Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mirombaka: (rombaka) mt. s, (mirombaha): Maka an-keriny. Ahitsio
Miromborombo: (romborombo) mt. s.: Misy romborombony mitarozadrozaka, Ahitsio
Mirombotra: (rombotra) p.t.: Rovitra, rombina. Ahitsio
Miromodromotra: (romodromotra) mt, s.: Misy nifinifiny ohatra ny tsofa na taratasy ratsy farana. 0 h,o,: Mirintona tezitra ka mampiseho nify. Ahitsio
Miromoromo: (romoromo) p, t.: Mitarozadrozaka. Ahitsio
Mirona: (rona) mt. s.: Mihilana miankavia na miankavanana na somary miondrika, miraika, mitongilana: Miro-na ity andry ity izany, 0 h, o.: Mirona amin'ny politika ny lohan-janakao. 0 Efa ho raya: Mirona ny fanjakana. ? Ta hatory ka miraika atsy miraika aroa ny loha: Andeha hamonjy fandriana fa efa mirona daholo ireto ny ankizy, Ahitsio
Mironaka: (ronaka) mt. s. (mironaha): Tia fatratra, matimpitia: Efa ela no fantatro ho nironaka tamin'iny zazalahy iny ny zanakao. Ahitsio
Mirondrarondra: (rondrarondra) mt. s.: Mirazorazo, miraviravy: Mirondrarondra ny ravin. ny hazomalahelo. Ahitsio
Mirondrorondro: (rondrorondro) p.t.: Mivindfmbindina, mibinabinaka (tarehy). Ahitsio
Mirongaronga: (rongaronga) rat. s.: Mitombo haingana, maroroka izaitsizy ao anatin' ny fotoana tsy ela: Mirongaronga er? ity zanakao faralahy ity. Ahitsio
Mirongatra: (rongatra) mt, s.: Miseho indray miaraka (entimilaza indrindra ny aretina misy votrovotro, toy ny kitrotro, bonibony): Nirongatra anikeheo ny kitrotron' i Bao kely. 0 Mandositra mamaky vala: Nirongatra ny ombin-dRakoto halma, ¶ M,h.: Mandrongatra. Ahitsio
Mirongirongy: (rongirongy) mt. s. (mirongirongia): Manao ditra, mikiry, mikiribiby. Ahitsio
Mirongo: (rongo) p.t.: Misy vakana ny sisiny (lamba). 0 mt. p. (mirongoa): Mitondra eny amin'ny tena: Mirongo fiadiana izy rehefa miuoaka, Ahitsio
Mirongotra: (rongotra) mt. s. (mirongota): Mitondra zavajavatra maro mampananosarotra ny tena, mitondra ankizy kely maro miaraka amin' ny tena. Ahitsio
Mironjina: (ronjina) mt. s.: Mianjera any anoloana toa misy manosika. Ahitsio
Mirontona: (rontona) mt, s.: Mandeha haingana, mihazakazaka dodona. Ahitsio
Miropiropy: (ropiropy) mt. s.: Mivelona mahantra fadiranovans. Ahitsio
Miropy: (ropy) mt, s.: Mitakoko, mipetraka manjokaiky. ? h,i.: Mialoka: Izany, rahauako, no roa lahy milanja ambetraka, ka sendra laviana miara-miropy, sendra mafana miara-mihinjaka. (Tsel.) Ahitsio
Miroraka: (roraka) mt. s.: Miketraka, migedragedra, mitambotsotra: Miroraka ny tady. / Miroraka ny kibon'ir? olona matavy be ir?. ¶ M.h.: Mirotaka. Ahitsio
Mirorika: (rorika) mt, s.: Miketraka, miborerarera. Ahitsio