Milofo | : | (lofo) mt. s. (milofosa): Miezaka amin-kiry, mampiasa ny hery rehetra azo a-tao, mikely aina: Nilofo mafy tamin'ny fianarana izy ka tsy mahagaga raha afa-panadinana. ¶ M.h.: Mikofo, mifofotra, mikezaka, miezaka, milozoka, mikokotra (mikikitra), mikoko-maty, mikely aina, mimaso, mikiry, mikiribiby, manao salaka fohy rambo, manao sakafo ambany foitra, mandany mondron-kery, tsy mitandro hasasarana, tsy mitarain-tanana ompaka, tsy mikely soroka, mivaky tratra, fola-damosina, mandany ron-doha, mimokitra, mimokimoky, miokitra, mikoremby, misikim-ponitra, mialakaforo, mialakabontana, miady fo, tsy miroa fo, tsy manamohamo, tsy mikoso-maso, may volon' orona, may volon-tratra, miongo-bolo, miady fo aman' aina, manao anjolofo, manao kely andilana, milofika, tsy misatry fanahy, tsy mandala aina, mikaozatra, mitozo, manao valangitrika, manao ' amboa ditsika, manao lazo be, manao ain-tsy ho zavatra, manao ampinga tratra, manao vy very ny aina, tsy manary karama, tsy miala vehana, manao botraika, manao an-ditra, manao an'aina, tsy mandry andro tsy mandry alina, miantotomaty, sady mifofotra no mively vy.
Ahitsio |
Milofo | : | (lofo) mt, s.: Manana omby hovonoina hatao loto.
Ahitsio |
Miloha | : | (loha) mt. s.: Miendrika lohan-javatra toy izao na toy izao: Miloha lefona ny tahon'ny saina.
Ahitsio |
Milohaloha | : | (lohaloha) mt. s.: Mihambo ho lohany, miseho ho mandidy ny hafa.
Ahitsio |
Miloka | : | (loka) mt. s. (milokà): Milalao vola (misy zavatra iadiana: karatra, kodiakely, hazakaza-tsoavaly... ka ma-nome vola an'izay maharesy izay resy na maty loka). - F.-p.: Miloka lefona: miady, mifamely amin'ny lefona.
Ahitsio |
Miloko | : | (loko) mt. s.: Misy loko: Miloko mena itsy trano itsy.
Ahitsio |
Miloloha | : | (loloha) mt, p. (milolohava) :Mitondra (zavatra) eo ambony loha: Hitako niloloha sobiky nankany antsaha any izy. • Manampy, manohana havana sahirankirana: Iza indray no hiloioha ireo havam-badinao sahirana ireo raha tsy ianao? • Misahana zavatra betsaka maro karazana: Niloloha raharaha betsaka loatra izy. - F.-p.: Miloloha lamba: teny enti-milaza ny mpamosavy. / Miloloha rano roa siny: misahana na manao raharaha maro miaraka. J Miloloha tsy mihalana: manao kitoatoa toy ny manomboka raharaha nefa tsy maminavina akory ny vola holanina amin'izany. * Ohab.: Miloloha lanitra ka lena: enti-milaza fa ny olombelona dia mety diso na mety ho voan-javatra, toy ny aretina, ny voina... (matetika io fitenenana io dia ampiarahina amin'ny hoe: "Man-dia tany ka lavo...").
Ahitsio |
Milomano | : | (iomano) mt. s. (milomanosa): Misosa amim-pahaizana ao anaty rano: Mianatra miiomano Ibalita. ? h. o.: Manaxam-po amy, finaritra, miadana: Milomano amin'ny hareny izy. - F. p.: Milomano mitsitsinjavatra: fampisehoana fahaizana milomano ka ny tanana iray mivoy ny rano, ny iray mitondra zavatra arangaranga eny ambony rano. J Milomano tsy mikobaka: enti-milaza fanaovan-javatra mangingina, tsy mitabataba, tsy avoaka ho fantatry ny olona.
Ahitsio |
Milomay | : | (lomay) mt. s.: Mandeha haingana, mihazakazaka.
Ahitsio |
Milomodomotra | : | (lomodomotra) mt. s.: Miseho sosotsosotra, kitokitoina.
Ahitsio |
Milomy | : | (iomy) mt. s.: Miray (fiteny amin'ny biby).
Ahitsio |
Milona | : | (lona) mt. s. (miloma): Mijanona maharitra ao anaty rano: Raha tiana hadio tsara ny lambanao, avelao hilona ao anaty rano vao sasana. ? Mandro amin'ny rano voalaza ho manan-kasina hahasitrana: Lasa nilona amin'ny ranomafana any Antsirabe izy, • Mijanona ela loatra: Nilona ela loatra tao an-trano ny entam-barotra ka saiky simba tao daholo.
Ahitsio |
Milondolondo | : | (londolondo) p.t.: Sorisorena, mavesabesatra toa ta hatory ny maso, tsy falifaly fa kamo. ? h.o.: (andro) Mavesabesatra toa mampatory.
Ahitsio |
Milonika | : | (lonika) p.t.: Osaosa sy ketraketraka; mavesabesatra sy mitanondrika toa tsy mahazaka loba.
Ahitsio |
Milonjehitra | : | (lonjehitra) mt. s.: Mitanondrika ny loha no-ho ny havesatry ny zavatra manindry, milofika noho ny havesatry ny voa entina: Milonjehitry ny voany ity paiso ity. ? h.o.: Tsy mijoro mahitsy tsara fa somary man-dry ila.
Ahitsio |
Milonjitra | : | (lonjitra) p.t.: Trotraka, osa.
Ahitsio |
Milonjo | : | (lonjo) mt. p. (milan-fou): Mitondra enta-mavesatra samy irery. • h.o.: Mi-tondra ny mafy tsy misy mpanampy: Rakoto irery no nilonjo ny fahoriana nidona tam in y.
Ahitsio |
Milopilopy | : | (lopilopy) mt. s. (milopilopia): Mipipy maso, mipendrampendrana: Milopilopy izany hazavana izany ka mamparary maso. ? Tsy mazava tsara: Milopilopy ny jiro (mitsilopilopy no fiteny matetika kokoa).
Ahitsio |
Milotaka | : | (lotaka) p.t.: Malemy, mifotetaka.
Ahitsio |
Milotika | : | (lotika) p.t.: Malemy boda: Milotika loatra ity vary ity. ? Maloto, misotisoty, misotitika: Hatramin'ny ma-raina ka hatramin'ny hariva, milotika foana ny tarehin' io zaza io, 1 Sosotra mafy na tezitra any am-po: Milotika ny atin-dRamatoa iny nahita azy,
Ahitsio |