Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Miretaka: (retaka) mt, s. (miretaha): Mikoa, mirodana: Niretaka ny tamboho noho ny orana. 1 Mipetraka na matory tsy afa-miarina, mihonaka: Mire toisa eo am-pandriana ao izy indroa andro izao. Ahitsio
Miretareta: (retareta) mt. s. (miretaretà): Mitaredretra, mitavozavoza. Ahitsio
Miretidretika: (retidretika) mt. s. na p.t.: Misafotofoto, mikotikotika, tsy milamina, misomaradirnbana. Ahitsio
Miretsika: Miretsidretsika (retsika) mt. s.: Manche volivoly. 1 Mihahohaho be dia be mihetsiketsika: Miretsidretsika ny outra ao anatin'ity voasary ity. ? (valiha) Mann-no mahafinaritra: Misy valiha henoko miretsidretsika van maraina. Ahitsio
Mirezareza: (rezareza) mt. s. (mirezarezà): Mandeha miadana misonanina manketsy sy mankaroa. Ahitsio
Mirezatra: Mirezadrezatra (rezatra) mt. s. (mirezadrezata): Mitezitra, miteny an-katezerana, mitrerona. Ahitsio
Miriadriaka: (riadriaka) Falifaly tafaraka. Ahitsio
Miriadriatra: (riadriatra) mt. s.: Mandeha na manao zavatra amin-katezerana arahim-pihetsika mitratrevatreva tsy misy fitsitsiana na dia kely aza: Asa izay nahazo azy fa niriadriatra er? izy nilaza izany tamiko. Ahitsio
Miriaka: (riaka) mt s.: Mande-ha miara-be (toy ny akohokely, ny ankizy)• Ahitsio
Miriandriana: (riandriana) mt. s.: Milalao, mikarenjy, miriariaria. Ahitsio
Miriaria: (riaria) mt. s. (miriariaua): Mikarenjy sy milalao amin-kafaliana: Miriaria eran'ny ala ny voron-kely. Ahitsio
Miriatra: (riatra) mt. s. (miriata): Mandositra. ? Lasa mirintona: Notenenina kely fo-ana ny anao dia niriatra. 1 Mitsiaka, rovitra ka heno mitsefaka ny faharovitana: Niriatra ny pataloany. F? Mipoaka mafy tampoka; mikotrokotroka: Matahotra mafy ny zafy keliko raha misy varatra miriatra. Ahitsio
Miribariba: (ribariba) p.t.: Mirotarota tahaka ny kibo be ; mikonesanesa rehefa mandeha. Ahitsio
Miridana: (ridana) mt. s. (miridàna): Milefa mandositra betsaka indray miaraka: Niridana ny mpianatra raha uao uelona ny lakolosy. Ahitsio
Miridiridy: (ridiridy) mt. s. (miridiridia): Henjana tsy mety miketraka: Miridiridy loatra io tady io. ? Mijoro tsy azo folahina, henjana, mihinjitra, miziriziry: Niridiridy teo antokonana teo izy fa tsy nety niditra. Ahitsio
Mirifatra: (rifatra) mt. s. (mirifata): Mandositra, milefa, manidina: Nirifatra niaraka tamin'izay ireo andiam-borona. Ahitsio
Mirihana: (rihana) p.t.: Misy rihana: Trano mirihana no tadiauinay. ? Misy ngorodona. Ahitsio
Mirijarija: (rijarija) p.t.: Avo, tsara bika, maradondradona: Tovolahy mirijarija. Ahitsio
Mirikarika: (rikarika) p.t.: Miranirany, mitringitrir.gy. Ahitsio
Mirimodrimotra: (rimodrimotra) mt. s. (mirimodrimota): Miala amin-katezerana sady mirintona. Ahitsio