Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mionjona: (onjona) mt. s.: Mihifika, mandà manetsika ny loha: Nionjona izy dia lasa. Ahitsio
Mionkina: (onkina) mt. s.: Mikainkona, mikarainkona; miforitra, mihorona. Ahitsio
Mionona: (onona) mt. s. (mionbna): Mitony, mihaketraka, mihalefaka: Nionona ihany ny hatezerany. 1 Manaiky ny anjara ka mandefitra izay mihatra: Ry foko B, mionbna; manaoua alahelo hendry / ka ekeo ho fitondrana ny anjara sy ny tendry. (Dox) Ahitsio
Mionotra: (onotra) mt. s.: Miongotra, mihintsana (volo), Ahitsio
Miontailanina: (ontailanina) mt. s.: Mibilaka, mitongilana na misompirana; mandringa ila (rafitra). Ahitsio
Miontana: (ontana) mt. s.: Mihendratra, mientana, taitra tampoka (ny fo): Niontana iray ihany ny fony noho ny tahotra. Mason-tanora miranga ny anay / ha mifenifeny ny hahazo / Fon-jatovo miontana / ka miharana ny mba hotanana. (Tsel) Ahitsio
Miontany: (ontany) mt. P. (tsy fampiasa loatra intsony: Manontany, manadina. Ahitsio
Miorika: (orika) a.: Ny toerana misolampy miakatra avy any an-dohasaha ho any antenankavoana. Ahitsio
Miorika: (orika) mt. s. (mioriha): Miakatra avy any an' avan-drano mankany an-doharano, izany hoe any amin' ny toerana iavian'ny rano amin'ny renirano. - F.-p.: Sady mivalana no miorika: sady mandoa no mivalana. ¶ M,h,: Miakatra any irà; mifanohitra aminy: Mivalana. Ahitsio
Miorina: (orina) mt s. (miorena): Mitsatoka: Miorina tsara ve io fefy io? • Mitsangana: Miorina lauitra ny tanna ny trano fitsaboana. • Misy, tafajoro: Efa miorina eto izao ny fikambanan'ny mpifady toaka. Ahitsio
Mioritra: (oritra) mt. s.: Miforiporitra: Nioritra ny lamba tao am-bata ka pasohy alohan'ny hitondranao azy. ? Folaka, pitsoka: Nibolisatra tao an-tokotany aho ka nioritra ny tanako. Ahitsio
Mioroka: (oroka) mt. s.: Mifanorpka. ? Mipaka: Mioroka affiin'ny trano fianarana ny trano fanaouam-pety. Ahitsio
Miorotra: (orotra) mt. s.: Mitovy amin'ny Manorotra. Ahitsio
Miory: (ory) mt. s.: Malahelo, mijaly: Tonga izahay miaramiory aminareo. Ahitsio
Miosanosana: na Manosanosana (osanosana) mt. s.: Mihinana, mamosibosika, mandrapadrapaka, mandrepodrepoka. Ahitsio
Miotinotina: (otinotina) mt. s.: Mihozongozona, mihetsiketsika. •Mirintondrintona, Ahitsio
Miotra: (otra) mt. s. (miora): Safoina sy tsindriana amin' ny rantsantanana mba hitsotra ny hozatra amin'ny faritra marary: Miotra isan-kerinandro aho. Ahitsio
Miotrika: (otrika) mt. s. (miotreha): Mipetraka amin'ny toerana mafana mba ho masaka, 1 h.o.: Mihiboka antrano: Miotrika mba ho madini-taua ny anao vavy. Ahitsio
Mioty: (oty) mt. p. (miotaza): Manapaka (voankazo na voninkazo) hiala amin'ny tahony, manaisotra hiala amin'ny tahony:Lasa nioty voninkazo any an-jaridaina any izy. Ahitsio
Miova: (ova) mt. s. (miovà): Mi-solo ho hafa, manjary hala: Niova tokoa izy! Izy ilay mpisotro toaka taloha iny tonga olona mato-piainana ankehitriny. ? Manolo amin' ny hafa: Niova lalana izy ireo nony nandre izany. 1 Tonga, lasa: Miova ho orana ny rahona rehefa sendra toerana mangatsiaka. ? Miofo: Miova ho sahona ny tsiboboka. Ahitsio