Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
T: a.: Tarehintsoratra fahavalo ambin'ny folo ary renisoratra fahefatra ambin'ny folo amin'ny abidy malagasy. A-m?n'ny fitovonana man- mba hanaovana matoanteny, ny t manomboka fototeny dia latsaka fotsiny amin'izao: Man-taitra >manaitra. Ahitsio
T-: Tovona fametraka eo alohan'ny teny sasantsasany (mpamaritra matoanteny na teny mpampiankin-teny milaza fotoana na toerana) ka mahatonga azy ireo hanambara ny efa lasa: aloha - ta-loba; aiza - taiza; eto - teto; amin'ny - tamin'ny. Ahitsio
Ta: a.: Ny feo heno avy amin' ny fidonan'ny fively na ny zavatra roa mifampipoka, na teny enti-milaza ny fipiakan' ny hazo tapaka ka mamoaka feo mirefotra eo am-pianjerana. Ahitsio
Ta: a.: Fanahafana feon-javatra toy ny an'ny tantanana mipaika amin'ny hazo, basy mitefoka, sns... Ahitsio
Ta: na Te: Fanafohezana ny "Tia", izay apetraka eo alohan'ny mt. milaza faniriana hanao ilay asa lazain'ny mt., ka ny Ta no ampiasaina raha manomboka amin'ny Ha ny milaza ny ho avin'ilay mt. ary ny Te raha manomboka amin'ny Hi na Ho: Ta hatory, Te hisotro, Te hody. Ahitsio
Ta-: Tovona mahaforona teny vaovao rehefa atambatra amin'ny fototeny voalohany na faharoa sasany, ka manamafy ny hevitr'ilay teny voalohany, na manome endrika toa benahaona azy: Boretaka manjary taboretaka, bonaka tonga tabonaka. Ahitsio
Taba: a.: Korontana, fitsako sy fambosibosika eo am-pihinanana. - t.i.f.: Tabaina, voataba / mitaba, fitaba, mpitaba / itabana, fitabana / mahataba /, tabataba. Ahitsio
Tabaina: (taba) mt ih. (tabao): Akorontana: Notabain'i Fara kely ny bokiko rehetra teo ambony latabatra. ? Lotoina amin'ny fitsabahana amin'ny tanana: Aza tabainareo ny rano ao am-pantsakana. ? Hanina amim-piosanosanana: Mahasosotra ny mijery ireto ankizy ireto fa tabainy ny fihinana vary. ? Tairina, tsy avala hipetrapetraka fa horakorahina: Notabain-dry zalahy ny vorona ka lasa. Ahitsio
Tabaka: a.: Enti-milaza fidiran' olona na biby na zavatra indray miaraka betsaka. - t.i.f.: Atabaka, tafatabaka / mitabaka, fitabaka. Ahitsio
Tabaka: a.: Fahabetsahana azo anaranam-po. - t.i.f.: Atabaka, tafatabaka / mitabaka, fitabaka. Ahitsio
Tabaka: a.: Tehina be, langilangy na kibay. ¶ M. h, : Jar. Tehina. Ahitsio
Tabakoly: a: Vakim-bakoly, tavilotra. Ahitsio
Tabariaka: a.: Fiparitadritahanjavatra etsy sy eroa. - t.i.f.: Atabariaka, voatabariaka, tafatabariaka / manatabariaka, fanatabariaka, mpanatabariaka / anatabariahana, fanatabariahana / mitabariaka, fitabariaka, mpitabariaka / itabariahana, fitabariahana / mahatabariaka. Ahitsio
Tabataba: a.: Horakoraka, kotaba: Aoka tsY hisy hanao tabataba fa matory ny marary. ? Fikorontanana, fihetsiketsehana: Noraran'ny fanjakana ny filaharan'ny mpianatra fa mety ho nampisy tabataba teto an-tanàna. ? Fikomiana na fanoherana ny fitondrana: Nahafaty olona an'aliny maro ny tabataba tamin'ny taona 1947. - t.i.f.: Tabatabaina, atabataba, voatabataba, tinabataba / manabataba, fanabataba, mpanabataba / anabatabana, fanabatabana / mitabataba, fitabataba, mpitabataba / itabatabana, fitabatabana / mahatabataba / mampitabataba / mikotaba. Ahitsio
Tabatabaina: (tabataba) mt. M. (tabatabao): Tairina amin' ny horakoraka na kotaba: Aza tabatabaina ny uoronkosamborina. ? Helingelenina: Notabatabainao, hono, izy ka nanjary tsy hainy ny fianarany. Ahitsio
Tabatera: (fr. tabatière) a.: Fitoeran'ny paraky kisoka arapaka;tongobolo. Ahitsio
Tabebaka: p. t.: Mivelatra sy makadiry ny vavany, nefa i-va ny halaliny: Haron-tabeb ak a. * Ohab.: Lasan-ko uauany toa haron-tabebaka: enti-milaza zavatra izay anarany fotsiny no toy izao sy toy izao fa tsy arakaraka izany ny tena izy. Ahitsio
Tabiha: na Voatabiha a.: Zavamaniry fihinam-boa, andrahoina mba hampahatsiro ny laoka. Ahitsio
Tabiha: a.: Olona heverina ho voninahitra ny fananana azy, rehareha: Ho tabihan'ny tanindrazana ianao rahatrizay raha mianatra tsara. Ahitsio
Tabika: (fit.-p.) a.: Lakan-drano. Ahitsio