Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Miranirany: (ranirany) p.t.: Sady maro no mitrikitriky: Mahia loatra ity zaza ity fa tsapa miranirany ny taolany, Ahitsio
Miranitra: (ranitra) p.t.: Mifilofilo, mirangitra. • Manao tokantranomaso. Ahitsio
Miranorano: (ranorano) p. t.: eiteny amin'ny volo mirakaraka, mihaha. Ahitsio
Mirantiranty: (rantiranty) mt. s. (mirantirantia): Mitandahatra amin'ny toerana avo na mora hita ka tazana avy lavitra na miharihary tsara: Mirantiranty eny amin'ny talantalana ny entam-barotra amin'ny ankabeazan'ny mangazay. / Nirantiraty teny an-dauarangana ny fianakauian-dRazazauauy teo ampiandrasana ny mpangataka. • Mitsangantsangana mitandahatra (zavamaranitra na fiadiana): Nirantiranty nanaraka ny rindrina ny benitry ny miaramila. Ahitsio
Mirantsana: (rantsana) p. t.: Misy rantsana: Mirantsana fito ity fanaovanjiro ity. Ahitsio
Miraoka: (raoka) mt.: Maka sy manongotra ahitra amin'ny vava toy ny fanaon'ny omby, ondry, sns...: Zanak'omby laui-kijana, anaty toerana manavia; / miraoka ahitra tsy mba voky, mimaona foana, laui-mpanoina (F. Rai.) Ahitsio
Miraona: (raona) mt s.: Mandefa feo maro miaraka sady mafy: Andeha isika hody razandry / (..); ny kotroka injany miraona! i dada any izay efa miandry, / i neny mitazana foana. (Rafan.) Ahitsio
Miraondraona: (raondraona) mt. s.: Miara-maneno mahafinaritra, miredona. Ahitsio
Miraotra: (raotra) mt. p.: Fiteny amin'ny biby mihinana ny ahitra na ny laingon-javamaniry eny an-tsaha: Miraotra ahitra erys auara-tanàna ny ombintsika. ? Mihogo: Volo tsy miraotra akory no nentiny nivoaka fa efa maika izaitsizy izy. Ahitsio
Mirapaka: (rapaka) mt. s na p. t.: Tafintohina ka latsaka any anaty lavaka, mitsofoka tampoka ao anaty lavaka; mitsarapaka. Ahitsio
Miraparapa: (raparapa) mt. s.; Mandeha na mamindra tsy mahita izay hodiavina ka mitsapatsapa; mandeha amin'ny maizina: Maty tampoka ny jiro ka niraparapa eran'ny trano aho. ¶ M.h.: Mitsapatsapa, mipapapapa, miapanapana, mipampana, mipempena. • Mandeha-mizotra fotsiny amim-pahamaikana ka tsy mihevitra izay ho vokany, mandeha anjamba mitotototo, manao zavatra tsy voakendry: Niraparapa tany amiko izy taorian'ny nahavoazan-janany. ¶ M.h.: der. Mipapapapa. Ahitsio
Miraraka: (raraka) mt. s.: Mianjera na mihintsana ka miely: Nisy ranomanitra niraraka teto. / Niraraka teto ny vonim-boasary. Ahitsio
Miraratra: (raratra) mt. Mihaingo, miravaka, mirarnatra. Ahitsio
Mirary: (rary) mt. s. na p.t.: Vita rary: Rindra mirary ny tsihy. • Voamboatra, voavitrana: Efa mirary izao ny fihauananay, 1 Mora, tsy lafo: Mirary ny uidin-jauatra ato amin'ity mpivarotra ity. Ahitsio
Mirary: (rary) mt. p. (miraria): Mangataka faherezana na fandresena ho an'ny mpiady amin'ny alalan'ny hira, vavaka. 1 Maniry soa ka mangataka izany amin'ny alalan' ny vavaka ho an'ny olona iray: Mirary soa ho anao aho amin'izao fiandohan'ny tao-na izao. - F,-p,: Anjoro firarazana: ny atao hoe anjoro na zoro firarazana dia ny zoron-trano avaratra atsinanana; mitodika any amin'io toerana io ny raim-pianakaviana ntaolo taloha amin'ny tsinan'ny alahamady ka mitanisanisa firarian-tsoa ho an'ny taranany, fa io no taombaovao tamin' ny Malagasy fahiny. /Mirary soa: mitso-drano am-pitiavana, maniry soa ho an'izay itenenana. Ahitsio
Mirasa: (rasa) mt. s.: Voadidy: Hena efa nirasa ireo. Ahitsio
Miratra: (ratra) p. t.: Enti-milaza ny volana izay tsy boribory intsony fa efa nahabangana: Hefarana izay no fenomanana ka efa miratra ny volana. - F,-p.: Mira-bolana: mihabanga na raya ny maha-boribory ny volana fenomanana. Ahitsio
Mirava: (rava) mt. s. (miraud): Mivoaka ny fianarana, ny trano fiasana: Amin'ny dimy no miraua ny mpiasa. 1 Miparitaka, mihahaka: Miraua ny uahoaka. ? Vita, mifarana: Miraua ny fiangonana. 1 h.o.: Tsy tanteraka: Miraua ny fitsangantsanganana rahariva fa ratsy ny andro, - F.-p.: Mirava maina: entimilaza fivoriana izay nifarana tsy nisy hevitra tapaka na nahitam-bokatsoa. J Miraua samy marina: zava-niseho tamin'ny andron-dRanavalona II no nahatonga an'io fitenenana io: somary sahala amin' ny didy manko, hono, ny miangona tamin'izany, ka tonga tao am-piangonana ny olona nefa tsy nisy mandrakariva ny mpitari-pivavahana; koa rehefa nirava ny olona, dia samy nirava samy marina, hono, satria samy tao am-piangonana nefa tsy niasa alahady. Ahitsio
Miravaka: (ravaka) mt. s. na mt. p. (miravaha): Misy na mi-tondra ravaka: Mirauaka ny efitrano. •Mitondra: Miravaka galona ny tratran'ny mpandresy. Ahitsio
Miraviravy: (raviravy) mt. s. (miraveraveza): Mihantona, mikiramborambo: Tapaho io hoditra mirauirauy ia. - F.-p.: Mirauiravy tanana: kivy, diso fanantenana, gai-na. / Mirauiravy ny masoandro: efa hariva, madiva hilentika, mby hisoka ny masoandro. / Tsy maharitra ny me-na mirauirauy: tsy mahatohitra ny fakampanahy. * Ohab.: Raha manao tsy ambinina, ampisambory fa ha-urina ory; fa raha mirauirauy tanan-tsy manao, auelao hivarina aman-tany: enti-milaza fa izay miezaka — na tsy ambinina aza— dia mendrika ny hampiana, fa izaY mitomoemoe-poana kosa, tsy tokony hokarakaraina: ¶ M.h.: Mihantona, mikiraviravy, mirazorazo, mikirazorazo, miramborambo, mikiramborambo, mirozaroza, mikirozaroza, mitarozaroza, mikirombaromba, mitarozaka, mikivilivily, misahondrahondra. Ahitsio