Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsihitafototra: a.: Anaran-javamaniry misy tahony madinika ohatra ny horona ka mandadina eny ambony ahitra eny; tsy manam-paka miorina amin'ny tany izy io fa mitevitevika eny amin'ny sampan'ny ahitra rehetra eny ka toa miankina amin'ny ain' ny ahitra ny fivelomany. Ahitsio
Tsiho: a: Anarana karazan-kazo iray (Salix madagascarir. sis). Ahitsio
Tsihy: a.: Tahon-javamanirY madinika — toy ny zozoro na ny herana na harefo — voarary ka atao lafika hipetrahana na hatoriana na hisakafoana (atao hoe: fandambanana izy amin'ity farany itY)• Karazan-tsihy: Tsihy hisatra: tsihy atao amin'ny hodi-jozoro mamirapiratra ka vita rary madinika ary tokandambana (jar. etsy ambony); mazàna ampiasaina hatao fatoriana ny tsihy hisatra; tsihy rindra: tsihy atao amin' ny hodi-jozoro tsotra; tsihy tokan-dambana: tsihy lambana iray ihany vite amin'ny zozoro na amin'ny herana; tsihy vitrana: tsihy roa lambana nozairina na koa tsihy nasiana vitrana, izany hoe nakambana mba ho be velarana kokoa. Ahitsio
Tsiiziizy: p.t.: Samy hafa toetra kely. Ahitsio
Tsika: a: Hazo maromaro atsatoka (1,50 m ny haavony ary 0,08 m ny elanelany avy) izay amatorana tsorakazo na volotsangana na volobao mitsivalana (4,50 m ny halavany), ka ny fitambaran'ireo dia atao fef y. Ahitsio
Tsika: a: Fivoahan'ny rano tsikelikely — zara raha hita — manamika na manorika avy ao anaty tany. 1 t.if.: Tsihina, atsika, voatsika / manatsika, fanatsika, mpanatsika 1 anatsihana, fanatsihana / mitsika, fitslka / itsihana, fitsihana 1 mahatsika I tsitsika. - F.-p.: Tsi-dra: fivoahan-dra taikelikely. 1 Tsi-drano: fivoahan-drano tsikelikely. Ahitsio
Tsikabaka: ft. niavian'ny teny hoe: Mitaikabaka, fitsikabaka. Ahitsio
Tsikabokaty: p. t,: Malemilemy, osa, mihoz?ngozana. Ahitsio
Tsikadraha: a: Zavamaneno kasohina izay toy izao: volotsangana miss, tonony anankiray no alaina, ka hatreo amin'ny tonony mankany an-kavanana no asiana tetika manodidina ny vatany sahabo ho 6 mWmetatra no elanelany; atao didy sompirana iny misy tetika iny mba hanatsara ny feony; tazonin' ny tanana havia izy, fa ny havanana kosa mitana ny fikasoka izay vita amin'ny si-faim volotsangana ihany. Hi-ta saika eran-tany ity karazan-iavamaneno ity; "caracha" no anarany any Brezilina. Ahitsio
Tsikafara: a.: Karazana voady amoriam-bahoaka sy anaovana lanonana lehibe, fanao in- ~ drindra any amin'ny Betsimisaraka. na 1 anatsikebonana, fanatsikebonana 1 mitsikebona, fitsikebona, mpitsikebona 1 itsikebonana, fitsikebonana / mahatsikebona 1 tsikebonkebona. Ahitsio
Tsikaiky: ft. niavian'ny teny hoe: Mahatsikaiky. Ahitsio
Tsikakakaka: a.: Hehy mafy sady lavareny. F• Feon'akohovavy raha misy zava-manaitra na mampitahotra azy. - t.i.f.: Mitsikakakaka. Ahitsio
Tsikala: na Tsikalana a.: Zavatra atao ambanin'ny zavatra iray hafa mba hatao efitra tsy hikasihany tany; kàka: Asio tsikalana ao ambanin' ny oata. 1 Izay atao efitra entina handray zavatra mahamay na hametrahana azy; zavatra aneferana zavatra ha-fa izay heverina ho sarobidy: Aleo uery tsikalakalam-bola toy izay uery tsikalakalampihavanana (ohab.): aleo very vola toy izay tapaka fihavanana; nentin'ny Ntaolo hilazana fa ny fihavanana dia zavatra sarobidy mihoatra noho ny vola. - t.i.f. : Tsikalana, na tsikalaina, tsikalanana, atsikala, atsikalana, voatsikala, tafatsikala, tafatsikalana / manatsikala, manatsikalana, fanatsikala, fanatsikalana, mpanatsikala, mpanatsikalana / anatsikalànana, fanatsikalànana / mitsikalana, fitsikalana 1 itsikalanana, fitsikalanana / mahatsikalana / tsikalankalana f tsikalakala. Ahitsio
Tsikalaka: Mitovy amin'ny Halaka. Ahitsio
Tsikalana: na Tsikalaina (tsikalana) mt. ih. (tsikalano, tsikalao): Asiana tsikalana: Tsikalao io uata hazo io fa man-do ity efitra misy azy ity. Ahitsio
Tsikamokamo: p.t.: Malaindaina, tsy rotodrototra. - t.i.f.: Mitsikamokamo, fitsikamokamo. Ahitsio
Tsikanikany: ft. niavian'ny teny hoe: Mitsikanikany, fitsikanikany, mpitsikanikany. Ahitsio
Tsikanina: na Kanina a.: Fitonoana, fanatsatsihana eo ambony na akaikin'ny afo amin'ny salazam-by na amin' ny vy makarakara fitonoankena; fitaninana afo. - t.i.f.: Atsikanina, voatsikanina, tafatsikanina I manatsikanina, fanatsikanina, mpanatsikanina I anatsikaninana, fanatsikaninana 1 mitsikanina, fitsikanina, mpitsikanina 1 itsikaninana, fitsikaninana / mahatsikanina 1 tsikaninkanina. Ahitsio
Tsikaonkaona: Jar. Kaonkaona. Ahitsio
Tsikara: a.: Valala maitsomaitso. Ahitsio