Tsiafakomby | : | a.: Karazan-kazo madinika misy tsilony maranitra fanaon'ny olona fefimboly.
Ahitsio |
Tsiahina | : | (tsiaka) mt. ih. (tsiaho): Triarina.
Ahitsio |
Tsiahy | : | a: Fahatsiarovana, embona: Enyl lasa izy izay... — Tsiahy sisa... Tsiahy resy, tsiahy ory sy tomany. (Dole) i t.i.f.: Tsahivina, atsiahy, voatsiahy 1 mahatsiahy, fahatsiahy, mpahatsiahy 1 ahatsiahivana, fahatsiahivana / tsiahiahy.
Ahitsio |
Tsiaka | : | p. t.: Triatra. - t.i.f.: Tsiahina, atsiaka, voatsiaka, tafatsiaka I manatsiaka, fanatsiaka, mpanatsiaka 1 anatsiahana, fanatsiahana 1 mitsiaka, fitsiaka, mpitsiaka 1 itsiahana, fitsiahana / mahatsiaka / tsiatsiaka.
Ahitsio |
Tsiakondrokondro | : | a: Karazan-javamaniry tsara tarehy anisan'ny orkidea (Angroecum superbum)
Ahitsio |
Tsialahy | : | s.o.: Ry zalahy, lehiretsy: Nahoana, tsialahy, no tsy nolazainareo izany e!
Ahitsio |
Tsiambaimbay | : | p.t.: Tsy feno, tsy ampy.
Ahitsio |
Tsiambaratelo | : | a: Zavatra afenfna tsy tiana ho fantatry ny be sy ny maro ka tsy lazaina afa-tsy amin'ny olona itokiana na sakaiza tiana vitsy foana: Mahatoky ahy ianao ka izany no ilazako aminao ny tsiambarateloko. 1 h. i.: Zava-miafina tsy fantatra: Manana tsiambaratelo betsaka ny zavaboary. ¶ M.h.: Zavatra tsy ambarambara, ankaro-miafina, am-po tsy miloaka, otrikafon'ny fo, am-po tsy ambara, tokantrano tsy ahahaka, tsy atao eo imason'olona, tsy fampitranga vahoaka, an' ny tena samy irery, tahirindresaka, teny mby am-bato.
Ahitsio |
Tsiambohibatana | : | a: Karazana voahangy mangamanga.
Ahitsio |
Tsiambolo | : | a: Angely kely mbola tsy ary elatra. 1 h.o,: Ilazana olona tsy misy volo, na mariry; sola vantony.
Ahitsio |
Tsiamponga | : | a.: Karazan-damba nampidirin'ny Arabo teto fahizaY.
Ahitsio |
Tsianaby | : | p.t.: Isika rehetra. (Rehefa misy mievina dia hoy ny olona manatrika hoe: "Velona", ary hoy kosa ilay mievinahoe: "Tsianaby").
Ahitsio |
Tsianaranana | : | a.: Anaran-kazo iray izay tsy azo ihinanana betsaka ny voany; tsy azo anaranam-po fa mankarary ny vava.
Ahitsio |
Tsiandravina | : | a.: Anaran-javamaniry tsisy ravina, atao koa hoe: Tsibolo na tsobo-10 (Hernonia scopia).
Ahitsio |
Tsiankoditra | : | a.: Ody fiarovana amin'ny bala sy ny lefona alefan'ny fahavalo na ny mosavy ataony.
Ahitsio |
Tsiantsaha | : | a.: Akanjo na salotra be vidy tsy takatry ny tantsaha.
Ahitsio |
Tsiantsotry | : | a: Karazam-basy izay kely ny atiny.
Ahitsio |
Tsiaridrafy | : | a.: Anarana hafa ilazana ny'voanemba.
Ahitsio |
Tsiaro | : | a.: Fiverenan'ny zavatra efa lasa ao an-tsaina indray. - t.i.f.: Tsaxovina na tsarovana na tsaroana, voatsiaro / mahatsiaro, fahatsiaro, mpahatsiaro / ahatsiarovana, fahatsiarovana.
Ahitsio |
Tsiarombavy | : | a.: Ny vehivavy amin'ny mpanompon'ny mpanjaka fahiny izay niforona ho toy ny foko iray mihitsy.
Ahitsio |