Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Milotsaka: (lotsaka) p.t.: Motsika ao anaty rano. Ahitsio
Milozoka: (lozoka) mt, s. (milozoha): Milofo amin'izay a-tao, miezaka amin'ny fianarana: Milozoka amin 'ny asany tokoa izy ka mendripiderana. ¶ M.h.: Jer. Milofo. Ahitsio
Milozotra: (lozotra) mt. s.: Mikikitra amin'ny asa iray nefa tsisy vokany. Ahitsio
Mima: (ma) mt. s.: Mitrena. Ahitsio
Mimalo: (malo) mt, s.: Matahotxa ka mihemotra, tsy sahy mandroso na manao. Ahitsio
Mimamà: (mamà) mt. s.: Mitrentrena, mitrena matetika. * Ohab.: Ataovy hanin'omby sady mimamà no miraoka, fa ny alahelo tsy efan-jo retra: tsy tokony hitanondrika foana amin'ny alahelo, fa na malahelo aza, tsy azo avala ny asa fitadiavam-pivelomana. Ahitsio
Mimamamama: (mamamama) mt. s.: Enti-milaza zavatra mamoaka feo mafy, mifofofofo, mimaona: Misy matahotra, fa izaho kosa faly amin'ny fandrenesana izany riaka mimamamama izany. Ahitsio
Mimamo: (mamo) mt. s. (mimamoa): Misotro be loatra ka tonga mamo: Nimamo tany indray izay Rakoto. Ahitsio
Mimaola: (maola) mt. s.: Mipelipelika, mijefijefy. Ahitsio
Mimaolamaola: (maolamaola) mt. s. na p.t.: Mihetsiketsika mijefijefy, mipelipelika: Olona efa dimampolo taona iny ka mbola mimaolamaola ihany. Ahitsio
Mimaona: (maona) mt. s.: Miriotra mafy, mandeha sady haingana no mafy: Nimaona niankandrefana any izy. Ahitsio
Mimasimasy: (masimasy) mt. s.: Midarondarona, midonanaka.l Misalasala be ihany. Ahitsio
Mimaso: (maso) mt. s. (mimasoa): Mikezaka, mikely aina. ¶ M.h.: Jer. Milofo. Ahitsio
Mimeda: (meda) mt. s.: Miadam-panao zavatra, mitaredretra. Ahitsio
Mimenomenona: (menomenona) mt. s. (mimenomenona): Mitaraindraina be noho ny tsy fahafaliana: Nimenomenona Prato fa niangatra, ho-no, ny mpampianatra. ¶ M.h.: Mikarnenona, mimoimoy, mikafara, mimonomonona, mimonjomonjo, mikahonkahona, mikoinkoina, mikobabaka, mingonongonona, mikodradraka, mikaikaika, mitaraina, mikonaina, manao lemozy, mentsomentsona. Ahitsio
Mimeo: (meo) mt, s.: Manao feon-tsaka. Ahitsio
Mimintsimintsy: (mintsimintsy) mt, s.: Mifaly. Ahitsio
Mimiramirana: (miramirana) mt. s.: Mifalifaly, miravoravo, misariadriaka. Ahitsio
Mimoimoy: (moimoy) mt. s. (mimoimoiza): Mimonomonon-kasosorana. Ahitsio
Mimokimoky: (mokimoky) mt. s. (mimokimokia): Miezaka mafy, mikely aina, vonombonona sy marisika fatratra, mikikitra, mimokitra. Ahitsio