Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitony: (tony) a.: Toetran'ny zavatra na olona mitony, na mihalefaka, mihaketraka; fihalefahana, fihaketrahana: Ny fitonin'ny rivotra no tsy nahafahan'nysambonay nandeha Ahitsio
Fitopatopa: (topatopa) a.: Toetran'ny zavatra mitopatopa; fihetsiketsika, fihevingevina, fanonja: Ny fitopatopan'ny ranomasina Ahitsio
Fitopatopana: (topatopa) a.: Fihetsiketsehana (rano, alondrano), fihevingevenana, fanonjàna. Ahitsio
Fitopazana: (topy) a.: Ny fijerena kely miserana, fiantefan-javatra: Ny fitopazan'ny masony fotsiny teny amiko dia ampy nankahery ahy. Ahitsio
Fitopy: (topy) a.: Fiantefa (enti-milaza ny maso na zavatra tonga miserana kely): Ny fitopin'ny maso. / Ny fitopin 'ny tsiodrivotra. Ahitsio
Fitorahana: (toraka) a.: Fanipazana vato (na zavatra ha-fa) amin'olona na zavatra iray mba hahavoa azy: Tsy nitsahatra ny fitorahana ny tranonay raha tsy afaka adiny iray. / Ny fitorahana sponjy ny mpanao ady totohondry iray dia mariky ny fahareseny. • Fizorana, fihitsiana: Rehefa tonga amin' io tanàna io ianao, dia ny fitorahana miantsinanana no hahatonga anao any aminay. Ahitsio
Fitoraka: (toraka) a.: Fomba entina mitoraka: lhomehezan'ny ankizy ny fitorak'io kavia fo. ? p.t.: Azo torahana: Misy vorona tsy fitoraka, hono. Ahitsio
Fitoreo: (toreo) a,: Fomban'ny olona na biby mitoreo, izany hoe manao feo mampahonena: Mba tsy tohako loatra ny mihaino ny fitoreon'izany vorona izany. Ahitsio
Fitoretra: (toretra) a.: Toetran' ny olona mitoretra, tsy kinga, mikisinkisina. Ahitsio
Fitorevahana: (torevaka) a.: Fipetrahana fotsiny tsy manao na inona na inona, fidonanaham-poana. Ahitsio
Fitorevaka: (torevaka) a: Toetran'ny olona mitorevaka, izany hoe mipetraka fotsiny tsy manao na irions na inona. Ahitsio
Fitorian-teny: a.: Toerana avo ao am-piangonana itorian'ny mpitondra fivavahana ny tenin'Andriamanitra. Ahitsio
Fitoriana: (tory) a.: Fanasilahana ny tsiratsirany: Tsy dia zavatra mora loatra akory ny fitoriana ny rongony alohan' ny hamolesana azy, • Fanasiana soritra manelanelana na manavaka: Ny fitoriana ny tanimbary dia ny fizarazarana azy. 1 Fiampangana olona nanao ratsy na hadisoana amin'ny manam-pahefana miandraikitra ny raharaham-pitsarana: Efa lasa ny fitoriako anao noho ny fanalam-baraka ahy nataonao. [t Filazana sy fivoasana ny tenin'Andriamanitra: flanc fahaizana sy fiomanana ny fitorian-teny, Ahitsio
Fitoriana: (tory) a.: Fanasiana soritra manelanelana na manavaka. Ahitsio
Fitoriany: a,: Ny trafony sy ny havanan-kena atao koa hoe vavatoriny, izay didiana voalohany eo amin'ny tampon-dam osin 'ny omby, Ahitsio
Fitorohana: (toroka) a.: Fanendrikendrehana amin'ny zavatra tsy natao, fiampangana tsy marina: Tsy avelako ianao amin'ny fitorohanao ahy ho naka ny firavakao. Ahitsio
Fitoroka: (toroka) a,: Fomba entina mitoroka, izany hoe miampanga tsy marina, manendrikendrika. Ahitsio
Fitoroka: a.: Volotsangana na vakin-kazo lava marotsaka apetraka manaraka ny lavan' ny lohatrano ka atao mifanelanelana aminy amin'ny trano tafo herana. Ahitsio
Fitorovohana: (torovoka) a.: Fipetrahana miarinarina amin'ny tany na eo ambony tsihy, ny lohalika atsangana misafosafo amin'ny saoka. Ahitsio
Fitorovoka: (torovoka) a.: Toetran'ny olona mitorovoka, izany hoe mipetraka miarinarina, ny lohalika atsangana misafosafo amin'ny saoka. Ahitsio