Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Misafay: Miala safay, Manao alasafay (safay) mt, s.: (Ity farany no fampiasa matetika indrindra) Manao kely foana fa tsy tena manao mba ho fialana tsiny fotsiny: Oadray! ry Koto, izao ve mba fafa trano e! nanao alasafay fotsiny ianao fa tsy tena namafa, Ahitsio
Misafelika: (safelika) mt, s. na p.t. (misafeleha): Miolika, miolaka, tsy mandeha mahitsy fa mihodina: Nisafelika tany am-badiky ny trano no nahatongauako ka tsy hitanao, / Misafelika ny renirano. 0 Mivily, mihodivitra: Soa ihany fa nisafelika ny balan'ny fahavalo. / Lalana misafelika. 0 Manao teny be olakolaka: Nahoana moo ianao no misafelika rehefa miteny fa tsy roba mitsotra. Ahitsio
Misafidy: (safidy) mt, s. (misafidiana): Mifidy, maka izay tiana. Ahitsio
Misafo: (safo) mt. s. (misafoa): Mampandalo moramora ny tanana eo ambony zavatra iray: Misafo ny lohany marn drakariva io zazalahy io rehefa hiteny. 0 Manotra: Iza no nisafo ny tongotrao narary? 0 Teny ilazana ny vehivavy bevohoka mitondra ny klbony hojeren'ny dokotera na ny mpampivelona: Tonga misafo isan-tapa-bolana eto amin'ny hopitaly io Ramatoa io, 0 Mandalo mba hijery ny fandehan-javatra:, mba hanara-maso: Hisy lehibe hisafo ny trano fitsaboana rahampitso, 0 Mijery taratra: Nisy lehilahy nisafo ny tanna omaly mba hangalatra, _ Ahitsio
Misafoaka: (safoaka) mt. s. (misafoaha): Mitroatry ny hatezerana mafy, entanin'ny hatezerana, tezitra mafy: Nisafoaka ny anao lahy roba vao nahare izany teny izany. Ahitsio
Misafofoka: (safofoka) rra. s.: Mianjera. 0 Voan'ny aretintampoka. Ahitsio
Misafontina: (safontina) mt. s.: Mihodina miverimberina, miverina indray (zavatra efa la-sa): Nisafontina indray ilay riuo-doza natao ho efa lasa tany an-dranomasina. Ahitsio
Misafosafo: (safosafo) mt. s. (misafosafoa): Mandambolambo zavatra amin'ny tanana: Nisafosafo ny lohan-janany Rasoa. 0 Mirefarefa: Misafosafo amin'ny tany ny moron-tongotr'akanjonao fa ampakaro. 0 Vorona na fiaramanidina rafla hikasika ny tany: Nahafinaritra ny nijery ilay uintsy nisafosafo teny ambony rano. Ahitsio
Misafotaka: (safotaka) mt. s.: Misy loto mifotetaka: Mahatsikaiky ny mijery ny tarehin'ny zazakely misafotaka rehefa auy mihinana tauinkena. Ahitsio
Misafotofoto: (safotofoto) mt. s. (misafotofotoa): Mikorontana izaitsizy: Misafotofoto loatra ireto boky ireto fa alamino kely. ¶ M.h.: hTifotofoto, mikorokoro. 1 Mifangaroharo tsy hita harahina fa mifampidipiditra ny lohany sy ny vodiny: Misafotofoto ity kofehy ity. ¶ M. h.: Misaritaka, misavorovoro, mivorovoro, mikorokoro. 1 Misafoakan-katezerana: Misafotofoto aoka izany izy raha tezitra. ¶ M.h.: Mifotofoto, mikotikotika. Ahitsio
Misafy: (safy) mt. s. na p.t. (misafia): Misy safmy, misy famenony, fanampiny: Lamba misafy. Ahitsio
Misahala: (sahala) mt.p.: Mampitovy torosy, manome ny tsirairay izay tokony ho anjarany; manao elanelam-panahy. Ahitsio
Misahana: (sahana) mt. P. (misahàna): Miandraikitra, manatrika, mamonjy raharaha maro miaraka: Tsy afaka hisahana ny sakany sy ny lauany aho. Ahitsio
Misahato: (sahato) mt.p. na mt. s. (misahatoa): Manozona, miozona. Ahitsio
Misahindrahindra: (hindrahindra) mt. s.: Jar. Mihindra-:rindra. Ahitsio
Misahirana: (sahirana) mt. s. (misahiràna): Manao asa mamizana, manasatra: Aza misahirana manao sakafo ho ahy ianareo fa efa nihinana aho talohan'ny hivoahako. 1 Miahiahy be, very hevitra: Misahirana izaitsizy mba hanao trano. Ahitsio
Misahoa: (sahoa) mt. s.: Manely tsaho. Ahitsio
Misahoahoa: (sahoahoa) mt. s.: Mikiakiaka tsy misy antony; miantso vonjeo tsisy antony. Ahitsio
Misahotaka: (sahotaka) mt. s.: Taitaitra, sy misavoritaka ka toa tsy bita izay hatao: Nisahotaka ny saiko raha van nandre izay uaouao izay. 1 Mikorontana sady mitabataba: Nisahotaka ny mponina raha uao nandre ilay poa-basy. Ahitsio
Misahy: (sahy) mt. s. (misahia): Manompa. Ahitsio