Teny nampidirina farany

Faka
[admin]
: (aka) a. : Fomba entina maka : Toy izao no faka ireny voankazo ireny. ~ p.t. : Azo alaina, tokony halaina : Olona tsy faka taranaka. Ahitsio
Faka
[admin]
: a. : Teny enti-milaza ny fototry ny zavamaniry milentika any ambanin' ny tany ka mampiorina azy tsara ary koa misintona ny sakafony avy ao; matetika no mirantsandrantsana eran'ny tany any ny fakan'ny hazo lehibe. - t.i.f. : Fakaina, voafaka 1 mamaka, famaka, mpamaka J amakana, famakana J mifa-~ka 1 mahafaka 1 fakafaka. Ahitsio
Faizina
[admin]
:(fay) inf. ih. (faizo) : Sazina mba tsy hamerina hadisoana intsony. Ahitsio
Faiviviana
[admin]
: (ivy) a. : Faloiloy, filebolebo. Ahitsio
Faitra
[admin]
: a. : Ngidin'ny zavatra hanina, na ny fahoriana midona. - t.i.f. Mafaitra, hafaitra. Ahitsio
Faisana
[admin]
: a. : Zava-mahazo, mahavoa, mampangirifiry izaY toy ny famaizana tamin'ny zavatra ratsy natao : Mitondra faisana, mahita faisana. Ahitsio
Faingomihantona
[admin]
: a. : Maritsoratra (') entina misolo zanatsoratra latsaka : Sofin' omby (sofina omby). Ahitsio
Faingoka
[admin]
: a. : Vy na hazo misy miforitra; vy misy motiny entina maka hazandrano. Ahitsio
Faingo
[admin]
: a, : (,) Mari-pijanonantsoratra entina mampisaraka zavatra tanisaina : Ny lehibe, ny kely, ny lehilahy, ny vehivavy tonga daholo rehefa olona tao an-tandna; / mampisaraka tapa-pehezanteny mifanohitra na mifampita : Ny basy tsy re lauitra, fa ny teny no re lavitra. a F,-p, Faingo mihantona: faingo ambony (') izay ampiasaina amin'ny famenonteny milaza tompon-javatra : Tranon'alika; / amin'ny famenon'ny mt.ih. : Nouakin' ny saka, Ahitsio
Faingy
[admin]
: p,mt. : Fa, saingy. Ahitsio
Faingàna
[admin]
: p.t. amin'ny fomba mandidy : Tongàva, miverena faingana : Faingàna fa aza mijanona ela any. Ahitsio
Faingana
[admin]
: p.t. na p.mt. : Tsy e-la, malaky, mandritra ny fotoana fohy dia fohy : Zaza faingan-tanana. / Tongava faingana fa manavy ny zanakao. - t.i.f.: Faingàna, hafainganina / manafaingana, fanafaingana, mpanafaingana / anafainganana, fanafainganana / hafaingana, hafainganana, fahafainganana / mahafaingana. ?Fa?ngam-bava: 1)mailaka er? raha hiteny, rafla hamaly; 2) tsy mahatam-bava. / Faingan-tanana: fatra-pandrairay zavatr'olona. / Faingan-tongotra: mahery mandeha. / Faingan-tsaina: malady mahazo, malady mahay fianarana. / Maika tsy faingana: dodona er? manao zavatra na mandeha, nefa tsy mahavita na tonga faingana akory. * Ohab.: Maika tsy faingana toa dian'ondry: enti-milaza olona miseho ho dodona ers). rie fa tsy hita izay afany. Ahitsio
Failandey
[admin]
: (fr. Finlandais) a.: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Failandy: I Helsinki no reniuohitry ny Failandey. ? p.t.: Mikasika an'i Failandy, an'i Failandy na avy any Failandy: Fanamboarana koba fanaouan-taratasy no orinasa failandey malaxa indrindra. Ahitsio
Faikana
[admin]
: (faika) p. t. : Misy faikany. Ahitsio
Faikaina
[admin]
: (faika) mt.ih. (faikao) : Faohina, angalarina, tselehina. Ahitsio
Faika
[admin]
: Faikany a. : Izay mijanona amin'ny zavatra iray rehefa nofiahina na nesorina ny ranony : Aza ariana eto ny faikam parinareo. ? H.i. : Ny ratsy efa nanalana ny tsara, ny lany tsiro. - t.i.f. : Faikana, mafaika. Ahitsio
Faika
[admin]
: a. : Fipaoka, fifaohana. 6 t.i.f. : Faikaina, voafaika / mifaika, fifaika, mpifaika / ifaikana, fifaikana / mahafaika. Ahitsio
Faidrantsa
[admin]
: (Ski) a : Karazan' akorandriaka maranitra ohatra ny homamanta ka mora tapaka raha mahavoa ny tongotra sady sarotra esorina. Ahitsio
Fay
[admin]
: a. : Karazan-trondron-dranomasina boribory saingy fisaka eo an-tampony ary kely lava ny rambony, —.~ Ahitsio
Fay
[admin]
: p. t. : Tsy sahy intsony fa nahita fahavoazana; matahotra ka tsy sahy mamerina izay natao teo aloha : Niialao afo Ibalita ka may : fay ny adala ka tsy te hiherika afo in tsony. ¶ M.h. : Fay, lao, maso voa sakay, nahita faisana, nandray ny kiho, tsy tia vernira, tsy tia hiherika, tsy tia mainty, tsy tia mololo, leom-boananana, afon-dolo af on' angatra. Ahitsio