Teny nampidirina farany

Enina
[admin]
: p.i. : Dimy ampiana i- ray : Enim-bolana ny tapa-tao na. - t.i.f• : Enemina / mienina 1 fahenina / inenina / tsieninenina 1 maninenina / faninenina / ampaheniny I henemana. Ahitsio
Enina
[admin]
: p.t. : Mahazo ny anjara sahaza ny tena : Enin-kaja izahay, tompoko, amin'izao fandraisana ataonareo izao ka misaotra indrindra. Ahitsio
Eny
[admin]
: p.mt. : Entina manaiky, entina milaza fa ekena izaY lazaina amin' ny tena : Handeha hiaraka amiko ve iana F Eny, raha tsy misa ny sampona. ¶ M.h. : Amin'ny fitenimparitra samihafa : Ekany, eka, ia. Ahitsio
Eny
[admin]
: p.mt. : Milaza toerana la-vitra nefa tazana : Hitanao i-r? tendrombohitra ira>, andeha hitsangantsangana eny isika ; na manondro toerana ankariharY : Rehefa mandeha eny an-tsena ianao... 1 Lat.: Mankeny. - F.-p. : Eny ho eny : milaza toerana tsy tondroina marina tsara fa tokotokonY fotsinY na ombieny ombieny Rakotra zaua-maitso ny tanety rehefa lohataona ary misy voninkazo dia maniry eny ho ana. Ahitsio
Engade
[admin]
: Angade! t.-p. : Fandre lazain' ny ankizy raha misy namanY manao zavatra tsy fampiseho masoandro, ka sady horahinY ilay izy amin' izay no tondroinY mba hahamenatra azy. Ahitsio
Enga
[admin]
: t.p. : Entina hanehoana ny faniriana ao am-po; ny Enga dia arahin'ny teny hoe anie, arY ny matoanteny milaza ny ho avy no atao eo aorianany mandrakariva : Enga anie ho afaka izy ! Ahitsio
Enemina
[admin]
: (enina) mt.ih. (enemo) : Zaraina eriin8 : Enemo ital hena ital. Ahitsio
Endrinendrina
[admin]
: p.t. : Mitahontahona, adaladala, tsy amPiampy saina, donendrinendrina. - t.i.f. : Aendxinendrina/miendrinendrina, fiendrinendrina, mpiendrinendrina / iendxinendrenana, fiendrinendrenana. Ahitsio
Endrina
[admin]
: a. : Karazana varika lehibe (Jar. Varika, Simpona, Babakoto, AiaY na MakY, Gidxo, Amboanala). Ahitsio
Endrikendrika
[admin]
: a. : Filazana ho nataon' ny hafa ny ratsy tsy ntaony ; fanosoran-dratsY a min'izaY tsy natao. ¶ M.h, : Hoso-dratsY, hoso-potaka, tombotomboka. - t.i.f. : Endrikendrehina, voaendxikendrikal manendrikendrika, fanendrikendrika, mpanendrikendrika / anendrikendrehana, fanendrikendrehana. Ahitsio
Endrikendrehina
[admin]
: (endrikendriha) mt.ih. (endrikendreho) : Lazaina ho nanao ratsY tsy natao, hosoran-dratsy, tombotombohina. Ahitsio
Endrika
[admin]
: a. : Ny fandehan'nY taxehy, ny tokotanin-tarehy : Mitovy endrika amindreniny io zazavavy io. ? Ny fisehoana ivelany : Mamitaka ny endri-javatra matetika. ? Ny bika : Tsara endrika ny tranonay any ambanivohitra. - t.i.f. ' Endrehina / manendrika / fanendxehana 1 miendrika, fiendxika / mifanendrika / mendrika / hamendrehana. - F.-p, Fohy endrika; lava endrika : fohy tarehy; lava tarehy. / Manana endrika : tsara tarehy. / Manome endrika : mahatonga ho tsara tarehy. / Sadasada manana endrika enti-milaza zavatra tsy dia manahoana nefa mba misy maha-tsaratsara kely azy ihany; matetika io fombam-Pitenenana io dia lazaina aorian'ny hoe vangavanga manan-tsoratra. Ahitsio
Endrisy
[admin]
: t.-p. : Fiovan'ny Indrisy. Ahitsio
Endry
[admin]
: (Br na Ats.) a. : Reny. Ahitsio
Endry
[admin]
: a. Karazam-borona mitovy amin'ny fanindry (Bu teo brachyp taras). Ahitsio
Endresy
[admin]
: t.-p. : Enti-milaza fankatoavana, na koa fananihaniana, fanarabiana. Ahitsio
Endrehina
[admin]
: p.t. : Mahatonga ho tsara tarehy, mety : Endrehina anao iny satroka iny. Ahitsio
Endre
[admin]
: t. p. Enti-milaza fahatairana : Endre! inona ital hitan'ny masoko! / nahadisoam-panantenana : Endre! tsy nampoiziko izy no hahavita izany! Ahitsio
Endray
[admin]
: t.-p, : Enti-milaza alahelo rafla 1sY ho zaka : Endray! mafy tokoa izany fisarahana. Ahitsio
Endy
[admin]
: a. : Fandrahoan-kanina maina tsy misy rano fa asiana menaka : Tsara endy ve ny hena, rankizy? - t.i.f. : Endasina,voaendy I manendy, fanendy, mpanen. dy 1 anendasana, fanendasana ) mahendy 1 mendy. a F,-p, : Endin'anglisy : Anaram-bosotra omena ny vo- anjombazaha. / Endy vara-ka : enti-m?laza zavatra nendasina maimaika, faingana. Ahitsio