Havaloana | : | (valo) p.mt.: Mandritra ny valo andro: Vitsy no maharitra tsy mihinana havaloana ~ a.: Halavam-potoana valo andro: Vao fito andro izay ka nahoana no tonga sahady ianao? Tsy andriko intsony ny havaloana ko!
Ahitsio |
Havana | : | a: Ireo olona misy fifandraisana noho ny razana iombonana na noho ny fanambadiana: Misaona izy fa misy havany matY. ? H.i.: Olona mifankatia amin'ny tena, sakaiza: Mandrosoa, tompoko; havana ianareo fa tsy olon-hafa - t.i.f.: Havanina, voahavana / manavana, fanavana, mpanavana f anavanana, fanavanana J mihavana j havangavans f havangavanina, voah9vangavana f manavangavana, fanavangavana, mpanavangavana / anavangavanana, fanavangavanana / mahahavangavana. - F,•p.: Havana akaiky: havana izay mifanakaiky ny fihavanany, toy ny iray tampo, ny zanaky ny iray tampo, sns... f Hauana mpanavangavana: enti-milaza ireo hava-na miavona ka manao tsinontsinona ireo havana ory na malahelo. I Havan-davitra: izay anaovana tetiarana lava be vao miseho ny maha-mpihavana I Havan-tetezina: mitovitovy amin'ny havan-davitra ihany, saingy efa tsy mifankahalala intsony raha tsy mifanazava maharitra. f Havana avy any Dilam bato: ireo zanaky ny Antalaotra nonina tao Dilambato (Zafimbazaha), izay fotsy ka nohamboin'ny olona ho havany raha misy nanamavo azy. / Havana raha misy patsa: havana tonga manatona raha manamanana ny tena fa mihataka kosa rehefa mahantra satria tsy misy soa ho azy.,/Kibo omby havana: fitiavana tsy manary, / Kibo tsy manary havana: entina milaza fihinanana sakafo any amin'ny havana na dia kely fotsiny ihany aza no tendrena. f Lafin-kavana: ny havana lavidavitra fa tsy ny mpiray tam-po na ny terak'olona iray. / Manao havan'ny lahy sy havan'ny vavy: enti-milaza ny mpivady miangatra amin'ny havany avy, ka ny an'ny tena hajaina fa ny an'ny iray kosa tsy raharahaina. / Manao havako tsY meloka: enti-milaza ny fiangarana ataon'ny lehibe mba tsy hanamelohana ny havany. f Manao voro-mitahy havana: enti-milaza tsY famaizana ny havana na ny fianakaviana na dia nahavita heloka aza. f Ory hava-manana: malahelo raha mahita havana manana na nambinina; enti-milaza koa ireo tsy mba tia ny hafa hisondrotra, na dia havana aza. J Voin-kava-mahatratra: izay mahazo ny havana dia mova tsy mikasika ny tena koa. / Voromanompo havana: enti-milaza ireo taranak'andriana ambony manoa ny Mpanjaka. ¶ M.h.: Sakelika, hazo tapaky ny sampy, halam-patana. (Teny voafaoka ao anatiny: razana, razam-be, kazaha, raibe, renibe, ray, reny, zanaka, rahalahy, anadahy, rahavavy, anabavy, rafozana (lahy, vavy), vinanto (lahy, vavy), anadahin-dreny, rahavavin-dreny, rahalahin-draY, anabavin-dray, zanak'olompirahalahy, zanak'olo-mpirahavavy, zanak'olo-mpiana dahy, zaodahy, zaobavy, zanak'anadahy, zanak'anabavy, zana-drahalahy, zanadrahavavy, zafy, zafin'ny mpirahalahy, zafin'ny mpirahavavy, zafin'ny mpianadahy, zafiafy, zafindohalika, zafinkitrokely, zafimpaladia, zafindria, zafitsitorana. * Ohab.: Ny havana ihany no manavangauana: ilazana ireo havana nanalavitra, na nanaratsy mihitsy aza nony nahazo vahana. / Raha ho faty aho, matesa Rahavana; Raha ho faty Rahavana, matesa ny omby: enti-milaza ny ambaratongam-pitiavana: ny tena aloha, vao ny havana ary izay vao ny fananana. f Raha soasoa no ataon-dRahavana, izaho irery mahatankadivory, roa lahy mahatana arivo: enti-milaza ny fitia mifamaly: raha soa no ataondRahavana, mba betsaka koa no mety ho vitako aminy.
Ahitsio |
Havana | : | a.: Fanatsikerana ny lavenona ao anaty fatana mba hirehetan'ny afo tsara.
Ahitsio |
Havanana | : | a.: Ny ila amin'ny 'Sena mifanohitra amin'ny havia izay hitsin'ny fo: Matanjaka ny havanana. / MisY maharary ato amin'ny ilako havanana. ? p, t.: Mahay, ga: Havanana amin'ny sary Rakoto. i Manavanana / kavanana, havanana.
Ahitsio |
Havangavana | : | a: (mandray ny hevitry ny teny roa mitovy hoe havana). Fanariana ny havana ory.
Ahitsio |
Havangavanina | : | (havangavana) mt. ih. (havangavano): Aria-na, ahataka tsy ho havana.
Ahitsio |
Havaniana | : | p. mt.: Hatreo amin' ny vaniana ny halaliny: Ra-no havaniana ve dia hahadifoira.
Ahitsio |
Havanina | : | f manavana, fanavana, mpanavana f havangavana J havangavanina f manavangavana, fanavangavana, mpanavangavana / anavangavanana, fanavangavanana.
Ahitsio |
Havanina | : | (havana) mt. ih. (havano): Ifandraisana, ifankatiavana: Mora havanina io lehilahy io. 1 Tsikerakeraina, tsy avala hifatratra na hifitsaka: Havanina ny lavenona raha tiana hirehitra tsara ny afo.
Ahitsio |
Havanja | : | a: Toerana fanangonana omby any an'efitra;tanin'ahitra fiandrasana omby; kijana. - t.i.f.: Falihavanja.
Ahitsio |
Havaotra | : | a: Jer. Avaotra.
Ahitsio |
Havatra | : | Havatravatra a: Fitsikofokofohana, fientanentanan'ny vatana manontolo, fihendratrendratana. i f.: Mihavatravatra, fihavatravatra, mpihavatravatra / ihavatravarana,fihavatravarana,
Ahitsio |
Havatsa | : | a: Fanaovana tomboka sarisary tsy azo vonoina amin'ny hoditry ny tarehy na ny vatan-tena (fandre matetika kokoa ny hoe Tombo-kavatsa).
Ahitsio |
Havava | : | p.mt.: Hatreo amin'ny vava ny halaliny.
Ahitsio |
Have | : | (Ski) p.t.: Malemy fototandroka (omby).
Ahitsio |
Haventesana | : | (vaventy) a: Halehibe, hangeza, hakadiry: Haven tesan' izay olona izany!
Ahitsio |
Havia | : | a, sady p.t.: Amin'ny vatan'ny olombelona sy ny biby, ny ila izay andrenesana ny fitepon'ny fo ary izay mifanitsy amin'io ila io, mifanohitra amin'ny havanana: Amin'ny havian-dalana man-dahu. / Tanan-kavia i Haviazina / manavia / mikaviavia.
Ahitsio |
Haviazina | : | (havia) mt. ih. (haviazo): Enti-milaza fiasana raisina amin'ny tanan-kavia avy ambony arY amin'ny tanan-kavanana avy ambany rehefa miasa aminy.
Ahitsio |
Havina | : | a.: Jer. Kavina.
Ahitsio |
Havingavina | : | a: Tsy firaharahana loatra eo am-panaovan-javatra, tsy firaikana amin'izay atao. 1 Havingavina, ahavingavina, tafahavingavina / mihavingavina, fihavingavina, mpihavingavina f ihavingavinana, fihavingavinana j mahavingavina.
Ahitsio |