Teny nampidirina farany

Evanjelista
[admin]
: (fr. évangéliste) a. Anarana nomena azy efa-dahy nanoratra ny Evanjely na ny Filazantsara, dia i Matio, Marka, Lioka ary Joany. Ahitsio
Evanjelisitra
[admin]
: a. : Mpitandrina nirahin' ny fiangonana hitory ny filazantsara. Ahitsio
Evanjely
[admin]
: na Evanjily (fr. évangile) a. : Anarana ilazana ireo boky efatra nosoratan'i Matio, Marka, Lioka ary Joany (na Jaona) mitantara ny fiainan'i Kristy no sady mirakitra ny fampianarany. ? H.i. : Ny fampianaran'i Kristy Io Misionera io no nitory ny evanjely voalohany teto amintsika. ¶ M.h. : Filazantsara, Vaovao mahafaly, Ahitsio
Evanevana
[admin]
: a.: Anelanelan'ny roa tonta tsy an'ny atsy tsy an'ny aroa, latsaka afovoany : Mandeha an'evaneuany izy. - t.i.f. : Aevanevana 1 mievanevana, fievanevana, mpievanevana )ievanevanana,fievanevanana. Ahitsio
Etsy ange
[admin]
: Teny kely somary miangola entina hitaomana olona hihaino izay lazaina Etsy ange, mba ierao amin' ny mpampianatra aho fa manauy ka tsy afaka hianatra. Ahitsio
Etsy
[admin]
: p.mt. : Milaza toerana akaiky taza-maso somary antsisintsisiny ka tondroina, mifamaly amin'ny atsy raha tsy taza-maso fa takona : A-petraho etsy an-Joron-trano ny angady. (Nataoko atsy an'efitra auaratra ny saronankarona). Momba nY fiverenana indroa sy ny milaza ny lasa, jar. Eo. - t.i.f. : Manketsy, mpanketsY. - F,-p. : Etsy ho etsy : milaza toerana tsy tondroina marina tsara fa tokotokony fotsiny : Apetraho etsy ho etsy ny entanao. Ahitsio
Etsetra
[admin]
: (lat. et caetera) a. : Sy ny sisa, teny enti-milaza fa mbola misy teny na zavatra iray tarika amin'ireo voateny mbola tsy voaiaza ka hafohezina amin'ny hoe ets no fanoratra azy : Betsaka ny karazam-balala : ny adrisa, ny ualalanamboa, ny dongara, ny tsingarangadona, ets... Ankehitriny dia ny sy ny sisa (ans) no asolo ny etsetra. Ahitsio
Etsaketsahana
[admin]
: na Etsaketsahina (etsahetsaka) mt.ih. (etsaketsaho) : Velezina mafy sy an-kisesy. ¶ M.h. : Dobohana, dobofana, vangoana, darofana, galamoina, tonafana, donafana, goanana, fetsahina, latsafana, latsahana, dinahina, lakasina, alakasina, lazoina, fetrehina, doanana, havokavohana, havohana. Ahitsio
Etsaka
[admin]
: Etsaketsaka a. : Famelezana tsy mihambahamba sady an-kisesy, famonoana sesilany, - t.i.f. : Etsaketsahana na etsaketsahina, aetsaketsaka, voaetsaketsaka / manetsaketsaka, fanetsaketsaka, mpanetsaketsaka 1 anetsaketsahana, fanetsaketsahana ( mahetsaketsaka. Ahitsio
Etsaka
[admin]
: p.a. : Lena tanteraka amin'ny rano na ranonorana, vonto : Etsaky ny orana ny tambohonay uao natsangana ha nirodana. ? H.o. : A-fa-po tanteraka : Etsaka ny faniriako. ¶ M.h, : Boboka, amp oka. i Lit f. : Etsahina, voaetsaka 1 manetsaka, fanetsaka, mpanetsaka ( anetsahana, fanetsahana i mahetsaka. Ahitsio
Etsahina
[admin]
: (etsaka) mt.ih. (etsaho) : Vontosana : Noetsahin'ny ranonorana ny ampiantany ha nihotsaka. Ahitsio
Etroa
[admin]
: : Toaka (t.t.m.). - t.i.f. : Mietro, manetro, fanetro, mpanetro ) anetroana, fanetroana. Ahitsio
Etry
[admin]
: a. : Fanivaivana, fanazimbana. Ahitsio
Etry
[admin]
: p.t. : Fohy, tsy mahataka-javatra, zeny. 1 ft. : Entimilaza fitambotsorana na fi-, dinana ho amin'ny ambany sy ny iva. 6 ai. f. : Etrena, aetry ( manetry, fanetry, mpanetry / anetrena, fanetrena / mietry fietry, mpietry / ietrena, fietrena 1 mahetry. Ahitsio
Etrena
[admin]
: (etry) mt.ih, (etreo) : Ampidinina, ahana ny haavony. Ahitsio
Etrana
[admin]
: (etra) mt.ih. (etrao) : Asiana fehikibo : Etrao ny pataloan'io zaza io fa miborotsoka. Ahitsio
Etra
[admin]
: a. : Fehikibo. 1 tif, : Etrana, voaetra j mietra, fietra, mpietra j ietrana, fietrana / mahetra. Ahitsio
Etony
[admin]
: p.mt. : Milaza sy manondro ny toerana misy ny tena na eny akaiky. Ahitsio
Eton-draratra
[admin]
: a. : Zavona antoandro fahita amin'ny hainandro berehefalohataona. Ahitsio
Etonana
[admin]
: (etona) mt.ih. (etony) : Setrohana. Ahitsio