Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitondrendrena: (tondrendrena) a.: Fitsikamokamo, fitoredretra, fivozavoza. Ahitsio
Fitonena: (tony) a.: Fihaketrahapa, fihalefena: Ny fitonen' ny ranomasina. ?H,o.: Ny fitonen'ny hatezeran'Andriomanitra. Ahitsio
Fitonendrina: (tonendrina) a.: Toetran'ny olona mitonendrina, izany hoe miraikiraiky, donendrina. Ahitsio
Fitongalihana:a (tongalika) a.: Fiforetana. Ahitsio
Fitongalika: (tongalika) a.: Fomban'ny zavatra mitongalika, izany hoe miforitra ohatra ny masomby amin' ny rojo. Ahitsio
Fitongika: (tongika) a.: Toetran'ny zavatra mitongika, iiany hoe mitohy. Ahitsio
Fitongilana: (tongilana) a.: Toetran'ny zavatra mitongilana, izany hoe mirona, mihilana, miraika; firona, fihilana, firaika. Ahitsio
Fitongilanana: (tongilana) a.: Fihilanana: Mahalasa eritreritra ahy ny fitongilanan'ity andry ity. ? H,o.: Fironana, firaikana: Manana fitongilanana amin'ny ratsy ny olombelona. ? Fiangarana: Hita miharihary izao ny fitongilanan'ny mPitsara amin'ny ankilany. Ahitsio
Fitongoa: (tongoa) a.: Toetran' ny zavatra mitongoa, izany hoe miavosa, mifanongoa. Ahitsio
Fitongoavana: (tongoa) a.: Fiavosana, fiavovonana, fifanongoavana. Ahitsio
Fitonjenana: (tonjina) a.: Fitolatolàna, firaidraikàna. Ahitsio
Fitonjina: (tonjina) a.: Toetran' ny olona mitonjina, izany hoe midoladola, miraidraika; fitolatola, firaidraika. Ahitsio
Fitono: (tono) a.: Fomba entina mitono na manatsatsika zavatra anaty lelafo. • p.t.: Azâ atono: Tsy fitono ny vary. Ahitsio
Fitonoana: (tono) a.: Fanamasahana zavatra, indrindra ny hena, amin'ny fanaovana azy eo ambony lelafo na ao ana-_ty lavenona; fanatsatsihana. Ahitsio
Fitonona: (tonona) a.: Fomba entina mitonona na milaza tena. Ahitsio
Fitononana: (tonona) o.: Filazana ny anaran'ny tena, filazana ny tena: Tsy ny fitononana ho izao sy izao akory no maha-izany anao. Ahitsio
Fitontohirana: (tontohitra) a.: Fitohizan-(javatra) misesy tsy mitsahatra; fifandimbiasan-(javatra) tsy an-kijanona. Ahitsio
Fitontohitra: (tontohitra) a.: Toetran'ny zavatra mitontohitra, izany hoe mitohy misesy tsy mitsahatra, mifandimby tsy an-kijanona: Ny fitontohitry ny fahoriana no nahatonga ny Ntaolo hanao ilay ohatra hoe: Sorona afon'ikala adalo, ka ny aloha tsy lany, ny aoriana asesika ihany. Ahitsio
Fitontona: (tontona) a.: Fianjera midofotra, fidona aminjavatra: Tsy heno akory ny fitonton'ny iohany tamin'ny tany, nefa mahagaga fa nahavaky ny karandohany ny fianjerany. Ahitsio
Fitontonana: (tontona) a.: Fianjerana midofotra; fidonana amin-javatra: Ny fitontonana amin'ny vato dia mafimafy kokoa noho ny fitontonano amin'ny tany, Ahitsio