Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitomandavana: (tomandavana) a.: Toetran'ny zavatra mitomandavana, mitsotra manaraka ny lavany. Ahitsio
Fitomaniana: (tomany) a.: Fandrotsahan-dranomaso miaraka amin-tsento noho ny alahelo; fangatahana, fitalahoana mafy miaraka amin-dranomaso. Ahitsio
Fitomany: (tomany) a.: Fomba entina mitomany. Ahitsio
Fitombana: (tombana) a.: Toetran'ny olona mitombana ho..., miseho ho. Ahitsio
Fitombenana: (tombina) a.: Fipetrahana; ny faritra amin' ny tenan'ny biby na ny olona izay mitehaka amin'ny tany rehefa mipetraka izy. Ahitsio
Fitombina: (tombina) a.: Fomba entina mitombina, mipetraka amin'ny fanambaniny. Ahitsio
Fitombo: (tombo) a.: Toetran' ny zavatra na olona mitombo, mils alehibe. Ahitsio
Fitomboana: (tombo) a.: Faharorohana: Mampiaiky volana ny fitomboan'ity zaza ity; ny fitomboan'ny sain'ity zaza ? Fihalavana: Angaha tsy fantatrao nY fitomboan'ny andro amin'ny lohataona? 1 Fihamaroana: Manao dingan-dava ny fitomboan'ny mponina amin' ity tanàn-dehibe ital. 1 Fisondrotana: Mampimenomenona ny vahoaka ny fitomboan'ny vidim-piainana. Ahitsio
Fitombohana: (tomboka) a.: Famakiana bainga amin'ny angady, Ahitsio
Fitomboka: (tomboka) a.: Toetran'ny zavatra mitomboka, izany hoe misy tomboka. Ahitsio
Fitomboka: (tomboka) a.: Soratra sy sary voasokitra amin'ny fingotra, izay tsindriana amin'ny ranomainty natokana ho amin'izany, ka atomboka amin'ny taratasy ary dia mamerina ilay soratra sy sary. (Ny fitomboka dia mazàna atao ho fanamarinana ny maha-ara-dalàna ny taratasy misy azy). –( Ahitsio
Fitomoerana: (tomoetra) a,: Fitoerana, fipetrahana, f?anonana. Ahitsio
Fitomoetra: (tomoetra) a,: Fomba entina mitomoetra, izany hoe mitoetra, mipetraka. Ahitsio
Fitonàka: (tonàka) a.:Fomban' ny olona mipetra-potsiny tsy manao na inona na inona, midonana-poana. Ahitsio
Fitonantonanana: na Fitonantonana (tonantonana) a,: Fivezivezem-poana tsy misy antony, fahatongavana amin' ny toerana iray tsy misy zavatra hatao. Ahitsio
Fitondra: (tondra) a.: Fomba entina mitondra, na mibata izany na mifehy: Samy hafa ny fitondran'ny lehibe vahiny sy ny lehibe teratany. • p.t.: Entina matetika: Haro-na fitondra miantsena. Ahitsio
Fitondrahana: (tondraka) a.: Fihoaram-pefy: Mahalonaka ny tany manodidina ny fitondrahan'ity renirano ity. 1 Fanaranam-po miraoka ahitra eny amin'ny volin'olona: Teneno ny mpiandry ombinareo fa mahavoasazy ny fitondrahan'ny biby eny amin'ny volin'olona. Ahitsio
Fitondraka: (tondraka) a.: Fomban'ny rano mitondraka na mihoa-pefy: Mahatsiravina ny fitondrak'ity rano ital. • Fomban'ny biby mitondraka, izany hoe manarampo miraoka ahitra eny amin' ny volin'olona: Oadray izany fitondraky ny ombinareo eny an-tanimbolinay! Ahitsio
Fitondrana: (tondra) a.: Famindrana toerana zavatra entina miaraka amin'ny tena: Ohatrinona ny fitondranao ireto kitay ireto? ? Fanaterana: Amin'ny mitataouovonana no fitondrana sakafo ho an'ny marary. 1 Fifehezana: Sarotra ny fitondrana olona. 1 Fitarihana: Fadio ny naman-dratsy izay tsy mikendry afa-tsy ny fitondrana anao amin'ny ratsy, ? Fanaovana tsara na ratsy amin' olona: Zava-manahirana indraindray ny fitondrana ha-urina. • F,-p.: Fitondran'Andriamanitra: fahaizana amampahendrena andaharan'Andriamanitra ny zavatra rehetra. / Fitondran-tena: toepiainana. Ahitsio
Fitondrantondrana: (tondrantondrana) a.: Fitavozavozana, fitavoravorana. Ahitsio