Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsikarakara: a,: Toetran'ny zavatra manify na misy rafikazo na rafi-by mahalankalana ka mety ho hita ny ao anatiny. 1 t. f.: Mitsikarakara, fitsikarakara. Ahitsio
Tsikaretika: a.: Jer. Tsipetrika. Ahitsio
Tsikaritra: mt. ih.: Sandra hita, hita miserana, mitsipalotra. - t.i.f.: Voatsikaritra 1 mahatsikaritra. Ahitsio
Tsikarohina: (tsikaroka) mt. ih. (tsikarohy): Hohazana; anetsehana ny tongotra amantanana. Ahitsio
Tsikaroka: a.: Fihohihozana amin'ny tongotra aman-tanana, fanetsiketsehana tanana na tongotra mitsiparaka ao anaty rano; fanipazana ny tanan-kavia sy ny tanan-kavanana mifandimbindimby rehefa milomano. - t.i.f.: Tsikarohina, atsikaroka, voatsikaroka, tafatsikaroka / mitsikaroka, fitsikaroka, mpitsikaroka 1 itsikarohana, fitsikarohana 1 mahatsikaroka 1 tsikarokaroka. Ahitsio
Tsikarokalika: a.: Karazan-domano mitsorofodrofoka fotsiny ao anaty rano, manao izay tsy hilentehana. Ahitsio
Tsikebona: a.: Fanetsiketsehana ny fotaka na loto ao anaty rano; famohafohazana ny lasa efa mandry. ~ Loiloy. - t.i.f.: Tsikebonina, atsikebona, voatsikebona, tafatsikebona / manatsikebona, fanatsikebona, mpanatsikeboTsikefakefahina (tsikefakefaka) mt ih. (tsikefakefaho): Endahana amin'ny laniny iray ihany. Ahitsio
Tsikebonina: (tsikebona) mt. ih, (tsikebony): Hetsiketsehina (ny fotaka na ny loto ao anaty rano). Ahitsio
Tsikefakefaka: a.: Enti-milaza zavatra miendaka amin'ny laniny iray ary miraikitra amin'iray hafa. - t.i.f.: Tsikefakefahina, atsikefakefaka, voatsikefakefaka 1 manatsikefakefaka, fanatsikefakefaka, mpanatsikefakefaka 1 anatsikefakefahana, fanatsikefakefahana / mitsikefakefaka, fitsikefakefaka 1 itsikefakefahana, fitsikefakefahana / mahatsikefakefaka. Ahitsio
Tsikehina: p.t.: Mitaraindraina; mifendro fendro. 1 t.i.f.: Mitsikehina. Ahitsio
Tsikelikely: p. mt.: Miandalandalana: Mampihena tsikelikely ny hafanan'ny marary ity fanafody ity. Ahitsio
Tsikera: a.: Fanaovana izay hahatonga zavatra hisaratsaraka, hibofaka, tsy hifintina na hifitsaka; fisavasavana ny lafiny rehetra amin'ny hevitra iray nomena; fitanisanisana ny kileman'olona iray. - t.i.f.: Tsikeraina, atsikera, voatsikera / manatsikera, fanatsikera, mpanatsikera / anatsikerana, fanatsikerana 1 mitsikera, fitsikera, mpitsikera / itsikerana, fitsikerana I mahatsikera 1 tsikerakera. Ahitsio
Tsikeraina: (tsikera) mt. ih. (tsikerao): Atao izay hahatonga ny zavatra iray hisaratsaraka, tsy hifintina na hifitsaka: Tsikerao ireo mololo ireo hizahana izay peratrao uery izay. 1 (hevitra) Savasavaina amin'ny lafiny rehetra: Notsikerainy ny heuitr'ilay ohabolana hoe: Viu? nanitrika ka bongo mason'ny nahiny. ~ Tanisanisaina ny kileman'olona iray: NotsikeraindRasoa tamin'ny manodidina ny toetran'ny vadiny. Ahitsio
Tsikia: a,: Karazam-boronkely (Rallus gularis). Ahitsio
Tsikiakia: p. t.: Be hatsikana, be vazivazy, tia vosobosotra, tia sangy. i t. if.: Tafatsikiakia l mitsikiakia, fitsikiakia, mpitsikiakia 1 itsikiakianana, fitsikiakianana, fitsikiakiavana 1 mahatsikiakia. Ahitsio
Tsikibe: a.: Anaram-borona. Ahitsio
Tsikifikifika: Mitovy amin'ny Hifikifika. Ahitsio
Tsikikikiky: Jer. Kikikiky. Ahitsio
Tsikilo: a.: Fanaovana ara-maso sy fihainohainoana izay ataon'ny hafa, nefa tsy hitany. ~ Fitiliana, fizahana taratra atao miafina tsy misy mpahalala. - t.i.f,: Tsikiloina na tsikilovina, atsikilo, voatsikilo, tafatsikilo / mitsikilo, fitsikilo, mpitsikilo 1 mahatsikilo / tsikilokilo. Ahitsio
Tsikiloina: na Tsikilovina (tsikilo) mt. th, (tsikiloy, tsikilouy): Atao ara-maso: Tsikiloin'io olona io daholo izay rehetra ataoko. ~ Tilina, zahana taratra tsy misy mpahalala: Notsikilouin'ny fahaualo ny fihetsiky ny tafika. Ahitsio