Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mipotsiatra: (potsiatra) mt. s.: Mifantsitsitra, miporitika (enti-milaza ranon-javatra voaporitra ka mivoaka). Ahitsio
Mipozipozy: (pozipozy) p.t.: Mitaredretra, mitavozavoza; mahantra, sahirana noho ny fahantrana. Ahitsio
Mipy: (py) mt. s. (mipiza): Mikimpikimpy (maso): Nijery ahy tsy nipy mihitsy izy ka menatra aho. - F.-p.: Mipy maso: mikimpikimpy maso. / Tsy mipy (maso): tsy mikimpy na kely akory aza. 1 h.o.: tsy miraika na kely aza, tsy mihontsina, tsy taitra. / Indray mipy maso: indray miserana kely; ao anatin'ny fotoana fohy dia fohy. Ahitsio
Mira: (fit.-p.) p.t.: Mitovy: 3 ampiana 4 mira 7; t.v.r. Miramira: Mitovitovy. Ahitsio
Mirabaka: (rabaka) mt. s. (mirabaha): Miditra an-kasahiana, mitsofoka an-kasahiana izaitsizy. Ahitsio
Mirabaraba: (rabaraba) mt. s. (mirabarabà): Manao tsy ampiheverana. Ahitsio
Miradarada: (radarada) mt. s.: Miteniteny foana tsy misy antony, mirediredy. Ahitsio
Miradarada: (radarada) p. t.: La-va (fiteny amin'ny nonon' omby). Ahitsio
Mirado: (rado) mt. s. (miradoa): Manae rado, mitondra rado eny am-bozona. Ahitsio
Miraefadafy: a.: Marolafy izay mitovy halava ny lafy efatra aminy fa ny zoro kosa mitovy tsiroaroa. Ahitsio
Mirafandrafana: (rafandrafana) mt. s.: Mienjika atsy mienjika aroa; mivadi-po. ¶ M.h.: Mitrifantrifana, mihavatravatra, mihoalahoala. Ahitsio
Mirafitra: (rafitra) mt. s. (mirafeta): Miraikitra, miady: Mirafitra tsara ny biriky amin' ity trano ity. • h.o.: Mikezaka, mimaso, mikely aina: Mirafitra amin'ny fianarana i-z y. Ahitsio
Mirahalahy: (rahalohy) p. t.: Enti-milaza ny fifatoram-pihavanana misy amin'ny lehilahy roa na maro iray ray sy iray reny: Mirahalahy Rabe sy Rakoto. Ahitsio
Mirahana: (rahana) p.t.: Entimilaza izay rehetra nampangotrahina: Katsaka nirahana (mitovy amin'ny katsa-drahana). Ahitsio
Miraharaha: (raharaha) mt. s. na mt. p. (miraharahà): Mikarakara: Tsy miraharaha ny zanany akory izy. • Mihevitra, mieritreritra, midinika: Miraharaha ny amin'ny fanambadian'ny zanany ireo fianakaviana roa ireo. • Miahy, mikanonkanona: Rakoto no miraharaha ny uarotray. Ahitsio
Mirahavavy: (rahauauy) p. t.: Enti-milaza ny fifatoram-pihavanana misy amin'ny vehivavy roa na maro iray tampo. Ahitsio
Mirahona: (rahona) p.t.: Mitarehin-drahona, mitoe-drahona, mivolon-drahona: Fatratra izany raha tarehin'olona; ny uolony mirahona ngalingaly. Ahitsio
Miraika: (raika) mt. s. (miraiha):Mirona, mitongilana: Miraika ity andry ity izany fa aza manakaiky eto. Ahitsio
Miraikiraiky: (raikiraiky) p.t.: Varimbariana, misalasala be ihany, miadam-piasa. • Adaladala, mitahontahona. Ahitsio
Miraikitra: (raikitra) mt. s. (miroiketa): Mipetaka, mifetaka: Tsy miraikitra tsara amin'ny valopy ny hajia. • h.o.: Mifikitra: Aoka tsy hiraiki-po amin'ny zauatry ny tany. Ahitsio