Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mirehoka: (rehoka) mt. s.: Mitrona (toy ny omby vonoina efa ho faty). 1 Enti-milaza ny olona miala aina, izay mitrona mafy. ? Mandrahona mafy amin-katezerana. 1 Enti-milaza ny voditongo-kiraro lany sady mivilana. Ahitsio
Miremarema: (remarema) p.t.: Lehibe mitaritarika. Ahitsio
Miremby: (remby) mt. P. (mirembe na mirembeza): Mitady haza, miambezo, mitampesona. Ahitsio
Mirendrarendra: (rendrarendra) p.t.: (zavatra) Madera, vita ravaka kanto. ? (olona) Miedinedina, mihambohambo, manandriandrian-tena. Ahitsio
Mirendrena: (rendrena) mt. s.: Mandeha etsy mandeha eroa. Ahitsio
Mirendrika: (rendrika) mt. s. (mirendreha): Latsaka ao anaty rano; miempo; miray (na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy); latsaka lalina ao anatin'ny... Ahitsio
Mirendrirendry: (rendrirendry) p.t. sady mt s.: JembY, jambena. • h.o.: Mibedibedy foana, mirediredy. Ahitsio
Mirenireny: (renireny) mt. s.: Mandehandeha etsy sy eroa tsy misy antony. Ahitsio
Mirenoka: (renoka) p.t.: Varia-na, sondriana, revo. Ahitsio
Mirenty: (renty) p.t. (mirente): Mihaingo, miravaka. Ahitsio
Mireona: Mireondreona (reona) mt. s. na p.t.: Maneno manako, mirohondrohona: Nireondreona eran'ny lohasaha ny kotro-baratra. Ahitsio
Mireondreona: (reondreona) p. t.: Enti-milaza feo manehoeho. Ahitsio
Mireotra: (reotra) p.t.: Mipiaka, mirefotra (toy ny rantsankazo tapahina). Ahitsio
Mireparepa: (reparepa) mt. s.: Mitaritarika: Mireparepa ny ziponao. Ahitsio
Mirepirepy: (repirepy) mt. Mitotototo atsy mitotototo aroa noho ny tahotra, ny fahasahiranana; miapanapana. Ahitsio
Mirepoka: (repoka) mt. s. (mirepoha): Mikarepoka, mikepokepoka. Ahitsio
Mireraka: (reraka) p.t.: Mivaha dia miboraka; mihaketraka, migedragedra. Ahitsio
Mirerarera: (rerarera) mt. s. na p. t.: Mitafy tsizarizary, miroradroraka. 1 Mibarera, mirefarefa ka mitaritarika (elatry ny vorona, akanjo). 1 Mitavozavoza. Ahitsio
Miresaka: (resaka) mt. s. (miresaha): Mifanakalo hevitra: Miresaka isan-kariva Rakoto sy ny zanany. • Manao teny ifamaliana amim-pifalifaliana momba izao sy izao: Rehefa avy homana izy ireo dia miresaka ela be, ¶ M.h.: Mitafasiry, mitafa, mitaria, mikorana. 1 Miteny, milaza: Niresaka inona taminao izy? (mt. p.). •Manao dinidinika, mandahatra: Niresaka momba ny tazo ilay dokotera. • Milaza, manambara ny heviny, mibaiko: Miresaka amin'ny ta-nana ny moana. Ahitsio
Miresaresa: (resaresa) mt. s. (miresaresà): Mandeha miadana toy ny tsy afaka mamindra, miretareta: Jereo ity olona katavy fa miresaresa mahatsikaiky. ~ Mitaredretra: Misy mpianatra miresaresa foana et?, Ahitsio