Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Miletsy: (letsy) mt, s. (miletse): Mietry: Miletsy ny valin-drihana. • Milefitra, miforitra noho ny lanjan'entana entina: Loza ny havesatr'ity vata ity fa efa miletsy mihitsy ireo mpitondra efa-dahy matanjaka. • Midina mitambotsotra: Efa fararano izao ka antenaina fa hiletsy ny vidimbary. Ahitsio
Milevina: (levina) mt. s. (milevena): Mitoetra aorian'ny fahafatesana: Ato no milevina i Dada sy Neny. • Miafina, mitototra: Misy rakitra sarobidy milevina ato. • Mijanona ela be any amin'izay ale-ha: Milevena any an-tsena any ange ialahy raha ta hahita ahy! Ahitsio
Milezolezo: (lezolezo) p.t.: La-va manify toy ny hiforitra: Milezolezo iry tovolahy iry. ¶ M.h.: Miezoezo, mitezotezo. • Marotsaka, manify sy lava: Milezolezo ny ranjony. Ahitsio
Miliaka: (liaka) mt. s.: Maimay, matimaty, mimatimaty. Ahitsio
Miliba: (liba) mt s. (milibà): Manaram-po tanteraka, manao izay tiana sy danin'ny kibo: Miliba amin'ny fananany Rakoto. ? Mikarenjy, tia lalao sy fahafinaretana: Izay hianatra, nofy azy; miliba any amin'ny namany any foana izy. ¶ M,h.: Manaram-po, manaram-batana, migodana, migalabina, mianjady, manao ny danin'ny kibo, miala liana, manampatra, mihary zaka, mihenjy, mikarenjy, be haitraitra, be siasia, akanga, angatra, angelingely, "tondraka anio manan-jara, izay ho ampitso ka ho hitanao", manjehy ny andro ho lava, tsy mitsapa ny ho farany, tsy mijery ny lany, manarazn-po fahazaza ka maka kitay fotsy volo, manaram-po ohatra ny kary an'efitra, manampoka aina. Ahitsio
Milihitra: (lihitra) mt. s. (milihira): Mikikitra manao; manao tsy amim-piheverana. Ahitsio
Mililotra: (liiotra) mt. s.: Miditra any anatin'ny masonkoditra, mamotsentsina ao. Ahitsio
Milina: (angl. Mill) a.: Fiasana namboarina handeha ho azy ka entina hanaovan-javatra: Milina fanjairana. / Milina fanoratana. Ahitsio
Milingilingy: (Iingilingy) mt. s.: Mitoetra amin'ny toerana a-vo eny an-tendrony; miringiringy, Ahitsio
Milingitra: (lingitra) mt. s.: Dodona, maimay hanao zavatra noho ny hajejoana, milihitra. Ahitsio
Militalita: (litalita) mt, s.: Mandeha mikonesanesa, miretareta. Ahitsio
Militera: (fr. militaire) p.t.: Momba ny miaramila, • a.: Ny miaramila; ny antokon' olona manao raharaha-miaramila: Natokan-toerana avy: an-kilany ny sivilina, andaniny ny militera. Ahitsio
Militika: (litika) mt. s.: Maimay sy dodona aoka izany, misisika ho tia, milihitra, milingitra. Ahitsio
Miloaka: (loaka) mt. s.: Misy loaka na lavaka. • Maninteraka. - F.-p.: Miloaka alina: (miasa na milalao) mandritra ny alina. J Miloa-bava: misokabava mba hiteny. Ahitsio
Miloatra: (loatra) mt. s. (miloara): Mivoaka betsaka avy ao anaty zavatra toa lalina aty: Izany no vetsovetso miloatra avy aa anatin'ny fonay. Ahitsio
Milobaloba: (lobaloba) p. t.: Malalaka ka hita misy rivotra mitakobana amin'ny elanelan'ny akanjo sy ny vatana. Ahitsio
Milobolobo: (lobolobo) p.t.: Mifanety, mifanizina (zavamaniry). Ahitsio
Milobona: (lobona) p.t.: Mandrantsana betsaka sady lehibe. Ahitsio
Milodilody: (lodilody) mt. s.: Kaodikaody mandositra o10-na, matahotra na menamenatra mifanerasera amin'ny maro. Ahitsio
Milofika: (lofika) mt. s. (milofiha): Miondrika, mile titra ny loha, tsy miarina tsara amin'ny toerana misy ny te-na: Nilofika ilay voninkazo fa tapaka ny tahony. 1 h.o.: Maty: Mbola vao herotrerony dia nilofika ilay zanak' olpna. Ahitsio