Teny nampidirina farany

Fahavanonana
[admin]
: (vanona) a. : Fahatongavana ho vanona; toetra vanona. Ahitsio
Fahavanona
[admin]
: (vanona) a. : Toetran'ny olona na zavatra vanona, izany hoe tsara, tonga amin' ny nanaovana azy. Ahitsio
Fahavalo
[admin]
: (valo) p.l. : Milaza ny filaharana manarakaraka ny fahafito. ? a. : Ny mankahala ny tena, ny miady sy mifanohitra amin' ny tena ka mitady hamono mihitsy aza : Efa resy ny fahavalo. ? Izay rehetra manimba ny ha-fa : Ny toaka no fahavalon' ny fahasalamana voalohany. / Tsy manam-pahavaio afatsy ny mosary aho, hoy Andrianampoinimerina. ¶ M. h.: Fahavalo, rafy, an-daniny, sakay sy maso, tsy tia, mpisompatra. Ahitsio
Fahatsiarovana
[admin]
: (tsiaro) a. : Fitamberenan' ny zavatra na olona hita na fantatra tamin' ny andro lasa ao an-tsaina indray : Mbola velona ato ampoko ny fahatsiarovako an'i Neny. ? Zavatra omena olona mba tsy hanadinoany ny tena, na ny toe-javatra iray niarahana ' Omeko anao ity boky id ho fahatsiarovana ny niarahantsika niasa. M.h. : Fahatsiaxovana, fahatsiahivana, fahatadidiana, dindo, tsangambato, orimbato. ? F.-p. : Fahatsiarovan-tena : fahatsapana ny haja amankasina ananan'ny tena eo anoloan'ny mpiara-belona ka mahatonga hifady tsy hanao fitondran-tena tsy mety. Ahitsio
Fahatsiaro
[admin]
: (tsiaro) a. : Fomba entina mahatsiaro. ? p.t. : A-zo tsaroana. Ahitsio
Fahatsiahivana
[admin]
: (tsiahy) a. : Fahatsiarovana. Ahitsio
Fahatsiahy
[admin]
: (tsiahy) a. : Fomba entina mahatsiahy. ? p.t. : Azo tsahivina, tokony hotsahivina : Tsy fahatsiahy ny andro manjombona tamin' ny fiainana lasa. Ahitsio
Fahatra
[admin]
: a. : Teny ilazana a-min' ny f.-.a.-dr ny toerana ahazoana manonona teny araka ny avapeo : ny loba lela : r ; ny lany lela : 1; ny lanilany : g; ny nify : t; ny molotra : m, ka mahatonga ny hoe feo a-molotra, feo andany lela.., Ahitsio
Fahatra
[admin]
: ft. : Enti-milaza famikirana na fitazonana mafy amin'ny tongotra mba tsy hianjera na tsy hialana eo amin'ny toerana misy ny te-na. - t.i.f. : Afahatra, voafahatra, tafafahatra / mamahatra, famahatra, mpamahatra / amaharana, famaharana / mifahatra, fifahatra, mpifahatra / ifaharana, fifaharana / mahafahatra. Ahitsio
Fahatokiana
[admin]
: (toky) a. : Fanantenàna lehibe, hasahiana : Mandroso amim-pahatokiana hamely ny fahavalo ny miaramila. Ahitsio
Fahatezerana
[admin]
: (tezitra) a. : Fihetseham-po mitroatra tampoka vokatry ny fo sendaotra tsy voatsindry sy ny saina tsy mieritreritra ka tsy afaka intsony handanjalanja izay tokony hatao. Ahitsio
Fahatelon-tanana
[admin]
: a. : Lalàna araka ny fomban-tany malagasy mametra fa raha misy mpivady misaraka, ny ampahatelon' ny harin' izy mivady no anjaran-dravehivavy, fa ny an-droatokony kosa mijanona ho an-draleh?lahy. Ahitsio
Fahatelobe
[admin]
: a. : Laharana fahatelo amin'ny sikidy. ? H.o, : Havana mpandroba, izany hoe tsy mikendry afa-tsy ny hahalany ny harenan' ny havany. Ahitsio
Fahatelo
[admin]
: p.l. : Mitana ny laharana manaraka ny faharoa : Alarobia ny andro fahatelo amin'ny herinandro. ? a. : Halavan-drefy mitovy amin' ny refy telo na mamaky tratra inenina. Ahitsio
Fahatolo
[admin]
: (t.tr.) a. : Ny vavy, ny ao an-kohonana. Ahitsio
Fahatahorana
[admin]
: (tahotra) a. : Tahotra olona na zavatra : Ny fahatahorana an'Andriamanitra no uoaloham pahendrena. Ahitsio
Fahasorisorena
[admin]
: (sorisory) a. : Fahasosorana, fahadisadisana, fahadikidikiana. Ahitsio
Fahasola
[admin]
: (soin) a. : Toetran' izay sofa, tsy misy volo intsony fa efa nhintsan. Ahitsio
Fahasoavana
[admin]
: (son) a. : Fitahiana, soa lehibe : Fahasoavana ho anao izao nahafahanao fanadinana izao ka hararaoty tsara. Fanomezana voajanahary nomen' Andriamanitra noho ny soa nataon' i Kristy mba hahazoana ny fiainana mandrakizay (fin. kat.) : Mampahazo fahasoavana ny sakramenta. Ahitsio
Fahasivy
[admin]
: (Btl) a. : Avelo, lolo. Ahitsio