Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hamaimaizana: (may) a.: Faniriana dodona izaitsizy; hamaikana hanao zavatra, hamehana. Ahitsio
Hamaintisana: (mainty) a.: Toetran'ny zavatra mainty: Ny hamaintisany no tsy ahitana ny kary amin'ny alina. Ahitsio
Hamaintisina: (mainty) mt. ih. (hamaintiso): Atao izay hahamainty azy: Hamaintisin' ny olona sasany ny nifiny. ~ Atao tonga maintimainty kokoa: Nohamaintisinao angaha ity satrokao ity? Ahitsio
Hamaitsoana: (maitso) a.: Toetran'ny zavatra maitso. Ahitsio
Hamaitsoina: (maitso) mt. ih. (hamaitsoy): Atao tonga maitsomaitso kokoa, atao tonga maitso. Ahitsio
Hamaivanana: (maivana)a.: Tsy fahavesarana, hakelezan-danja: Tsy ny hamaivanany akory no tsy itiavako ity fonaka ity fa ny haratsiany mihitsy. ~ F-p,: Hamaivanan-doha: tsy fiheverana, tsy fieritreretana. Ahitsio
Hamaivanina: (maivana) mt. ih. (hamaivano): Atao tonga maivamaivana kokoa: Nohamaivaniny ny entako fa hitany sahirana ery aho. ~ Ahena, hakelezina: Mbola vaovao aho ka nohamaivaniny ny raharahako. ~ Heverina ho tsy misy lanjany firy: Toa hamaivaninao re izany hadisoanao izany, Rakoto? Ahitsio
Hamaizina: (mazina) a,: Toetran'ny zavatra maizina: Tsy ahitana ny lalana ny hamaizin'ny andro. Ahitsio
Hamaizinana: (maizina) a.: Tsy fisiana hazavana, haizina: Mirepirepy rehefa mandeha amin'ny alina noho ny ha- Hal ma iz ina na. Ahitsio
Hamaizinina: (izina) mt. ih. (hamaizino): Atao ao anaty haizina, atao tonga maizina. Ahitsio
Hamalamalana: (malomalana) a.: Toetran'ny zavatra mals-malaria, efa somary maimaina. Ahitsio
Hamalina: Fahamalina (mail-na) a,: Toetran'ny olona malina, izany hoe mitsinjo ny ho avy ka mitandrina tsara: Raha tsy ny hamalin'io vehivavy io, maty tao daholo izy mianakavy. Ahitsio
Hamalinana: Fahamalinana (malina) a.: Fitsinjovana ny ho avy sy fisorohana ny 1oza na fahavoazana mety hihatra ka mahatonga hitandrina tsara: Fahamalinana ny mitondra elo amin'izao fahavaratra izao. Ahitsio
Hamama: a.: Fehin-tava izay a-tao mandalo eo ambany saoka ka hatrany an-tampon-doha: Manaova hamoma raha marary ny nifinao. Ahitsio
Hamamoana: (mamo) a.: Toetran'ny olona mamo: Ela vao nisava ny hamamoan'ilay tovolahy. Ahitsio
Hamamy: Hamamiana (hamy) a.: Toetran'ny zavatra mamy, hatsiro: Fary lava tsy lany hamamiana. Ahitsio
Hamandinina: (mandina) mt.ih. (hamandino): Atao tonga mandina. Ahitsio
Hamanditra: (handitra) o.: Toe- 4( tran'ny zavatra, toy ny voan- kazo, manditra, mafotrafotra. Ahitsio
Hamandoana: (manda) a.: Toetran'ny zavatra lena ka tsy mety maina tsara: Ny hamandoan'it9 efitra it9 no tsy mahasalama anay ato, Ahitsio
Hamanja: (mania) a.: Toetran' ny zavatra manja. Ahitsio