Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mirimorimo: (rimorimo) mt. s. (mirimorimoa): Miezaka, mihazakazaka, miriotra, mimaona: Mirimorimo ny soavaly, * h.o,: Misafoaka: Raha uao tohina izy dia mirimorimo. ? Mimonomonona: Mirimorimo ny tandrimo. • Mifioka, mibizizioka: Nirimorimo ny vaton'ny antsamotady ka taitra daholo izay rehetra tao. Ahitsio
Mirindra: (rindra) mt. s.: Milamina, milanto: Mirindra tsara ny fianarana eto aminay. . 1 Mifanaraka: Mirindra tsara ny Mpampianatra sy ny Tale. * Miditra, miady tsara: Mirindra ny andahiny sy ny ambauiny amin'ity rafitra ity, Ahitsio
Mirindrina: (rindrina) mt. s.: Mikatona, tsy mivoha: Nirindrina ny tranonareo tamin' ny izahay nandalo. • Tsy mivoaka ny trano fa mihiboka ao (mirindrin-trano no fandre matetika), mihidy amantrano: Mirindrina ao, mirindrin-trano ao Rakoto mba tsy ho voahelingelina. - F.-p.: Mirindrim-belona: ilazana ny olona manidy trano antoandro toy ny miery. Varavarana mirindrina mora vohaina: ilazana ny teny natao teo imason'ny maro ka tsahivin'ny olona mors foana. Ahitsio
Miringana: (ringana) p.t.: Ra-va, simba, levons, lany ripa-ka, tapitra tsy misy intsony. Ahitsio
Miringiringy: (ringiringy) mt. s. ( miringiringia): Miteronterona, mitsangana amin'ny rantsantongotra: Niringiringy teny ambony tamboho ny anao lahy ka nianjera. • h.o.: Miavona ka mirehareha foana. Ahitsio
Mirintona: (rintona) mt. s.: Miala tampoka, tezitra: Lasa nirintona Rakoto raha vao nahare izany teny izany. Ahitsio
Miriona: (riona) mt. s.: Mivily, mibirioka: Soa ihany fa niriona ny vato ka tsy nahavoa ahy. Ahitsio
Miriorio: (riorio) mt. s. (miriorioua): Mirenireny, mandehandeha tsy misy toniany, mirendrena, mivoivoy. ? Mivily any amin'ny tsy izy, mibirioka: Tsy mahagaga izy raha miriorio fa mbola tanora fanahy. 1 Mandeha atsy mandeha aroa, tsy mitombina amin'ny zavatra iray: Rehefa Rangahy iny no tonga, miriorio foana ny resaka a-tao. Ahitsio
Miriotra: (riotra) mt. s. (miriota): Mihazakazaka mafy, mimaona: Niriotra ilay soavaly ka saika tsy voatanan'ilay mpitaingina azy. ? Mandeha haingana: Miriotra loatra ianao izany ka tsy azoko arahina. Ahitsio
Miripaka: (ripaka) p.t.: Voany betsaka; maty daholo, ringana, levona, lany: Niripaka ny akoho tao an-tanàna tratran'ny barika. Ahitsio
Mirisarisa: (risarisa) mt. s. (mirisarisà): Mamindra miadana tsy maka sarotra ary miretareta. Ahitsio
Miritaka: (ritaka) p.t.: Lehibe mirotaka, mirotarota, (kibo). Ahitsio
Miritarita: (ritarita) p.t.: Be kibo (fiteny indrindra amin' ny vehivavy bevohoka). Ahitsio
Miritirity: (ritirity) mt. s.: Mandeha miridiridy ary maika: Rehefa manao zavatra izy miritirity foana. Ahitsio
Miritra: (iritra) mt. s.: Manao an-tsitrika. 0 Alevina amin' ny fasana vonjy maika. Ahitsio
Miritsoka: (ritsoka) mt. s. (miritsoha): Mibitsika, milaza zavatra mangingina. 0 h.i.: Ity rivodrovotra an-tanin' olona / mitsoka maraina dia mitambolona / Hariva ny andro vao mba miritsoka. (Ny Avana) Ahitsio
Mirivirivy: (rivirivy) p.t.: Entimilaza famelezana sesilany, ka tsy fampiasa raha tsy miaraka amin'ny teny toy ny hoe kapoka, tehamaina: Kapoka miriviriuy. Ahitsio
Miroa: (roa) mt, s.: Tsy fiteny afa-tsy raha miaraka amin' ny teny toy ny hoe hevitra, saina, tany, fonenana, 1ela..., ka ny heviny dia hoe: ma-nana (hevitra...) tsy tokana fa roa: Miroa saina Rakoto: sady ta handeha no te h?anona. • F.-p.: Miroa hevitra, miroa saina: misalasala, tsy tapakevitra amin'izay atao. / Miroa tany, miroa fonenana: manao trano na fonenana roa ka indraindray mipetraka any amin'ny anankiray, indraindray any amin'iiay iray hafa. j Tsy miroa fo: enti-milaza faherezana miasa na manao raharaha satria amin' ny asa tokana ihany ny fony. Ahitsio
Miroahana: (roahana) mt. s.: Misalasala, sanganehana, mihambahamba tsy matoky te-na: Niroahana be ihany izy alohan'ny handehanany, ¶ M.h.: Misalasala, miahanahana, mihambahamba, miherohero. Ahitsio
Miroandroana: (roandroana) p. t.: Finaritra, mianoka amin' ny fiadanana. Ahitsio