Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mipololotra: (pololotra) mt. s. (mipololora): Mivoaka be dia be na misesika betsaka: Injay manako moramora / toa ra mipololotra, / feo kely feno akora, / sady latsa mafy loatra, (J.J.R.) Ahitsio
Mipongatra: (pongatra) mt. s.: (mipongara): Miseho. Ahitsio
Mipopopopo: (popopopo) mt. s.: Mifofofofo: Rivotra mipopopopo. Ahitsio
Miporaretra: (poraretra) mt. s. (miporareta): Mandre maharary mafy noho ny mandalo. Ahitsio
Miporetaka: (poretaka) mt. s. (miporetaha): Mietry, mipetraka, mivareraka amin'ny tany. . Ahitsio
Miporetika: (poretika) mt. s. (miporetaha): Mifangaro, misafotofoto;miparitaka. Ahitsio
Miporetra: Miporedretra (poretra) m t. s.: Marary kibo mivalan-dava; maloto, voretra. Ahitsio
Miporetsika: (poretsika) p.t.: Be fotaka, marihitra. Ahitsio
Miporiatra: (poriatra) mt. s. (miporiata): Mandositra; mipariaka (toy ny an diam-borona voakotaba) ; miporitika. Ahitsio
Miporipory: (poripory) p.t.: Mahantra fadiranovana. Ahitsio
Miporitika: (poritika) mt. s. (miporitiha): Mifantsitsitra, mipariaka, mipitika hatraiza hatraiza. ? h.o.: Mangovitry ny tahotra, rano an-dravina. Ahitsio
Miporitsaka: (poritsaka) mt. s. (miporitsaha): Mianjera avy eny an-tanana tsy hita akory: Lazainy fa niporitsaka teny an-tanany ny poketrany, 1 h.o.: (olona) Lasa nidify haingana tsy tra-maso: Niporitsaka indray, hono, Rainivoanjo fa tsy nataon-dry zareo tsara ambina. Ahitsio
Miporoatra: (poroatra) p.t.: Mihoa-pefy. Ahitsio
Mipororoatra: (pororoatra) mt. s. (mipororoata): Mihoatra, mihoa-pefy. • Lasa na tonga manao rodobe. Ahitsio
Miporotsaka: (porotsaka) mt. s. (miporotsaha): Mianjera mitsoriaka, mikorotsaka: Loza fa niporotsaka ilay zaza nobabeny. 1 Mandositra: Varivariana ny mpiambina ka niporotsaka ilay jiolahy. Ahitsio
Miposaka: (posaka) mt. s. (miposaha): Miseho ho hita: Nisy lain-tsambo niposaka ter? amin'ny farauodilanitra. ~ Mitranga, miseho (fiteny indrindra raha ireo antontanjavatra eny amin'ny habakabaka: volana, masoandro... no lazaina): Amin'ny 6 ora no miposaka ny masoandro amin'izao fizaran-taona izao. 1 Miseho miharihary: Niposaka ela ny ela ny haratsiampanahin'ilay karilahy iny. Ahitsio
Mipotika: (potika) mt. s.: Mizarazara: Mipotika loatra ny louanay ka kely bitika ny anjaran-drery. ~ Manakiana, manala baraka. Ahitsio
Mipotikana: (potikana) mt s. (mipotikàna): Mandositra na miala tsisy mahita; miporitsaka; mibolila: Rakoto ve? mpiboiilalila iny; loza iny raha hipo tikana. Ahitsio
Mipotraka: (potraka) mt. s.: Midina, mirotsaka: Raha uao vita ny hiram-pirenena dia nipotraka ny saina. / Nipotraka ny ranomasony. Ahitsio
Mipotsaka: (potsaka) mt. s. (mipotsaha): Mivoaka ivelan'ny tranony: Miki hipotsaka ny masony. 1 Mivoaka, miseho avy ao: Misy nana mipotsaka avy ao omin'ny vay. / Mahatsiravina ny nahita ny taolana nipotsaka avy ao anatin' ny nofo. 0 h.i.: Miarina, mivoaka avy ao am-pandriana: Tamin'ny telo maraina izy dia nipotsaka avy tao ampandriana. Ahitsio