Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Miroatra: (roatra) mt. s. (miroata): Miseho betsaka indray miaraka: Miaramila ampolony maro no niroatra nivoaka ny zohy lava fierena. ~ Mihoa-pefy, mihoatra ny fefüoha, Ahitsio
Miroba: (roba) mt. p. (mirobà): Maka tsy miera. Ahitsio
Mirobaka: (robaka) p.t.: Loaka, gorobaka. 0 Milentika, mitsofoka anaty lavaka. Ahitsio
Mirobiroby: (robiroby) mt. s.: Miara-mifalifaly, miravoravo. Ahitsio
Miroboka: (roboka) mt. s. (miroboha): Midina ao anaty rano: Aza miroboka ao anaty rano vao maraina ianao fa sao manavy. Ahitsio
Mirobona: (robona) p.t.: Maniry tsara ka midoroboka fatratra. Ahitsio
Mirodaka: (rodaka) mt. s.: Mandanilany foana, mitobatoba (mitovy amin'ny mandrodaka ihany). Ahitsio
Mirodana: (rodana) mt. s. (mirodàna): Mianjera ambony ambany, mikoa, mihotsaka: Nirodana ny tambohonay azon'ny ranonorana nijojo tsy an-kijanona, 0 h.o.: Rava:Nirodana ny fanantenana. 0 Mianjera, mivarina: Tao ankady avara-trano no nirodana ny mpangalatra. Ahitsio
Mirodaroda: (rodaroda) p.t.: Manan-toetra mpandanilany foana. Ahitsio
Mirodona: (rodona) mt s. (miroddna): Miara-mandeha, miara-mihira indray miaraka. Ahitsio
Mirodorodo: (rodorodo) mt, s. (mirodorodoa): Mandeha maso miaraka na mirimorimo ka mitabataba be amin' izany: Inona àry izany mirodorodo any atsinanana any izany? 0 Miasa haingana, mirotoroto. Ahitsio
Mirofatra: (rofatra) p, t.: Maraorao, marokoroko. Ahitsio
Mirofotra: (rofotra) mt, s.: (Kitrotro, bonibony...) Miseho mibontsimbontsina na mipoapoaka betsaka. Ahitsio
Mirohona: (rohona) mt. s.: Mikotroka, na midaondaona any lavitra mandeha miara-be. Ahitsio
Mirohotra: (rohotra) mt, s. (mirohota): Miara-mandeha ma-ro be, mizotra miara-be: Ra-ha vao nahare ny mozika nitatatata ny mpianatra dia nirohotra nivoaka hijery, ¶ M,h.: Misesika, mibosesika, miridana, manao dia be, manao rodom-be, manao tsy omby aloha, manao rano vaky, mitanitsa-kitro. Ahitsio
Mirohy: (rohy) mt. s.: Mifatotra mafy. Ahitsio
Miroka: (roka) p.t.: Mikitoantoana, miavo miiva. Ahitsio
Mirokoroko: (rokoroko) Maraorao. Ahitsio
Miroky: (roky) mt. s. (mirokia): Tsy miteny mahitsy, tsy manonona tsara. Ahitsio
Miroma: a.: Zavamaniry fihinam-boa. Ahitsio