Mipetaka | : | (petaka) mt. s.: Miraikitra.
Ahitsio |
Mipetraka | : | (petraka) mt. s. (mipetraha): Mitombina (eo ampitombenana na efa tafatombina): Mipetraha eto ambony seza tompoko! / Tsy azo atao ny miarahaba mana-la satroka raha mipetraka. ? Mitoetra, monina: Mipetraha any ambanivohitra izy. 1 Ankinina amin'ny olona na banky: Vola mipetraka. ¶ M.h.: Mitombina, mitalapetraka, mitorovoka, manao torovok'amboa, misoketraka, misolaketraka, misondretaka, misonanina, misonanaka, mitorevaka, mianinanina, mihaminkamina, mivalaketraka, mitaboretaka, mibelaka, mibalelaka, mitsivelatra, mitsivetraka, mitakoko, mamitsaka, mitampisaka, mivalandotra, miampatra, miarinarina, miemonemona, minainginaingina, mininginingina, miteronterona, mitemotemona.
Ahitsio |
Mipiaka | : | (piaka) mt. s. (mipiaha): Tapaka, ka misy feo heno amin'izany: Mipiaka ity hazo ity raha vao aforitra. 1 Misy feo kely heno rehefa foizina: Mipiaka ny hao. ~ Milalao karatra.
Ahitsio |
Mipika | : | (pika) mt. s. (mipiha): Miporitika, mipitipitika, mitifitra: Nipika teny amiko ny ra. ? hi.: Mivoaka, miely: Tandremo sao misy mipika izany teny izany, ? Mivoaka, miala, mitsoaka: Nipika ny vimiainan'ny famantaranandroko. 1 Mikombona: Nitsahatra ny orana ka nipika daholo ny elo teo amin' ny kianja. 1 Mioritra, folaka: Misy mipika ato amin'ny laferako ato. ~ Mandositra, milefa: Nipika ilay mpangalatra ka tsy hita hatramin'izao.
Ahitsio |
Mipilapilaka | : | (pilapilaka) mt. s. (mipilapilaha): Mihetsiketsika mba hanaitra ny mason' ny lehilahy, mijefijefy, mijejojejo, mijilajila.
Ahitsio |
Mipilopilo | : | (pilopilo) p.t.: Marani-doha, tsokitsoky loha.
Ahitsio |
Mipingapinga | : | (pingapinga) p. t.: Kevokevoka manantena zavatra na dedadedaka bampiseho fahaizana, faly volony.
Ahitsio |
Mipintsana | : | Mipintsampintsana (pintsana) p.t.: Manifinify, mailaka, kingakinga.
Ahitsio |
Mipipika | : | (pipika) mt. s.: Mitsipitsipika, mivikimbikina: Sambory iny sabla mipipika iny. / Mipafpaika (fiteny amin'ny famantaranandro).
Ahitsio |
Mipiriritra | : | (piriritra) mt. s.: Mifantsitsitra; mivalana betsaka sady mifantsitsitra, miporiatra.
Ahitsio |
Mipiritika | : | (piritika) mt. s.: Enti-milaza ny fotaka mipitika, mifantsitsitra.
Ahitsio |
Mipisopiso | : | (pisopiso) mt. s. (mipisopisoa): Miantso ny saka.
Ahitsio |
Mipitika | : | (pitika) mt. s.: Miendaka na miala avy amin' ny zavatra iray: Nipitika ny rano ha saiha voa aho. ? Miala tampoka dia mitsambikina: Nipitika ilay parosy teto ka tsy hitako izay nalehan y.
Ahitsio |
Mipitrapitra | : | (pitrapitra) mt. s.: Mijery amin'ny maso toa mampalahelo fa mangaihay: Nipitrapitra foana teo Ihoto nony lasa ny namany.
Ahitsio |
Mipitripitrika | : | (pitripitrika) mt. s.: (menaka) Mipoapoaka, mirefodrefotra rehefa rotsahana zavatra endasina.
Ahitsio |
Mipitsoka | : | (pitsoka) mt s.: Folaka, mioritra: Mipitsoka ny tongony. 1 Simba: Nipitsoka ny famantaranandroko.
Ahitsio |
Mipoaka | : | (poaka) mt. s. (mipoaha): Mamoaka feo mafy tampoka mirefotra (vato, vanja, basy, tafondro): Nipoaka ny tafondro ka nihovotrovotra ny trano. ~ Vaky miparitaka tampoka: Nipoaha ny fitaratra voan'ny vato. ~ (masoandro na ny andro) Miposaka, na amin'ny maraina na rehefa avy nandalo tao anaty rahona: Efa mipoaka ny andro ka andeha hanahy ny vary. ~ Mivoaka miseho hita ety ivelany, mirofotra: Tsy mbola nipoaka ny kitrotron'ny zanany. 1 Miseho miharihary, vaky: Nipoaka ny tetiky ry zareo ka henatra foana no hitany. 1 Nipoako ny ady lehibe no teraka ny zandriko. 1 Misy bontsina miseho, miempaka: Nipoaka ny tanako tamin'ny asa angady omaly sy afakomaly.• Mihamahia: Nipoaka Rakoto hatramin'izay naharariany izay.
Ahitsio |
Mipoitra | : | (poitra) mt. s. (mipoitra): Miseho avy any anaty zavatra, toy ny rano avy any anaty tany, ny hatsembohana avy ao anaty masonkoditra...: Misy rano mipoitra avy ato anatin'ity vato ity. / Efa nipoitra ve ny bonibonin-janakao? 1 Miposaka: Nipoitra avy tany atsinanana indrindra ny volana tamin' izay. ~ Miseho tampoka: Indro nipoitra avy tao anaty hady ilay mpangalatra. ~ (zavamaniry) Mitranga avy ao anaty tany: Efa nipoitra ny tsaramaso namboleko.
Ahitsio |
Mipoka | : | (poka) mt. s. (mipoha): Midona, migona, mikatroka: Nipoka tamin'ny vato ny siny ka vaky.
Ahitsio |
Mipolaka | : | (polaka) mt s.: Miforitra, milefitra, mifolaka.
Ahitsio |