Teny nampidirina farany

Fahamaotonana
[admin]
: (maotona) a.: Hatsaram-panahY mamPitana sy mampitandrina ny fihetsiky ny tena rehetra mba ho mendrika, tsy ho hafahafa, maha-te hanaja. Ahitsio
Fahamanirana
[admin]
: (manitra) a. : Fanatsarana fofona, fanasiana zava-mantra. Ahitsio
Fahamalinana
[admin]
: a. : Toetran'ny olona malina, izany hoe manao na mandeha amim-pitandremana ka manao toy ny dian-tana: jerena ny aloha, todihina ny ao aoriana. Ahitsio
Fahamahinana
[admin]
: na Hamahinana (mahina) a. : Fahatahotahorana sao fantatry ny olona ny ratsY natao. Ahitsio
Fahalianana
[admin]
: (liana) a. : Fanirian mafY, fahamaimaizana, fihoalahoalana. Ahitsio
Fahaleovana
[admin]
: (lao) a. : Fahafahana mizaka. Fahaleouan-tena : Fahafahana mizaka tena ka tsy fehezin'ny hala na miankin-doha amin' ny hafa intsony. Ahitsio
Fahalalana
[admin]
: (lala) a. : Fahafantarana, fahaizana : Tsy ma-nana fahalalana momba ny fitsaboana aho. Ahitsio
Fahalala
[admin]
: (lala) a. - Fomba entina mahalala, mahafantatra. Ahitsio
Fahalainana
[admin]
: Halainana (laina) a. : Tsy faharisihana hiasa. - F.-p. : An-kalainana : tsy amin-kazotoana. Ahitsio
Fahalafo
[admin]
: Halafosana, Fahalafosana (lafo) a. : Toetran' ny zavatra lafo, na vidim-bola be • Tsy laitra ny halafon' ny vidim-piainana ankehitriny. Ahitsio
Fahakirana
[admin]
: (kirana) a.: Harikivy : Tsy aneran'ny fahakiran' it? voankazo it9 izany. Ahitsio
Fahakambotiana
[admin]
: (kamboty) a. : Toetran'ny zaza kamboty : Anisan'ny zavatra tokony hampangoraka antsika ny fahakambotiana. Ahitsio
Fahaizana
[admin]
: (hay) a. : Zavatra hay, fantatra : Olona be fahaizana, hono, iny touolahy iny. ? Fahalalana voafototra ary axa-tsaina mikasika zavatra iray : Ny fahaizana momba ny marika. ? Fahafahana manao zavatra : Ny fahaizana mamaky teny sy manoratra. ? Hakingana : Nampiseho fahaizana lehibe izy ta-min' izany raharaha izany. ? Fitambaran' ny fahalala.na takatry ny sain'ny olombelona mikasika ny zavaboarY, ny lalàna mifehy ny zavaboarY, ans., izay hitan'ny olo-mahay ombieny ombieny, ka mahatonga ny fiainan'ny taranak' olombelona handroso hatrany : Na manao ahoana na manao ahoana, tsy hahafoana an'Andriamanitra akory ny fahaizana satria ny zavatra nataon'Andriamanitra ihany no dinihinY sy fakafakainy. - F. p. : Fari-pahaizana : ny fahaizana tratra. / Filazampahaizana : TaratasY manambara ny toe-pahaizana ananana, Ahitsio
Fahagola
[admin]
: Fahagolan-tany P. mt. : Taloha efa lasa ela be : Tsy fantatra izay nonina tamin'itony tan), itony fahagola. ¶ M.h. : Fahiny. Ahitsio
Fahagagana
[admin]
: (gaga) a. : Zavatra mahavariana ny sain, izany hoe tsy fahita andavanandro amin' ny hatsaranY na ny habeny : Ny fanasitranana tampoka dia anisan'ny fahagagana sarotra hazavaina. Ahitsio
Fahafolo
[admin]
: (folo) p.l. : Enti-milaza ny laharana manarakaraka ny fahasivy. Ahitsio
Fahafito
[admin]
: (fito) p.l. : Enti-milaza ny laharana manarakaraka ny fahenina. Ahitsio
Fahafiry
[admin]
: (firy) p.mt. : EntimanontanY laharana : Fahafiry ny fiarakodia nentinao tamin'ilay hazakazak ' aotomobilina farany teo ? ? Entimilaza fahakelezana na fahatsinontsinona miolotra na mitaha amin'ny... : Tsy fahafirin'ny olo-mahay eto amin'ny Nosy ianao fa aza mie boebo toy izao. Ahitsio
Fahafatesana
[admin]
: (faty) a. : Fialan' ny aina : Tsy fantatra ny andro hahatongavan'ny fahafatesana. Ahitsio
Fahafahana
[admin]
: a. : Toetran'ny olona afaka, izany hoe tsy voageja, tsy andevozin'ny sasany fa afaka manao izay tiany araka ny sitrapony. Ahitsio