Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Miravitra: (ravitra) mt. s.: Mitambatra, miray. • h,o.: Miraild-po amin' olona. Ahitsio
Miravona: (ravona) mt. s.: Voatototra ka manjary mitovy tantana; tsy misy avo sy iva; voalamaka; mitovy: Efa mirauona izao ny tokotany ka hatsangana amin'izay ny trano. Ahitsio
Miravoravo: (rauorauo) mt. s. (miravoravoa): Mifalifaly. Ahitsio
Miray: (iray) mt. s. (miraisa): Mikambana:Tsy miray amin' olona ratsy fanahy tahaka an'ireny aho. ? Miombona zavatra tokana: Miray trano Rakoto sy ny zaodahiny (io hevitra io no hita amin'ny fombam-pitenenana maro toy ny hoe: miray hevitra, miray saina, miray tetika, miray fo, miray asa, miray dia...). • Mikambana amin' ny fanambadiana. • h.i.: Manao tokantranomaso, izany hoe miara-mitoetra tsy araka ny fanambadiana ara-dalàna: Efa telo tanna izy roa ireo no niray. ¶ M.h.: Miombona, mikambana, mitambatra, mivondrona. Ahitsio
Mirazorazo: (razorazo) p. t.: Mikiraviravy. Ahitsio
Mirazorazo: (razorazo) p.t.: Miraviravy misy miromborombo betsaka. ¶ M,h.: Miraviravy, mikiraviravy, mirazorazo, mikirazorazo, mirozaka. Ahitsio
Mirazotra: a.: Tsipika mitovy elanelana hatrany amin'ny tsipika iray hafa: Ny tsipika AB dia mirazotra amin'ny tsipika DE. Ahitsio
Mirebaka: (rebaka) mt s.: Miraratra, miedinedina amin' ny akanjo mikobankobana sy mirefarefa. Ahitsio
Mirebareba: (rebareba) mt. s. na p. t.: Mitaritarika amin'ny tany: Tianao ue ny akanjo mirebareba? ? Mitondra akanjo lava mitaritarika: Nisy olona mirebareba nitady anao tao. Ahitsio
Mirebika: (rebika) mt, s. (mirebiha): Mandihy mitsinjaka. * Mandihy mampihetsika ny vatana sy ny sandry ara-ba. 1 (miaramila) Mandihy sady mampandihy ny fiadiana eny an-tanany. • a.: Antokona Tsimandoa ambony indrindra natao ho mpanotrona andriamanjaka. - F.-p.: Mirebika antsan'o1ona: mandihy mandritra ny ihiran'ny sasany.l h.o.: miara-paly amin'izay mifaly. * Ohab.: Androngo: tapaka vao mirebika: enti-milaza olona mifaly aorian'ny fahoriana nihatra taminy. Ahitsio
Mireboka: (reboka) mt. s.: Mieboebo, mirehareha amin'ny fandanilaniana, firadaradana. Ahitsio
Miredaka: (redaka) mt. s.: Mirehitra misy lelafo mijoalajoala: Tsy ampy toy inona, dia niredaka ilay trano tafo bozaka teo akaiky. Ahitsio
Miredareda: (redareda) mt. s.: Misy lelafo be mahafinaritra sy maharitra: Aza ampiana kitay intsony, fa efa miredareda ny afo. Ahitsio
Mirediredy: (rediredy) mt. s. (miredirede):Miteniteny foana tsy misy heviny, mibedibedy foana, very saina: Mirediredy ny marary. • Mimenomenona tsy misy fiatoana: Nirediredy teo ny anao fa iza moa no hihaino azy eo? Ahitsio
Miredona: (redona) mt. s. (redona): Maneno miaraka: Miredona ny konseritra. 1 Mihira na mikiakiaka mafy indray miaraka: Raha uao niditra ny mpampianatra, dia indray niredona niarahaba azy ny mpianatra. Ahitsio
Mirefaka: (refako) mt. s.: Mitaritarika mifafa amin'ny tany: Tokony hotapahina ity rantsana mirefaka ity. Ahitsio
Mirefarefa: (refarefa) mt. s. (mirefarefà): Mitaritarika: Mirefarefa ny akanjonao. 1 Misafosafo, mandalo akaiky: Mahafinaritra ny mahita irony uoronkely mirefarefa eny ambony rano. • Madiva hilentika, misafosafo ny faxavodilanitra: Efa mire tare fa sy tsy ho tana ny fahazauan' ny andro. ? Mitavozavoza, mitaredretra raha manao zavatra: Mirefarefa izaitsizy izy rehefa manao zavatra. • Milasilasy, mitsiredretra, tsy mitandrina: Nirefarefa loatra ny anao lahy ka lasan'ny olona ny voiany. Ahitsio
Mirefotra: (refotra) mt. s. (mirefota): Mitriatra, mitefoka: Mitriatra, mirefotra ny rantsan-kazo. 1 Mipoaka: Mirefotra ny basy. Ahitsio
Mirehaka: (rehaka) mt. s.: Midera tena: Nanao soa ahy izy, nefa nirehaka loatra ka nahasosotra ahy indray. Ahitsio
Mirehitra: (rehitra) mt. s. (mireheta): Miteraka lelafo sy hafanana: Mirehitra tsara ny kitay maina. • Tsy maty: Nirehitra mandra-paharain' ny andro ny jiro. 1 Misafoaka: Rehefa mirehitra ny hatezerany tsy tsara ny manatona azy. ~ F.-p.: Mirehi-dena: ilazana olona iharan-java-mahasahirana izay mahazo ka mandoro ny tena. Ahitsio