Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mirorirory: (rorirory) p.t.: Manify sady malemy: Lamba mirorirory. Ahitsio
Miroritra: (roritra) mt, s.: Mihalava: Niroritra ny mahazaka Ahitsio
Mirosarosa: (rosarosa) mt. s.: Manao zavatra na mandeha miadana dia miadana, tsy rototra. Ahitsio
Miroso: (roso) mt. s. (mirosoa): Mifindra eo aloha. Ahitsio
Mirotaka: (rotaka) rot. s,: Miroraka be toy ny mitatao: Efa ho latsaka ny zana-dRamafoa ir? fa efa mirofaka ny kibon y. Ahitsio
Mirotaka: (rotaka) mt, s. (mirotaha): Manimbazavatr'olona ho fanehoana tsy fahafaliana. Ahitsio
Mirotika: (rotika) p.t.: Misaritaka, mikorontana, mikorokoro. Ahitsio
Mirotoroto: (rotoroto) mt, s. (mirotorotoa): Dodona, mai-ka rehefa manao zavatra, manao zavatra haingana: Aza mirotoroto rehefa manao zavatra fa mety ho tsy vita tsara na misy hadino. Ahitsio
Mirotsaka: (rotsaka) mt. s. (mirotsaha): Milatsaka (orana): MijanBna fa efa mirotsaka ny orana. 0 Milatsaka ho: Nirotsaka ho zandary izy. Ahitsio
Mirova: (rova) mt, s.: Misy ro-va na fefy. Ahitsio
Mirozaka: (rozaka) p.t.: Mikiraviravy. Ahitsio
Mirozatra: (rozatra) p.t.: Voarirodrirotra, voasintontsintona. Ahitsio
Mirozirozy: (rozirozy) p.t.: Vizana, sasatra, valaka. Ahitsio
Misabaka: (sabaka) mt. s. (misabakà): Mijoro ka ahataka ny tongotra roa ho malalaka ny elanelany: Misabaka fandeha izy. Ahitsio
Misabilaka: (sabilaka) mt. s.: Vilambilana, mivaona (mitovy amin'ny misobilaka), Ahitsio
Misabobaka: (sabobaka) p.t.: Mivonto, mibontsina, mivozihitra. Ahitsio
Misabodika: (sabodika) mt. s.: Mifangaro, misaritaka, mifandiso ny teny sy ny zavatra atao. Ahitsio
Misabotrika: (sabotrika) mt. s.: Voambomba tsara, voarotsirotsy. Ahitsio
Misadika: (sadika) mt, s.: Mihodidina ny valahana toy ny salaka. Ahitsio
Misafary: (safary) mt. s. (misafaria): Manao teny miolakolaka: Misafary lava io Rangahy io rehefa misy fangatahandalana ataony. Ahitsio