Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsidimy: (Btm) a.:Anaran-javamaniry mandady amin'ny hazo. Ahitsio
Tsidiny: (Btm) a.: Anaram-bahy karazany iray. Ahitsio
Tsidradra: na Tsidradraka a.: Teny ilazana toetra maro, toy ny an'ny biby mitsangam-bolo, ny zavatra mikorontana na mivaona amin'ny hala, ny olona lavo na man-dry ka ny tongotra sy ny ta-nana mitsangana misandrahaka. i t. if.: Tsidradraina, tsidradrahina, atsidradra, atsidradraka, voatsidradraka, tafatsidradraka / manatsidradraka, fanatsidradraka, mpanatsidradraka / anatsidradrana, fanatsidradrana, anatsidradrahana, fanatsidradrahana / mitsidradra, fitsidradra, mp'r tsidradra / itsidradrana, fitsidradrana; itsidradrahana, fitsidradrahana / mahatsidradraka / tsidradradradra. Ahitsio
Tsidradraina: na Tsidradrahina (tsidradra) mt, ih. (tsidradrao, tsidradràho): Aingaina ho avo. Ahitsio
Tsiefatrefatra: p. mt.: Milahatra manao antokony efatrefatra avy: Milahara tsiefatrefatra ianareo, fa malalaka ny arabe. Ahitsio
Tsienimposa: a: Karazan-kazo misy tsilotsilony hatrany ampotony ka hatrany an-tendrony (hany ka tsy anihin'ny fosa), fanaovan'ny olona ody (Casso nia). Ahitsio
Tsieninenina: p. mt.: Enti-milaza filaharana enina enina. Ahitsio
Tsifa: a.: Ny mivohitra amin' ny tenona (na tenany na fahany) ka manaratsy ny endriny. Ahitsio
Tsifahipahitra: a: Jer, Fahitra. Ahitsio
Tsifaka: p.t.: Vaky misalasaka na vaky misasaka. 6 t.i.f.: Mitsifaka, fitsffaka. Ahitsio
Tsifaritsoka: a.: Karazan'ahitra. Ahitsio
Tsifatifaty: a: Lalao fanaon' ny ankizy manao "matimaty" ka valala no ataony faty alevina. Ahitsio
Tsifidianana: a: Karazam-basy iray nisy teto amintslka fahizay. Ahitsio
Tsifitofito: p. mt.: Enti-milaza filaharana fito fito: Nalalaka ny arabe ka afaka nilahatra tsifitofito ny mpianatra. Ahitsio
Tsifolofolo: p. mt.: Enti-milaza filaharana na fanokoana folo folo avy:Natokony tsifolofolo ireo voanjo kely namidin y. Ahitsio
Tsihanihany: a: Vazivazy ilalaovana, vosobosotra izay indraindray entina hanarabiana. - t.i.f.: Mitsihanihany. Ahitsio
Tsihatsia: Mitovy amin'ny Tsiatsia. Ahitsio
Tsihifina: (tsihika) mt. ih. (taihifo): Alaina tsikelikely ambara-pahafongany, ambarapaharitrany: Notsihifiny tao ny volan-dray aman-dreniny ka lany fongana tamin'ny farany. / Ny rano ao an-tsinibe aza raha tsihifina dia ritra rehefa ela ny ela. ? (hazandrano) Alaina amin'ny tandroho: Taiza no notsihifinao ireo tilapia vaventy ireo? Ahitsio
Tsihika: a.: Fakana (zavatra) tsikelikely ka fongana no fiafarany, ~ Fakana hazandrano amin'ny tandroho. - t.i.f.: Tsihifina, ataihika, voatsihika 1 manihika, fanihika, mpanihika 1 anihifana, fanihifana / mahatsihika / tsihitsihika. Ahitsio
Tsihina: (tsika) mt. ih. (tsiho): Tantavanina: Tsiho tsara ny rano fa toa maloto izy izany. ~ Lanina, alaina tsikelikely: Notsihiny tao lahy ny haren'ny olona ka lany ter'! Ahitsio