Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Miraingiraingy: (raingiraingy) mt. s.: Fanina mila hianjera. Ahitsio
Miraingitra: (raingitra) mt. p. (miraingeta): Mitondra (zavajavatra betsaka tsy dia misy hilana azy loatra), mirongotra. Ahitsio
Miraingy: (raingy) p, t. : Enti-milaza ny afo azo amin'ny fandraingena: Afo miraingy io fa tsy afo azo tamin'ny afokasoka akory. Ahitsio
Mirajaraja: (rajaraja) p.t.: Manerinefina. Ahitsio
Mirakandrakana: (rakandrakana) mt, s.: (tahom-bary) Mahitsy ary somary mahalankalana: Toa tsy dia hampakatra uary firy izahay tanna ito fa nirakandrakana izy ireo tanna itsy. Ahitsio
Mirakaraka: (rakaraka) mt. s.: Mitondra volo tsy voarandrana: Nirakaraka uolo Rasoa niuoaha ny trano. Ahitsio
Mirakitra: (rakitra) mt. P. (miraketa): Manangona, mihary: Loza raha hirakitra ny olona kahihitra. • Mitahiry: Mahay mirakitra ny volany Ibalita. • Mitana zavatra ka manao izay hampaharitra azy: Mirakitra tsara ny lovany izy. ? Mifono: Mirakitra anatra mahasoa izany tantara izany. Ahitsio
Mirakorako: (rakorako) mt. s.: Enti-milaza ny volo tsy mirandrana fa misavoritaka, tsy milamina fa midrakadraka na mitsibolobolo: Nirakorako uolo ny olona taloha rehefa m isao na. Ahitsio
Mirakotra: (rakotra) mt. s. (mirakofa): Misy rakotra na firakofana eo amboniny, misarona: Matory tsy mirakotra io zaza io. / Hangatsiaka io vary tsy mirakotra io. Ahitsio
Miramarama: (ramarama) p.t.: Sady lava no matsilotsilo, tsokitsoky loha: Miramarama ny tandrok'ity omby ity. • Tonga misososososo, misasasasa: Niramararna er? izy niditra tao an-trano, • Mitondra haingo maro be sady lafo vidy: Avy nijery lanonana Randria; tsy nisy tsy niherika nahita azy niramarama. ¶ M.h.: Mihaingo, miraratra, miravaka, miangolavaitra, miramatra. Ahitsio
Miramatra: (ramatra) mt. s.: Mihaingo fatratra, miraratra. Ahitsio
Mirambo: (rambo) mt. s.: Misy rambo, misy tovana mirefarefa, misy somotraviavy. Ahitsio
Miramborambo: (ramborambo) mt. s.: Mikirazorazo. Ahitsio
Miramondramona: (ramondramona) mt. s. (miramondramôna): Mitsako sady mingonongonona. Ahitsio
Mirana: na Miramirana p.t.: Falifaly ka hita amin'ny tarehy sariadriaka sy feno hehy izany: Olona miramiran-daua io zazavauy io. ¶ M,h,: Ravoravo, miriadriaka, sariadriaka. - t.i.f.: Amiramirana, miranina / manamiramirana, fanamiramirana, mpanamiramirana / anamiranana, fanamiramiranana / mimirana (mimiramirana), fimirana (fimiramirana), mpimirana, mpimiramirana) / mahamirana (mahamiramirana) ) hamiranana, fahamiranana. Ahitsio
Mirandrana: (randrana) mt. s.: Manaraka fomban-drandrana: Mirandrana foana ny uolon'iny uehivauy iny. Ahitsio
Miranga: (ranga) mt. s.: Mitsangana, miseho tarnpoka noho ny hatairana: Miranga ny sofiny. Ahitsio
Mirangitra: (rangitra) p, t.: Mitsilotsilo, mipilopilo. Ahitsio
Mirangorango: (rangorango) p. t.: Sady lava no mahia. • mt. s.: Mihinana tsy miatoato, amim-pahalianana tanteraka. Ahitsio
Miranina: (ranina) mt, ih. (mirano): Atao tonga falifaly. Ahitsio