Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Miolonolona: (olonolona) mt. s. (miolonoldna): Tsy mba miray amin'ny olona fa mitokantokana; mihatakataka tsy te hihavana, mihafahafa. Ahitsio
Miolotra: (olotra) mt. s.: Akaiky, mikasika, mifampikasika: Miolotra ny sahanay ny sahany. • Miohatra, mitaha: Ratsy ity satroka ity miolotra amin'itsy iray itsy. - F.-p.: Miolo-nono: iray no-no, miray nono. / Mifanolotra: mifanakaiky. /Mifanolobodirindrina. Ahitsio
Miomana: (omana) mt. s. (miomàna): Manao ny fitandremana rehetra ilaina mba hahombiazana amin'izay atao na tsy ho voatampoka raha misy zava-mitranga: Nahomby tamin'ny fanadinana izy satria niomana tsara. • Manao izay rehetra hahavonona ny tena amin'ny fanaovan-javatra na asa iray: Nandritra ny hateloana, niomana tamin'ny diany foana izy. Ahitsio
Miomba: (omba) mt, p.: Manaraka: Niomba an'iryr lalana iry) ilay olona nandositra. • Mandeha miaraka amin'ny: Miomba an-dreniny mandrakariva Ibalita, na miantsena na mamangy havana na miuauaka. 1 Miandany: Izay miomba ny fahavaloko tsy mety ho namako. Ahitsio
Miombona: (ombona) mt, s. (miombôna): Mandray anjara amy..., miaraka amy: Miombona alahelo aminao izahay. Ahitsio
Miombotra: (ombotra) mt. s. (miombota): Miongotra. Ahitsio
Miomby: (omby) mt. s.: Entimilaza ny bibindandy miova ho soherina: hodidininy ny tenany ny kofehy notehiriziny tao an-kibony izay manjary akoran-dandy, dia mibonoka matory ao izy. Ahitsio
Miompa: (ompa) mt. s. (miompà): Manozona olona hifotitra amin'ny havany akaiky: Niompa azy tamin-dreniny izy na Niompa reniny azy izy. Ahitsio
Miompana: (ompana) mt. s. (miompàna): Miraikitra, mipetaka: Niompana tamin'ny hazo izy no notifirina. 1 Miankina, mifototra: Miompana amin'ny hevitra hoe "nateraka ho tsara ny olombelona" ny fampianaran'i Rous-seau, Ahitsio
Miompy: (ompy) mt. P. (miompia): Mamelona sy miahy ary mikarakara biby: Be miompy soavaly hatreo Ambatolampy ka hatrany Antsirab e. Ahitsio
Miondana: (ondana) mt. s. (miondàna): Manana ondana: Matory tsy miondana. ? Mampiasa ho ondana: Miondam-bato. ~ F.-p.: Miondam-bary, ronono, tantely...: mivatsy na mitao vary, ronono, tantely.,. ) Tsy miondan-tanana: tsy mihafy. Ahitsio
Miondevo: (ondevo) mt. s.: Enti-milaza tompo sy andevo miaraka: Lasa niantsena izy miondeuo, Ahitsio
Miondrana: (ondrana) mt, s. (miondràna): Miditra amin' ny lakana na ny sambo mba handeha hiampita: Tamin'ny fito maraina izahay no niondrana ho any Maurice. Ahitsio
Miondrika: (ondrika) mt. s. (miondreha): Milefitra ny loha, mirona, miraika mialoha: Miondrika rehefa miarahaba olona ambony. 1 Manarampo (amin'ny alahelo): Aza dia miondrika amin'ny alahelo. Ahitsio
Miongaka: (ongaka) mt. s. (miongaha): Miala, miesotra, la-sa: Niongaka izy rehetra. • Miendaka: Nipoaka ny vato ka betsaka no niongaka, Ahitsio
Miongana: (ongana) mt. s. (miongàna): Mianjera ambony ambany, mihohoka: Niongana ny latabatra. • Lavo, po-traita: Niongana tao amin' ilay kisolosolo auaratra tao izy. ? Mietry, miletsy: Efa niongana ela ilay mpitandrina teto fantatrao. Ahitsio
Miongotra: (ongotra) mt. s. (miongôra): Miala hatramin'ny fakany: Niongotra ho azy ilay bararata naniry tao atsinanan-trano. Ahitsio
Mionitra: (onitra) mt. s.: Miefa: Nionitra ihany lahy ny fatiantony! • Misolo: Matokisa fa hionitra ny andronao very. ? Miverina: Raha mba olona misaina koa ilay nangalatra, hionitra ny famantaranandronao volamena iny. Ahitsio
Mionjika: (onjika) mt. s.: Mirintona amin-katezerana, Ahitsio
Mionjinonjina: (onjinonjina) mt s. (mionjinonjena): Midoladola sady mamindra somary miaingitra kely. Ahitsio