tsy hita noanoa ny fahosan'ny olombelona. Ahitsio
Fahoriana
[admin]
: (ory) a : Alahelo lehibe, fijaliana, fiferinaina : Latsaka ao anatin'ny faho" riana izy. ? Loza, voina, fahafatesan-kavana : Azom-pahoriana ny fianakaviany. Mamangy anareo amin'ny fahoriana izahay, tompoko. Ahitsio
Fahonena
[admin]
: (onena) a. : Fangorahana, fitserana, tse-po. Ahitsio
Fahombiazana
[admin]
: (omby) a , Fandresena, fahazoana vokatra tsara, fandairan'ny fanafody. Ahitsio
Fahoana
[admin]
: (faho) mt.?h, (fahoy) : Ampifangaroina. Ahitsio
Faho
[admin]
: a. : Fifangaroana, fitambaran-javatra roa tsy mitovy, ka ny iray ilaina fa ny iraY ' tsy ilaina nefa sarotra akifika, fanampiny, - t.i.f. : Fahoana, afaho, voafaho / mamaho, famaho, mpamaho / amahoana, famahoana / mifaho, fifaho, mp?faho / ifahoana, fifahoana / mifamaho, mifamahofaho / mahafaho. - F.-p. : Tsy misy fahony, tsy misy fahompahony : madio tsisy fangarony. / Vary faho : vary amin' anana, Ahitsio
Fahizany
[admin]
: p,mt. : Taloha ela, fahiny. Ahitsio
Fahizay
[admin]
: p,mt. : Taloha, fahiny, hatrany hatrany. Ahitsio
Fahitra
[admin]
: a. : Tranon' omby ompiana izay voahodidina vala na fefy na faritra (angamba avy amin'ny hoe faritra ihany ny fahitra; amin'ny Betsileo ny fari-bohitra no atao hoe fahitra axy ny fitoeran' omby atao hoe vala). Ahitsio
Fahitana
[admin]
: a. : Ny maso. ? Fahalalana : Ny fahitana ny maha-mahantra anay ue no iauonavonanareo aminay ? Fitsarana : Araka ny fahitako ny raharahanareo dia tokony homenao ny karamany. ? Fisehoan-javatra toy ny fanahy, avelo na matoatoa min' ny tena. Ahitsio
Fahita
[admin]
: (hita) p, t. : Hita matetika : Tsy fahita intsony itony lamba itony ankehitriny. Ahitsio
Fahiratra
[admin]
: (hiratra) a. : Fahatsilo : Mbola mahavariana ny fahiratry ny mason'io antidahy roa amby zato taona io. Ahitsio
Fahiratana
[admin]
: (hiratra) a : Ny hamarin'ny fijery, ny mizana. Ahitsio
Fahirano
[admin]
: a. : Fanodidinan'ny fahavalo ny tanàna mba tsy hahafahan'ny mponina ao mivoaka hitady sakafo na rano : Raha tsy natao fahirano ny tanànan'Ambohijoky tsy ozo. • Ut. f. : Afahirano, voafahirano / mamahirano. Ahitsio
Fahiny
[admin]
: p.mt. : Tamin'ny andro taloha ela tany : Fahiny nisy izany olona zenizeny natao hoe Vazimba izany nonina te t3. ¶ M.h. : Fahiny, taloha, ela be, fahataloha, fahizany, fahagola, fahagolan-tany, tany ambadik' Imanareza. Ahitsio
Fahihitra
[admin]
: (hihitra) a: Ny toetran'ny olona mahihitra, mitsitsy loatra. Ahitsio
Fahihirana
[admin]
: (hihitra) a. : Fitsitsiana tafahoatra. Ahitsio
Fahiazana
[admin]
: (hia) a : Toetran' ny olona mahia (hahia, hahiazana) : Loza ny fahiazan' it? zozo it? : hita mitrakitraer? ny taolan-tratrany. Ahitsio